jeudi 12 avril 2018

Alakamisy 12 Aprily 2018 - II Kor 4 : 12 - 18

12hany ka ny fahafatesana no miasa ao aminay, fa ny fiainana no miasa ao aminareo.
13Hoy ny Soratra Masina: «Nino aho, ka izany no nitenenako4.13 Sal 116.10 araka ny dkt grika tranainy Septoazinta..» Noho izahay manana io finoana omen'ny Fanahy Masina io, dia mino koa izahay ka izany no itenenanay. 14Fantatray fa Andriamanitra, Izay nanangana an'i Jesoa Tompo ho velona, dia hanangana anay koa ho velona miaraka amin'i Jesoa, ary hametraka anay mbaminareo ho eo akaikiny. 15Eny, noho ny aminareo avokoa izany rehetra izany, ka dia mihamaro ny olona tratran'ny fahasoavana mba hitomboan'ny vavaka fisaorana ho voninahitr'Andriamanitra.

16Izany no tsy mahaketraka anay, fa na dia mihalevona aza ny maha olona eto ivelany, dia mihavao isan'andro kosa ny maha olona ao anaty: 17satria ny fahoriana maivana sy mandalo mihatra aminay dia miasa manomana voninahitra lehibe mihoa-pampana sady maharitra mandrakizay, 18raha tsy mibanjina ny hita izahay, fa ny tsy hita. Ny hita manko dia miserana ihany, fa ny tsy hita no maharitra mandrakizay.

Ny fiharetan'ny mpitory ny Filazantsara

Niharitra zavatra maro tokoa i Paoly tamin'ny maha-mpitory ny Filazantsara Azy satria ny fiharetan'ny mpitory ny Filazantsara tahaka azy dia:

1- Mitondra fiainana ho an'ny Fiangonana (and 12)
Raisin'i Paoly ho toy ny fahafatesana mihatra aminy isan'andro ireo endri-javatra maro samihafa tsy maintsy iharetana noho ny amin'ny Tompo sy ny Fiangonany. Tsy maintsy iaretana avokoa ireny mba ahafahan'ny Fiangonana miaina ny fahasoavan' Andriamanitra ao amin'i Kristy. Tahaka an'i Kristy nanaiky hiaritra fijaliana dia miharitra izany koa ny mpitory ny Filazantsara mba ahazoan'ny hafa fiainana ao amin'ny Tompo.

2- Mampitombo ny fisaorana an'Andriamanitra
Ny mpitory ny Filazantsara dia manao ny zavatra rehetra mba hitomboan'ny fahasoavan'Andriamanitra eo amin'ny fiainan'ny mino. Izany fitomboan'ny fahasoavan'Andriamanitra izany no manetsika ny fon'ny mpino hisaotra sy hanome voninahitra an' Andriamanitra mandrakariva eo amin'ny fiainany (and 15) ka mahatonga risi-po sy fahavitrihana ho an'ny mpitory ny Filazantsara na dia eo aza ireo fahoriana samihafa mianjady aminy. Andriamanitra no manavao isan'andro ny toe-po sy ny toe-panahiny (and 16-18).

Fanontaniana :
Tanisao ireo tsy maintsy iaretana noho ny amin'ny Tompo sy ny Fiangonany araka ny Rom 8, 35.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12