jeudi 28 septembre 2017

Alakamisy 28 Septambra 2017 - Deo 13 : 7 - 12

7Mety misy aminareo hotaomin'ny mpiray tampo na zanaka na vady na sakaiza tsy foy, ka hataony hoe: «Andeha isika hanompo andriamani-kafa!» Tsy fantatrareo na ny razambenareo ireny andriamani-kafa ireny, 8dia ny andriamanitry ny firenena manodidina anareo, na ny akaiky na ny lavitra, manomboka amin'ny faravodilanitra ankilany ka miafara amin'ny faravodilanitra andaniny. 9Koa aza manaiky na mihaino ny havana aman-tsakaiza toy ireny ianareo. Ary aza mba angorahana izy na amindrana fo na arovana, 10fa vonoy ho faty mihitsy; ny tanan'izay olona notaominy no hiainga voalohany hamely torabato azy, vao ny tanan'ny vahoaka rehetra. 11Torahy vato izy ho faty, satria efa nitady hitaona anareo hiala amin'ny TOMPO Andriamanitrareo, Izay namoaka anareo tany Ejipta toera-nanandevozana anareo. 12Ary handre izany ny Israelita rehetra, dia hatahotra ka tsy hanao ratsy toy izany intsony.

Miorena amin’ny finoana

1- Tohero ny fakam-panahv
Zava-doza ny fialana amin'Ándriamanitra. Na dia olona akaiky anao toy ny fianakaviana aza no mitaona anao handeha amin'ny lalana hafa handika ny sitrapon' Andriamanitra dia sahia ianao manao «tsia». Tohero hatrany fakam-panahy, fantaro mandrakariva izay sitrapon'Andríamanitra. Matetika tokoa isika kristiana no diso hevitra, mikajv ny fihavanana isika ka na dia zavatra tsy tokony atao aza fa mifanohitra amin’ny sitrapon' Andriamanitra no hitaoman'ny olona akaiky antsika dia manatanteraka isika. Tsy sahv mijoro ho vavolombelona isika ka manara-drenirano. Mazava nv toro-marika ho antsika eto tohero nv fakam-panahy.

2- Miorena ao amin’Andriamanitra
Mampitandrina eto ny Tompo fa fahafatesana no anjara miandry izay olona mitaona ny namany hiala amin'Andriamanitra. Kanefa koa fampitandremana ho an'ny olon'Andriamanitra izany. Raha manaiky ho resin'ny fakam-panahy hiala amin’Andríamanitra ny mpìno dia rava nv finoana. rava nv fanantenana. Eny fahafatesana ihany koa no anjarany satria voalaza fa «fahafatesana no tambin'ny ota». Manoloana ìzany taomina hatrany isika hiorina amin'ny fìnoana ka handray nv Tenin'Andriamanitra ho fitsipi-piainantsika.

Fanontaniana :
Inona no fanapahan-kevitra raisinao raha misy olona akaiky anao mitaona anao handika ny sitrapon' Andriamamtra ?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12