samedi 7 avril 2018

Sabotsy 07 Aprily 2018 - Oha 8 : 32 - 36

32«Ary ankehitriny henoinareo aho, rey anaka;
fa sambatra ianareo manaraka ny sori-dalako.
33Henoy ny anatro ary aza lavina
fa hampahendry anareo izany.
34Sambatra izay olona mihaino ahy
ka miandry isan'andro eo am-baravarako
sy miambina eo an-tokonako!
35Izay mahita ahy dia mahita ny fiainana
sady mahazo sitraka amin'ny TOMPO.
36Fa izay diso amiko dia handratra ny tenany,
ary izay mankahala ahy dia tia fahafatesana.»

Miantso Rafahendrena
Aseho ho toy ny olombelona ny fahendrena eto. Tanteraka tao amin'i Jesoa izany fahatongavany ho olona izany satria Izy no ilay herin'Andriamanitra sy fahendren'Andriamanitra (1 Kor 1, 24). Miantso Jesoa ilay Fahendrena koa:

1- Mihainoa mandrakariva Azy mba ho sambatra isika (and 32-34)
Mitaona antsika ho liana amin'ny fihainoana ny anatra sy ny fanarahan-dia Azy ny Tompo. Fiainana sy fahasambarana no aterak'izany fanarahana ny Tompo sy fihainoana ny teniny izany raha toa ka iainantsika sy ampiharintsika eo amin'ny fiainana andavan'andro.

2- Tadiavo Izy mba ahita fiainana isika (and 35)
Izay mitady no mahita hoy i Jesoa (Mat 7, 8). Izay mitady fiainana ka maniry ny hahita izany dia tsy maintsy manao izay hifankahitany amin'i Jesoa amin'ny alalan'ny Soratra Masina (Jao 5, 39-40). Fahasoavana roa sosona no ateraky izany: fiainana sy fankasitrahana.

3- Tiavo Izy mba ho velona isika (and 36)
Loza sy fahafatesana no ateraky ny fankahalana an'i Jesoa ilay hery sy fahendren'Andriamanitra (1 Kor 1, 18). Ny fitiavana an'i Jesoa izay mariky ny fìnoana Azy kosa no mitondra fìainana sy fahavelomana ho antsika. Mendrika ny ho tiavina Izy satria nanolotra ny ainy hamonjy antsika (Jao 15, 13).

Fanontaniana:
Inona amin'ireo no tsy maintsy hanaovanao ezaka?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12