dimanche 3 décembre 2017

Alahady 03 Desambra - I Jao 4 : 7 - 11

7Ry hava-malala, aoka hifankatia isika, fa avy amin'Andriamanitra ny fitiavana, ary izay rehetra tia no naterak'Andriamanitra sady mahalala an'Andriamanitra. 8Izay tsy tia dia tsy mahalala an'Andriamanitra, satria Andriamanitra dia fitiavana. 9Izao no nanehoan'Andriamanitra ny fitiavany antsika: nirahiny ho eo amin'izao tontolo izao* ny Zanany* lahitokana mba hahavelona antsika amin'ny alalany4.9 Ampit Jôh 3.16.. 10Izao no fitiavana: tsy hoe isika no nitia an'Andriamanitra; fa Izy no nitia antsika, ka naniraka ny Zanany lahitokana ho sorom-panonerana hamelana ny fahotantsika4.10 Jereo 2.2 sy nta.. 11Ry hava-malala, raha toy izany no nitiavan'Andriamanitra antsika, dia mba tokony hifankatia koa isika.




Ny mpino miaina ny fitiavan'Andriamanitra

Avy amin'Andriamanitra ny fitiavana. Izay miray Aminy no manana fítiavana ka ny mpino miaina ny fitiavan' Andriamanitra dia:

1- Mifankatia (and 7-8.11)
Teny fanentanana antsika mpino no ataon'ny Apostoly Jaona eto ny amin'ny tokony hifankatiavantsika. Tsy zavatra ifanerena izany fa marika hanehoana ny maha- zanak' Andriamanitra. Tov nv "zazasarv" ny olona sahy mitono-tena ho zanak'Andriamanitra kanefa tsy manam- pitiavana ny hafa. Nantsoina ho amin'ny fifankatiavana ny mpino satria saimy zanak'Andriamanitra. Fitiavana ifanaovana na ifamaliana izanv fa tsv fitiavana mandeha ila sanatria.

2- Mahafoy nv sarobidv indrindra (and 10).
Ambaran'i Jaona mazava tsara fa ny fítiavan' Andriamanitra dia tsy tamin'ny teny fampanantenana fotsiny ihany fa noporofoiny tamin'ny alalan'ny asa koa. Porofo mivaingana no nentin'Andriamanitra nanehony fitiavanv antsika dia ny nanolorany ny tokana sy ny tsara ary ny sarobidy indrindra teo am-pelatanany ho famonjena antsika. Tahaka an'Andriamanitra izay nanome ny Zanany: izay tia, dia tia amin'ny teny sy ny asa ka manome sy mahafoy ny sarobidy indrindra. Ny tena fitiavana dia tsy mila tambiny ary tsy sandaina ihany koa.

Fanontanìana:
Inona no zava-tsarobidy indrindra efa nafoinao ho an 'ny olon-tianao?

samedi 2 décembre 2017

Sabotsy 02 Desambra 2017 - Isa 43 : 1 - 5

1Ankehitriny kosa izao no lazain'ny TOMPO
Izay nahary anao, ry firenen'i Jakôba
sy namorona anao, ry vahoaka Israely:
«Aza matahotra ianao, fa efa navotako;
ny anaranao no efa niantsoako anao, ka Ahy ianao.
2Raha mamakivaky ny rano ianao,
dia homba anao Aho;
raha miampita ny ony ianao,
dia tsy hanafotra anao ireny;
raha mandeha eo anivon'ny afo ianao,
dia tsy ho may akory
fa tsy handoro anao ny lelafo.
3Satria Izaho no TOMPO Andriamanitrao,
ilay Masin'i Israely mpamonjy anao.

Nomeko hanavotana anao i Ejipta;
ary nataoko solonao i Etiôpia sy i Sebà.
4Satria sarobidy eo imasoko ianao,
manan-danja amiko sady tiako.
Koa nanome olona ho solonao Aho
sy firenena maro ho takalon'ny ainao.

5Aza matahotra fa momba anao Aho.
Avy any atsinanana no hamerenako ny taranakao,
avy any andrefana no hanangonako ireo olonao.

Andriamanitra maneho fìtiarana
Asehon'Andriamanitra amin'izao Soratra Masina izao fa mahatratra ny fotoana rehetra ny fitiavany.

