lundi 27 novembre 2017

Alatsinainy 27 Novambra 2017 - Apo 22 : 16 - 21

16«Izaho Jesoa dia efa naniraka ny anjeliko hijoro vavolombelona aminareo ka hanambara izany zavatra izany eo anivon'ireo Fiangonana. Izaho no solofo sy taranak'i Davida, ary kintana fitarikandro mamirapiratra22.16 Ampit Is 11.1, 10; Apôk 2.28; 5.5. –eo anivon'ireo Fiangonana: dkt hafa momba ireo Fiangonana. .»

17Ary hoy ny Fanahy Masina sy ny ampakarina hoe: «Avia!»
Izay mahare, aoka hanao hoe: «Avia!»
Izay mangetaheta, aoka ho avy; izay maniry ranovelona, aoka hanovo maimaimpoana amin'izany22.17 Ampit Is 55.1.!

18Izaho Jôhany dia manao fampitandremana amin'izay rehetra mandre ny teny faminaniana raketin'ity boky ity: raha misy manampy ireo, dia hampiharan'Andriamanitra ny loza voasoratra ato anatin'ity boky ity; 19ary raha misy manaisotra teny amin'ity boky faminaniana ity22.19 and 18-19: ampit Deot 4.2; 13.1., dia hoesorin'Andriamanitra ny anjarany amin'ny hazo manome fiainana sy ny anjarany ao amin'ny tanàna masina* araka izay voasoratra ato anatin'ity boky ity.

20Hoy Ilay mijoro vavolombelon'ireo zavatra ireo hoe: «Eny, ho avy faingana Aho!»
Amen*! Avia, ry Jesoa Tompo22.20 Ampit 1Kôr 16.22 sy nta.!
21Homba anareo rehetra anie ny fahasoavan'i Jesoa Tompo!



"Eny, avyfaingana Aho" and.
20 Ny fihavian'ny Tompo

1- Tenv fampanantenana
Antso ho amin'ny fitsaharana no ambara eto. Ny fiombonan'ny mpino na ny fiangonana, tahaka ny vady ampakarin'i Kristy, no miantso fitsaharana ka tsy hisy intsony ny ranomaso sy ny fahoriana. I Jesoa Ilay Andriamanitra faka sy taranaka avy amin'i Davida, no kintana mamirapiratra mandrava ny aliña ary hanambara ny maraina vaovao eo amin'ny fiainan'ny mpino. Fanantenana ny amin'ny hoavy any am-parany izany. Fanantenana hahafaka hetaheta ho an'ny fanahin'ireo mpino izany, dia ny hisotro ny onin'ny ranonain'ny fïainana mandrakizay (ampitahao Apo 22.1; Isa55.1-2).

2- Tenv fampitandremana
Tafîditra eo anelanelan'ny fampanantenan'i Kristy ny fampitandremana nataon'i Jaona (andl8-19). Mpanoratra fotsiny ihany anefa i Jaona fa ny Tompo mivantana mihitsy no efa nilaza izany hatry ny ela (Deo 4, 2; Jer 26, 2). Ambara eto ny fahefan'ny faminaniana amin'ny teny koa tsy azo ovana, na analana, na ampiana izany. Mifampiankina tanteraka ny famonjena sy ny fiankinana amin'ny Tenin'Andriamanitra. izay maharitra hatramin'ny farany amin'ny Teny no hovonjena.

Famontaniana :
Nahoana no mampatahotra ny olona ny fïavian'i Kristy?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12