mercredi 27 septembre 2017

Alarobia 27 Septambra 2017 - Jos 24 : 14 - 24

14Dia hoy ihany i Josoa hoe:
–Koa ankehitriny manajà ny TOMPO ka manompoa Azy amim-pahitsiana sy fahamarinana. Ario ny andriamanitra izay notompoin'ny razanareo tany ampitan'i Eofrata sy tany Ejipta, ka manompoa ny TOMPO. 15Nefa raha tàhiny tsy sitrakareo ny hanompo ny TOMPO, dia fidio anio izay hotompoinareo, na ny andriamanitra izay notompoin'ny razanareo tany ampitan'i Eofrata na ny andriamanitry ny Amôrita izay mponina teto amin'ny tany onenananareo; fa izaho sy ny ankohonako kosa dia hanompo ny TOMPO izahay.

16Dia namaly ny vahoaka nanao hoe:
–Sanatria anay ny handao ny TOMPO mba hanompo andriamani-kafa! 17Satria ny TOMPO Andriamanitsika ihany no nampakatra ny razantsika niala tamin'ny toerana fanandevozana tany Ejipta; Izy no nanao ireny famantarana lehibe fantatsika tsara ireny; Izy no niaro ny razantsika24.17 ny razantsika: raha ara-bakiteny kokoa dia hoe antsika (manambara fiombonana eo amin'ny Israelita ankehitriny sy ireo razany). Jereo koa 24.5 ahitana hoe ny razanareo toy izay ianareo.  teny amin'ny lalana rehetra nalehany sy teny amin'ny firenena rehetra noteteziny. 18IZY no nandroaka ny firenena rehetra teo anoloantsika, indrindra ny Amôrita izay nonina teto amin'ity tany ity. Koa hanompo ny TOMPO ihany koa izahay fa Izy no Andriamanitray.

19Dia hoy i Josoa tamin'ny vahoaka:
–Tsy hainareo ny hanompo ny TOMPO; fa Andriamanitra masina Izy24.19 Jereo Eks 20.5., ka tsy hahazaka ny fahadisoanareo aman'otanareo. 20Raha mandao ny TOMPO ianareo ka manompo andriamani-kafa, dia hisapotina hampahory anareo Izy Tompo ka hahafongana anareo rehefa avy nasiany soa.

21Fa hoy ny vahoaka tamin'i Josoa:
–Tsia, fa ny TOMPO ihany no hotompoinay.

22Dia hoy indray i Josoa tamin'ny vahoaka:
–Ny tenanareo ihany no vavolombelona fa efa nifidy ny hanompo ny TOMPO ianareo.

Ka novalian'ny vahoaka hoe:
–Eny, vavolombelon'izany izahay!

23Dia nofaranan'i Josoa hoe:
–Ankehitriny àry, esory ny andriamani-kafa izay eo anivonareo ka atodiho amin'ny TOMPO Andriamanitr'Israely ny fonareo.

24Ka niteny tamin'i Josoa ny vahoaka hoe:
–Ny TOMPO Andriamanitray no hotompoinay ary ny baikony no hankatoavinay.

Izay andrasan’Andriamanitra amin’ny olony

1- Mandrav fanampahan-kevitra marina
Mitaona ny zanak’ Israely handray fanampahan-kevitra mazava sy marina ny amin’izay tokony hirosoan'izy ireo ho amin’ny fanompoana an'Andriamanitra i Josoa. Ambarany fa rehefa tapa-kevitra hanompo an’ Andriamanitra ny olona dia manary ny andriamanitra tsy izy, izay mety ho notompoin'ny fianakaviany taloha. Aharihariny i Josoa fa tsv azo ampiarahana ny fanompoana an'I Jehovah Andriamanitra sy ny andríamanitra tsy izy na ny sampy.Tsarovy ary fa namonjy sy nanafaka antsika tamin’ny Fatoran'ny fahotana i Jesoa Kristy. Tapaho ny hevitrao mba hanompo Azy.

2- Manatanteraka nv teny nomeny
Tsy mitana ny teny nomeny matetika ny zanak’Israely. Fantatr’i Josoa mazava tsara izany. Manoloana izany indrindra dia manambara amin'ny zanak'Israely izy fa Andriamanítra masina sady saro-piaro Izy. Tsy ankasitrahany ny famp ifangaroana ny fanompoana Azy amin’ny andriamani-kafa. Mampitandrina ny olona noho izany i Josoa fa raha mivadika amin’Andriamanitra nv olona dia ho avy ny fampahoriana sy ny fandrinanana azy ireo. Tarihina hatrany ísika mpino rnba hitana ny fanekena nataontsika tamin: Andriamanitra. Raha tsv manatanteraka nv tenv nataontsika taminy isika dia hanafay antsika Izv.

Fanontaniana :
Nahoana moa isika no tsy mitazona sy manatanteraka ny fanekena izay nataontsika ?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12