vendredi 20 avril 2018

Zoma 20 Aprily 2018 - Mat 7 : 7 - 14

7–Mangataha dia homena ianareo; mitadiava dia hahita ianareo; dondòny dia hovohàna ianareo. 8Fa izay rehetra mangataka no mahazo; izay mitady no mahita; ary izay mandondòna no hovohàna. 9Araka ny hevitrareo, iza no olona hangatahan-janany mofo ka hanome vato azy? 10Na hangatahany trondro ka hanome bibilava azy? 11Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala manome zava-tsoa ny zanakareo, mainka fa ny Rainareo Izay any an-danitra no hanome zava-tsoa ho an'izay mangataka aminy!

12Noho izany àry, ataovy amin'ny olona izay rehetra tianareo hataon'ny olona aminareo; fa izany no vontoatin'ny lalànan'i Mosesy mbamin'ny fampianaran'ny mpaminany7.12 Ampit Rm 13.8-10..

13–Midira amin'ny vavahady èty ianareo! Fa lehibe ny vavahady mankany amin'ny fahaverezana ary malalaka ny lalana, ka maro no miditra any; 14tena èty kosa ny vavahady mankany amin'ny fiainana ary tena tery ny lalana, ka vitsy no mahita azy.

« Koa amin 'izany na inona na inona tianareo hataon' ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa tahaka izany ; fa izanv no lalàna sy mpaminany » and. 12

Ny fampiharana ny Tenin' Andriamanitra

1- Fiheverana ny hafa
Ny fiainantsika olombelona dia mifantoka amin'ny fikatsahana izay mahasoa sy izay ilaina andavanandro. Amin'izany dia izay ho an'ny tenantsika no tena mibahana ao an-tsaintsika. ka miteraka fanilihana ny hafa sy fitiavan-tena. Ny Tenin'Andriamanitra anefa mitaona antsika ho tia ny hafa. Mba hahatanterahantsika ny fitiavana no anton'ny teny hoe :« na inona na inona tianareo hataon 'ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa tahaka izany ».

2- Fikatsahana ny fanjakan'ny lanitra (and.7-9/13-14)
Izay mangataka, mitady, mandondona dia hovaliana araka izany.Ny olana anefa dia izay mitondra ho any amin'ny fahaverezana no tena ihazakazahan'ny maro angatahana sy tadiavina ary dondoniny fatratra. Fa ny Tenin" Andriamanitra dia mitaona antsika hikatsaka ny lalana ety mankany amin'ny fiainana, izay vitsy ny mahita azy. Meteza ho isan'izay mandany andro mandinika sy miaina ny Tenin' Andriamanitra handovana fianana.

Fanontaniana :
Inona no ezaka efa nataonao hanehoana fa tena mitady, mandondona, mangataka ny fiainana mandrakizay ianao?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12