1- Tami'ny lasa (and 1)
Ampahatsiahivin'Andriamanitra eto ny fanehoam- pitiavana efa nataony tamin'ny lasa. Efa nanavotra Izy ka rnbola hanavotra. Efa niantso sy nifidy Izy ka tsy mahafoy. Izany fitiavan'Andriamanitra tamin'ny lasa izany no tokony hitokiana satria tsy miova ny fitiavany.

2- Ankehitrinv (and 3- 41
Mariho fa na ny fanambaran-tenan'Andriamanitra izay milaza hoe: "Izaho no" na ny matoateny izay milaza ny asa ataon'Andriamanitra amin'ny hoe: "Omeko" dia samy amin'ny filazam-potoana ankehiíriny avokoa. Midika izany fa fanehoam-pitiavana mihatra avy hatrany amir.'ny ankehitrinim-piainana no ambaran'Andriamanitra eto.

3- Amin ny ho avy (and 2.5)
Mbola mampanantena ny haneho ny fitiavany hatrany Andriamanitra amin'ny ho avy rehetra. Izy no homba, Izy no hiaro, Izy no hitantana. Ny fitiavan'Andriamanitia izay mitoetra mandrakizay amintsika no ahazoana miatrika sy mandresy ny sarotra renetra, na izay efa niseho tamin'ny lasa izany na izay miseho ankehitriny sy izay hiseho amin'ny ho avy. Satria hoy Jesoa "lndro Izaho moinba anareo mandrakariva". Aza matahotra!

Fanontaniana:
Raha ianao no anontaniana, inona no mety havalinao ny fitiavan 'Andriamanitra

vendredi 1 décembre 2017

Zoma 01 Desambra 2017 - I Jao 3 : 1 - 6

1Endrey ity haben'ny fitiavana nasehon'ny Ray ho antsika: fa nantsoina hoe zanak'Andriamanitra3.1 Ampit Jôh 1.12. isika, sady zanany tokoa! Izao tontolo izao* no tsy mahalala antsika, dia noho izy tsy nahalala an'Andriamanitra. 2Ry hava-malala, zanak'Andriamanitra isika ankehitriny, kanefa mbola tsy naseho izay ho tena toetrantsika rahatrizay. Saingy fantatsika fa rahatrizay hiseho i Kristy*, dia ho tahaka Azy isika, satria hahita Azy araka ny maha Izy Azy. 3Ary izay rehetra manana izany fanantenana miorina amin'i Kristy izany dia mitandrin-tena hanana toetra madio mba hadio toetra tahaka Azy.

4Izay rehetra manota dia mandika ny lalànan*'Andriamanitra, fa ny ota no fandikana ny lalànan'Andriamanitra. 5Fantatrareo kosa fa i Jesoa Kristy* no niseho, dia mba hanala ny ota3.5 ny ota: misy stf sasany ahitana hoe ny otantsika. , ary tsy mba misy ota ao aminy. 6Izay rehetra miray amin'i Kristy dia tsy manota; izay rehetra manota, dia tsy nahita Azy na nahalala Azy.

Ireo porofom-pitiavan'Andriamanitra

Vavolombelon'ny fitiavany antsika tokoa ny Tompo. Porofon'izany ny:

Niantsoany antsika ho zanany (and 1-2)
Tonga zanak'Andriamanitra isika noho ny fampihavanana nataon'i Jesoa teo amin'ny hazofijaliana sy ny finoana Azy. Tsy avy amintsika izany fa tena fitiavan' Andriamanitra te-hanangana antsika ho zanany. Porofom- pitiavana no azo ilazana ny niantsoan' Andriamanitra antsika ho zanany satria tonga mpiombon'aina Aminy sy mpiray lova amin i Jesoa zanany isika. Fitiavana azo antoka ihany koa satria ny toetra maha Ray be fitiavana no entiny maneho ny fitiavany sy mifandray amintsika zanany.

2- Nanesoranv nv otantsika (and 3-6)
Mpanota ísika olmbelona. Notorotoronina tamin'nv ota rahateo isika ka mora mivily he amin'ny ratsy. Tia antsika ànefa Andriamanitra ka tsy mijery arina an-tava. Fitiavana lehibe no nasehony tamin'ny nanesorany tsy ho eo anatrehany ny fahotantsika ka ny ran'i Jesoa latsaka teo amin'ny hazofijaliana no nanadio antsika no afaka amin'ny ota rehetra( 1 Jao 1,7).

