mardi 3 avril 2018

Talata 03 Aprily 2018 - I Kor 15 : 12 - 21

12Raha i Kristy no torînay fa nitsangana velona avy tany amin'ny maty, ahoana no ilazan'ny sasany aminareo fa tsy hitsangana velona ny maty? 13Fa raha tsy hitsangana velona ny maty, na dia i Kristy aza dia tsy ho nitsangana velona mihitsy; 14ary raha tsy nitsangana velona i Kristy, dia tsy misy fotony izay torînay, ary tsy misy fotony izay inoanareo? 15Ary dia hita fa vavolombelona mandainga ny amin'Andriamanitra izahay, satria lainga no nanambaranay fa Andriamanitra dia nanangana an'i Kristy ho velona: na dia Andriamanitra aza tsy ho nanangana an'i Kristy ho velona, raha marina fa tsy mitsangana velona ny maty. 16Eny, raha marina fa tsy mitsangana velona ny maty, na dia i Kristy aza dia tsy ho nitsangana velona. 17Ary raha tsy nitsangana velona i Kristy, dia foana ny finoanareo ary mbola tavela ao amin'ny fahotanareo ihany ianareo. 18Ary dia very koa izay efa nodimandry ka nino an'i Kristy. 19Raha amin'izao fiainana izao ihany no anantenantsika an'i Kristy15.19 Raha amin'izao... an'i Kristy: dkt hafa raha manantena an'i Kristy no hany ataontsika amin'izao fiainana izao. , dia faran'izay mahonena isika amin'ny olon-drehetra.
20Efa nitsangana velona avy tany amin'ny maty tokoa anefa i Kristy, santatra ho an'ireo nodimandry. 21Ary satria olona iray no niavin'ny fahafatesana, dia olona iray ihany koa no iavian'ny fitsanganan'ny maty.

Ny fìtsanganan'i Jesoa

Ady hevitra mbola tsy mifarana mandraka ankehitriny ny momba ny fitsanganan'ny tena amin'ny maty. Ny fitsanganan'i Jesoa tamin'ny maty no:

1- Manaporofo ny hitsanganantsika koa
I Kristy no santatr'izay efa nodimandry ka natsangan' Andriamanitra ho velona mandrakizay (and 15). Hatsangana toa Azy koa izay rehetra nodimandry ka nino ny Tompo fony fahavelony (Jao 11, 25 - 26). Ny fahaveloman'ny Tompo no miantoka ny fahavelomantsika indray ao ambadiky ny fahafatesana.

2- Vontoatin'ny toriteny kristiana
Ny hitory sy hanambara ny vaovao mahafalin'ny fitsanganany tamin'ny maty no nanirahan'i Jesoa ny mpianany voalohany taorian'ny nitsanganany (Mar 16, 6- 7). Manohy izany ny Fiangonana ka manao ho zava- dehibe ny fanasinkasinana izany amin'ny toriteny ataony.

3- Fototry nv finoana kristiana
Ny foto-pinoana no isan'izay maha izy azy sy mampiavaka ny Fiangonana iray amin'ny antokom- pivavahana hafa. Maha izy azy ny Fiangonana kristiana ny finoana ny fisian'ny fitsanganan'ny tena amin'ny maty noho ny finoana ny nananganana an'i Jesoa tamin'ny maty (and 16-21).

Fanontaniana:
Nahoana isika no mino ny fitsanganan'ny tena amin'ny maty?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12