dimanche 8 avril 2018

Alahady 08 Aprily 2018 - Oha 10 : 14 - 19

14Harem-pahalalana no voaangon'ny hendry;
fandringanana antomotra kosa no hateraky ny tenin'ny adala.
15Ny fananan'ny mpanankarena no toy ny manda miaro azy;
fa ny fahantran'ny ory kosa no hiteraka fandringanana azy.
16Ny karaman'ny olo-marina dia hivelomany;
fa ny vola azon'ny olon-dratsy kosa hahotany.
17Izay mitandro fifehezan-tena dia mizotra ho amin'ny fiainana;
fa izay mandà anatra kosa no haniasia.
18Mpihatsaravelatsihy izay manafina ny fankahalany;
fa adala izay mampiely endrikendrika.
19Ny teny maro tsy ilaozam-pahadisoana;
fa olo-misaina kosa ny mahatam-bava.

Torolalana ahazoam-piainana

Boky mirakitra anatra feno fahendrena izay mitondra ho amin'ny tena fiainana ny bokin'ny Ohabolana. Santionany izay ambara eto. Ny olona maniry fíainana milamina dia:

1- Miasa amim-pahamarinana (and 16)
Nodidin'Andriamanitra hiasa isika mba ho velona (Gen 2, 15). Avy amin'ny asa izay isasarana no ivelomana (Gen 3, 19). Ny asa rehetra dia mahavelona avokoa rehefa atao am-pahamarinana sy araka ny sitrapon' Andriamanitra. Ny vokatry ny asa atao am-pahamarinana no mitondra filamin-tsaina ka manome fíainana milamina sy araka ny sitrapon'Andriamanitra. Fahotana eo anatrehan' Andriamanitra kosa ny harena azo avy amin'ny tsy rariny sy ny fanambakana.

2- Mandray anatra avy amin'ny Tompo (and 17)
Toy ny fitondran'ny ray be fìtiavany ny zanany no hitondran'Andriamanitra antsika. Mikatsaka fiainana ho antsika mandrakariva Izy ka tsy lany rora mananatra antsika. Izay mandray anatra avy Aminy no mahazo fiainana avy Aminy. Ao amin'ny Teniny no andraisantsika ny toro-lalana sy ny anatra omen' Andriamanitra antsika mba ahazoantsika ny tena fiainana avy Aminy. Ny fandraisana ny fampianaran'i Jesoa no mitondra antsika ho amin'ny lalan'ny fiainana satria Izy no lalana sy fahamarinana ary fiainana ho antsika (Jao 14, 6).

Ftjnontaniana:
Inona no fandraisana andraikitra ataonao ho fiadiana amin'ny kolikoly sy ny tsy fahamarinana?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12