Fanontaniana:
Inono no marika hita maso anaporofoana ny maha zanak Andriamanitra antsika?

jeudi 30 novembre 2017

Alakamisy 30 Novambra 2017 - Sal 121 : 1 - 8

1 Hira fiakarana.
Manopy maso any amin'ireo tendrombohitra aho.
Avy aiza moa ny famonjena ahy?

2–Ny famonjena ahy dia avy amin'ny TOMPO,
Mpanao ny lanitra sy ny tany!
3–Tsy havelany ho solafaka anie ny tongotrao;
tsy ho rendremana anie ny mpiambina anao!

4–Tsia, tsy rendremana na matory
ny mpiambina an'i Israely.
5Ny TOMPO no mpiambina anao amin'ny alina;
ny TOMPO eo anilanao no fialofanao;
6ka tsy hamely anao ny masoandro, raha antoandro;
tsy hamely anao ny volana, raha alina.
7Ny TOMPO hiambina anao amin'ny ratsy rehetra;
eny, hiambina ny ainao Izy,
8hiambina anao mandroso sy miverina
manomboka izao ka ho mandrakizay!

Anisan'ny fihirana fanao rehefa fety lehibe ity Salamo ity. Miaraka amin'ny vahoaka voafidy hatrany ny Tompo ary misongadina ny toky hananan'izay miandry Azy.
Tompo miaro Izy :

1- Miaro andrò aman'alina nv Tompo (and 3-6)
Ny famonjena eto dia ìlay fiarovan'ny Tompo ny Sangonana ka tsy mahalany ritra azy. Andriamanttra Tompon'ny fotoana Izy, koa tsy mba misy fetra na fiatoana ny fombany ny vahoakany. Tahaka ny Fetin'ny Taranaka ka. mahatsiaro fa na dia eo aza ny elanelan-tany, ny tendrombohitra novakivakìana andrò aman'alina, dia teo nv Tompo niaro : ka afaka manao izany fivahiniana masina izany. Ny mpino koa amin'ny asa fitoriana amin'ny lalana Iavitra tsy maintsy aleha dia toky ho antsika ny Tompo fa hiaro na andrò na alina.

2- Hiaro nv fanahin'nv mpino nv Tompo (and.7-8)
Hìhaona any amin'ny Tempolin'i Jehovah ny mpino. Alohan'izany dia tiany raha miroso amin'ny fanadiovana ara-panahy hananany fahamasinana, satria masina Andriamanitra. Tsy ny eny an-dalana ihany no arovan'ny Tompo ny mino, fa amin'ny fotoana rehetra sy amin'ny fanahiny rehetra koa. Hita taratra ny fiarovan'ny Tompo ny fanahy amin'ny ratsy rehetra (and.7), ahatonga antsika hitana ny fìnoana na dia any am-pielezana aza. Izany no mahatonga antsika hijoro ka tsy ho menatra ho vavolombelon'ny Tompontsika.

Fanontaniana :
Rehefa fetin'ny taranaka, manao ahoana ny haben'ny fiderantsika ny Tompo?


mercredi 29 novembre 2017

Alarobia 29 Novambra 2017 - Amo 4 : 6 - 13

6Izaho mihitsy no efa nahatonga mosary
tao amin'ny tanànanareo rehetra,
ary tsy fahampian-tsakafo
tao amin'ny fonenanareo rehetra;
nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo;
teny hentitra avy amiko TOMPO izany.
7Izaho mihitsy no efa nampihantona ny orana
tsy ho eo aminareo,
raha mbola telo volana mialoha ny fararano.
Ka tamin'ny tanàna anankiray nandatsahako orana,
fa tamin'ny tanàna iray kosa tsy nandatsahako;
ny saha anankiray nilatsahan'ny orana,
fa ny saha iray kosa tsy mba nilatsahany ka maina.
8Nivembena nankao amin'ny tanàna iray
ny mponina tamin'ny tanàna roa na telo
mba hisotro rano tsy nahafa-ketaheta,
nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo;
teny hentitra avy amiko TOMPO izany.
9Nasiako tamin'ny vary main'ny rivotra
sy maty fotsy ianareo;
nofongorako4.9 nofongorako: voambolana heverina ho mitombina; ny RM dia midika hoe mampitombo.  ny zaridainanareo sy ny voalobokareo,
nohanin'ny valala ny aviavinareo sy ny ôlivanareo,
nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo;
teny hentitra avy amiko TOMPO izany.
10Nalefako teo aminareo ny pesta mpamely biby fiompy
tahaka ny pesta nalefako tany Ejipta4.10 Jereo Eks 9.3.;
novonoiko ho faty tamin'ny sabatra ny zatovolahinareo,
sady nobaboina koa ny soavalinareo;
ary nampiakariko hatrany am-bavoronareo
ny hamaimbon'ny faty ao an-tobinareo;
nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo;
teny hentitry ny TOMPO izany.
11Efa natsimbadiko ambony ambany ny tao aminareo
tahaka izay nataoko tamin'i Sôdôma sy Gômôra4.11 Jereo Gen 19.24-25.;
ka ianareo izao dia toy ny tapa-porohana
nosarihina avy ao amin'ny afo
nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo;
teny hentitra avy amiko TOMPO izany.
12Koa dia hisy sazy hataoko aminao, ry Israely;
ary rehefa izany no hataoko aminao,
dia miomàna ianao hihaona amin'Andriamanitrao4.12 miomàna... Andriamanitrao: dkt hafa miomàna ianao hiseho fitsarana eo anatrehan'Andriamanitrao. .»
13Satria tandremo fa Izy no mpamorona ny tendrombohitra
sy mpahary ny rivotra,
Izy no manambara amin'ny olombelona ny fikasany,
mahatonga ny maraina ho haizina
sady mandeha eny am-paratampon'ny tany:
Ny TOMPO Andriamanitr'izao rehetra izao no anarany.

