mercredi 20 septembre 2017

Alarobia 20 Septambra 2017 - Mar 15 : 37 - 40

37Fa i Jesoa kosa niantso tamin'ny feo mahery, dia niala aina.

38Ary nitriatra nizara roa hatrany ambony ka hatrany ambany ny efitra lamba tao amin'ny Toeramasina*15.38 Jereo Eks 26.31-33.. 39Fa ilay kapiteny nijoro tandrifin'i Jesoa, raha nahita Azy niala aina toy izany15.39 niala aina toy izany: misy stf sasany manampy kely hoe niala aina niantso mafy toy izany. , dia loa-bolana hoe:
–Tena Zanak'Andriamanitra tokoa io Lehilahy io!

40Nisy vehivavy maromaro koa nitazana avy eny lavidavitra teny ka anisan'ireo i Maria avy any Magdalà, sy i Salôme ary i Maria renin-dry i Jakôba kely sy i Jôsèta mirahalahy. 41Niaraka tamin'i Jesoa tany Galilea ireo vehivavy ireo, nanampy Azy tamin'izay nilainy; ary nisy vehivavy maro hafa koa izay niara-niakatra tamin'i Jesoa tany Jerosalema.

Ny fahafatesan’i Jesoa Kristy

Mitantara ny fahafatesan’i Jesoa Kristy teo ambony hazo fijaliana ny mofonaina ho antsika amín'ity andro íty.

1- Mampihavana nv olona amin’Andriamanitra
Rehefa maty teo ambony hazo fijaiiana i Jesoa Kristy dia voalaza eto fa « ny efìtra lamba tao amin ’ny tempoly dia triatra nizara roa ». Io lamba io no nanasaraka ny toerana masina sy ny faritra sisa tao amin'ny tempoly. Maneho izany fa azon'ny olona tsirairay atao nv mifandray mivantana amin’Andriamanitra, tsy misy olona mpanelanelana intsony. Vitan’i Jesoa Kristy teo amín'ny hazo fijaliana ny fampihavanana ny olona tamin' Andriamanitra. Vita fihavanana amin’Andriamanitra ianao. taomy hihavana Aminy koa ny namanao.

2- Mitaona ho ainin’ny finoana
Fanambaram-pinoana lehihe sy miavaka ihany koa no nataon'ilay kapiteny nanaramaso akaiky ny toe-javatra nitranga teo amin'ny fiainan’i Jesoa Kristy. Rehefa nahita ny fanoloran’i Jesoa Kristy ny ainy ìzy dia indro resy lahatra fa tena Zanak’Andriamanitra io voahombo tamin’ny hazo fijaliana io. Afaka tamin’ny tsy finoana izy tonga amin’ny fahalalana nv lalam-pamonjena. Tsarovy manana anjara isika ankehitriny hijoro ho vavolombelona amin’ireo manodidina antsika fa i Jesoa Kristy tokoa ilay Zanak'Andriamanitra maty ho famonjena antsika.

Fanontaniana :
Efa nanambara tamin’ny namanao ve ianao fa i .Tesoa Krisíy no ilay Zanak'Andriamanitra ho famonjena azy ?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12