vendredi 13 avril 2018

Zoma 13 Aprily 2018 - Rom 5 : 15 - 21

15Kanefa tsy azo ampitahaina ny hadisoana vitan'i Adama sy ny fanomezana atolotr'Andriamanitra maimaimpoana. Niharan'ny fahafatesana ny besinimaro, noho ny hadisoan'ny olona anankiray, dia i Adama; nitosaka be nihoatra lavitra noho izany kosa ilay fahasoavana avy amin'Andriamanitra, ilay fahasoavana nomena maimaimpoana ho an'ny besinimaro tao tamin'ny olona anankiray, dia i Jesoa Kristy. 16Ary tsy tahaka ny vokatry ny fahotana vitan'i Adama ny vokatry ny fanomezana atolotr'Andriamanitra: ny hadisoan'ny olona anankiray notsaraina dia nahatonga fanamelohana; fa ny fanomezana atolotr'Andriamanitra maimaimpoana kosa dia nahatonga ny hadisoana maro havela tanteraka. 17Eny, tamin'ny alalan'ny olona anankiray ary noho ny hadisoan'io olona iray io no nanjakan'ny fahafatesana; fa ireo mandray ny fahasoavana nitosaka be avy amin'Andriamanitra ary koa ny fahamarinana nomeny maimaimpoana dia vao mainka velomin'Andriamanitra sy ampanjakainy tamin'ny alalan'ny olona anankiray, dia i Jesoa Kristy.

18Koa ny hadisoana vitan'olona iray, dia i Adama, no nahavoaheloka ny olona rehetra; toy izany koa ny asa marina vitan'olona iray, dia i Jesoa Kristy, no nahatonga ny olona rehetra hovotsorana tanteraka sy hahazo fiainana. 19Noho ny olona anankiray tsy nanaiky an'Andriamanitra, dia nanjary mpanota ny besinimaro; toy izany koa, noho ny olona anankiray nanaiky an'Andriamanitra, dia hanjary olo-marina eo imason'Andriamanitra ny besinimaro.

20Ny lalàna no tonga, dia ny mba hampitombo be ny hadisoana; nefa koa teo amin'izay nahabe ny fahotana no nihoa-pampana ny fahasoavana. 21Koa tahaka ny nanjakan'ny fahotana ka nahafaty antsika no hanjakan'ny fahasoavan'Andriamanitra hahatonga antsika ho marina ka hahavelona antsika mandrakizay amin'ny alalan'i Jesoa Kristy Tompontsika.

Kristy fiainana sy fahamarinana

Asehon'i Paoly Apostoly eto ny fífanoherana ratsy eo amin'izay nataon'i Adama sy i Jesoa. Adama no ilay voalohany tamin'ny olombelona koa rehefa nanota izy dia nahatratra ny olombelona rehetra tahaka azy ny fahafatesana tambin'ny ota. Ny tsy fankatoavana ny tenin'Andriamanitra no otan'i Adama izay tandindon'ny tsy fankatoavantsika ihany koa. Tsy mba toy izany i Jesoa izay tsy mba nanota fa nanaiky ho sorona noho ny fankatoavany ny sitrapon'ny Ray. I Adarna dia nitondra fitsarana sy fanamelohana ary fahafatesana. I Jesoa kosa dia nitondra fànamarinana sy fanafahana ary fiainana. Raha fahafatesana no nolovaintsika avy tamin'i Adama dia fíainana kosa no setrin'izany noho ny fanoloran'i Jesoa ny tenany ho antsika teo amin'ny hazofijaliana. Io ilay fahasoavan' Andriamanitra nomena antsika tamin'ny alalan'i Jesoa Kristy (and 20).
Ny fahasoavana araka an'i Paoly dia ny nanamarina antsika maimaim-poana tamin'ny alalan'i Jesoa Kristy miaraka amin'ny tombotsoa rehetra aterak'izany. Ny fahasoavan'Andriamanitra ary dia:

  • Ampy sy mahatratra ny maro (and 15). 
  • Hanamarinana ny mpanota (and 16. 18-19). 
  • Fanomezana fiainana avy amin'ny Tompo ho an'ny mpanota(and 17).


Fanontaniana :
Diniho avokoa ny fìarahabana apostolika rehetra. Inona no fanamarihana azonao atao?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12