Niala tamin'ny Tompo ny vahoaka, mafy fo. in-5 ny teny hoe "nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo hoy i Jehovah" no hita eto, na dia efa niala nenina tamin'ireo famaizana isan-karazany aza ny Tompo.

1- Andriamanitra mahitsv nv Tompo (and. 12)
Na dia naseho teo amin'Isiraely avokoa aza ny karazana famaizana rehetra : tamin'ny tsy fahampian-kanina, tsy fahampian-drano, vary, areti-mandringana, afo mandoro dia mbola tsy niverina tamin'i Jehovah ihany i Israely. Ambaran'ny Tompo mazava eto fa misy valiny ny tsy fíverenana Aminy. Koa ny hamafin'ny hatoky ny Israely dia tsy maintsy hovalina, satria "satria hanao izany aminao Aho" (and. 12) hoy Izy. Mitaona antsika tsy hanamafy fo izany, ka hiverina amin'Andriamanitra. « Handinintena amin'ireo fampitandremana isan-karazany * efa nataon'ny Tompo ary hiverina Aminy 'ndrao "mba hanenina ny amin'ny loza Izy".

2- Andriamanitra mahefa nv zavatra rehetra ny Tompo (and.13)
Andriamanitra manambara ny Tenany no hita eto, ka miharihary ao amin'ny famoronana sy ny asany indrindra ny Anarany. Andriamanitry ny tontolo no miasa. Izany no tokony hatahorantsika Azy mandrakariva satria Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra Izy. Amin'ny maha-Tsitoha Azy, dia tsy misy azo oharina na ampitahaina Aminy.

Fanontaniana :
Inona no mahatonga ny olona mafy hatoka ka tsy handray fananarana?

mardi 28 novembre 2017

Talata 28 Novambra 2017 - Asa 26 : 21 - 23

21Izany no nisamboran'ny Jiosy ahy raha tao an-kianjan'ny tempoly* aho, ary nitadiavany hamonoana ahy. 22Fa niaro ahy Andriamanitra mandraka androany ka mbola intỳ aho eto, mba hijoro ho vavolombelona amin'ny olona rehetra na ny kely na ny lehibe. Izay nambaran'ny mpaminany* sy i Mosesy fa ho avy no hany lazaiko izao: 23hijaly ny Mesia* ary Izy no ho voalohany hisantatra ny fitsanganan'ny maty* ka hitory fahazavana amin'ny vahoaka Israely* sy amin'ny hafa firenena

Mijoro ny mpanara-dia ny Tompo

1- Na dia enjehina aza (and.21)
Vanim-potoana mavaivay tamin'ny fanenjehana ny kristianina no indro i Paoly Apostoly mandahateny eo anatrehan'i Agripa mpanjaka. Manakaiky azy tanteraka ny loza sy ny fahafatesana amin'izany, satria ny hafa aza natao haza lambo, mainka fa ny Apostoly Paoly izay efa eo anatrehan'ny fîtsarana rahateo. Koa manambara ny fanenjehana sy ny físamborana ary ny fihendrena hahafaty azy ity, saingy noho ny fitahian'Andriamanitra no mbola mampijoro azy. Koa n'inona n'inona miseho eo amin'ny fiainantsika kristianina, azo itokiana fa ny fitahian' Andriamanitra no mampaharitra antsika.

2- Mba hanambara an'i Kristv (and.22-23)
Ny voalazan'ny lalàna sy ny mpaminany no votoatin'ny fanambarana, izay tsy iza fa i Jesoa Kristy maty sy nitsangana tamin'ny maty. I Paoly eto dia tsy sasatra manambara an'i Kristy. Tsy mandehandeha ho azy ny fîainantsika. Tsy misy hoe vintana sy anjara ny antony ahavelomantsika fa ho mpitory sy ho mpanambara an'i Kristy amin'ny androntsika rehetra, na ho lava na ho fohy ïzany. Tsy maintsy miainga amin'ny Tenin'Andriamanitra voasoratra ao amin'ny Soratra Masina hatrany anefa izany, mba ho marina ny fanambarana ataontsika.

Fanontaniana :
Efa nanomboka ny "iraka" ve ianao? Raha "Tsia", inona no antony? Raha "Eny". inona no mety hampijanona anao?

lundi 27 novembre 2017

Alatsinainy 27 Novambra 2017 - Apo 22 : 16 - 21

16«Izaho Jesoa dia efa naniraka ny anjeliko hijoro vavolombelona aminareo ka hanambara izany zavatra izany eo anivon'ireo Fiangonana. Izaho no solofo sy taranak'i Davida, ary kintana fitarikandro mamirapiratra22.16 Ampit Is 11.1, 10; Apôk 2.28; 5.5. –eo anivon'ireo Fiangonana: dkt hafa momba ireo Fiangonana. .»

17Ary hoy ny Fanahy Masina sy ny ampakarina hoe: «Avia!»
Izay mahare, aoka hanao hoe: «Avia!»
Izay mangetaheta, aoka ho avy; izay maniry ranovelona, aoka hanovo maimaimpoana amin'izany22.17 Ampit Is 55.1.!

18Izaho Jôhany dia manao fampitandremana amin'izay rehetra mandre ny teny faminaniana raketin'ity boky ity: raha misy manampy ireo, dia hampiharan'Andriamanitra ny loza voasoratra ato anatin'ity boky ity; 19ary raha misy manaisotra teny amin'ity boky faminaniana ity22.19 and 18-19: ampit Deot 4.2; 13.1., dia hoesorin'Andriamanitra ny anjarany amin'ny hazo manome fiainana sy ny anjarany ao amin'ny tanàna masina* araka izay voasoratra ato anatin'ity boky ity.

20Hoy Ilay mijoro vavolombelon'ireo zavatra ireo hoe: «Eny, ho avy faingana Aho!»
Amen*! Avia, ry Jesoa Tompo22.20 Ampit 1Kôr 16.22 sy nta.!
21Homba anareo rehetra anie ny fahasoavan'i Jesoa Tompo!



"Eny, avyfaingana Aho" and.
20 Ny fihavian'ny Tompo

1- Tenv fampanantenana
Antso ho amin'ny fitsaharana no ambara eto. Ny fiombonan'ny mpino na ny fiangonana, tahaka ny vady ampakarin'i Kristy, no miantso fitsaharana ka tsy hisy intsony ny ranomaso sy ny fahoriana. I Jesoa Ilay Andriamanitra faka sy taranaka avy amin'i Davida, no kintana mamirapiratra mandrava ny aliña ary hanambara ny maraina vaovao eo amin'ny fiainan'ny mpino. Fanantenana ny amin'ny hoavy any am-parany izany. Fanantenana hahafaka hetaheta ho an'ny fanahin'ireo mpino izany, dia ny hisotro ny onin'ny ranonain'ny fïainana mandrakizay (ampitahao Apo 22.1; Isa55.1-2).

2- Tenv fampitandremana
Tafîditra eo anelanelan'ny fampanantenan'i Kristy ny fampitandremana nataon'i Jaona (andl8-19). Mpanoratra fotsiny ihany anefa i Jaona fa ny Tompo mivantana mihitsy no efa nilaza izany hatry ny ela (Deo 4, 2; Jer 26, 2). Ambara eto ny fahefan'ny faminaniana amin'ny teny koa tsy azo ovana, na analana, na ampiana izany. Mifampiankina tanteraka ny famonjena sy ny fiankinana amin'ny Tenin'Andriamanitra. izay maharitra hatramin'ny farany amin'ny Teny no hovonjena.

Famontaniana :
Nahoana no mampatahotra ny olona ny fïavian'i Kristy?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12