Affichage des articles dont le libellé est Miandry ny Tompo ny vavolombelona mino. Afficher tous les articles
Affichage des articles dont le libellé est Miandry ny Tompo ny vavolombelona mino. Afficher tous les articles

jeudi 30 novembre 2017

Alakamisy 30 Novambra 2017 - Sal 121 : 1 - 8

1 Hira fiakarana.
Manopy maso any amin'ireo tendrombohitra aho.
Avy aiza moa ny famonjena ahy?

2–Ny famonjena ahy dia avy amin'ny TOMPO,
Mpanao ny lanitra sy ny tany!
3–Tsy havelany ho solafaka anie ny tongotrao;
tsy ho rendremana anie ny mpiambina anao!

4–Tsia, tsy rendremana na matory
ny mpiambina an'i Israely.
5Ny TOMPO no mpiambina anao amin'ny alina;
ny TOMPO eo anilanao no fialofanao;
6ka tsy hamely anao ny masoandro, raha antoandro;
tsy hamely anao ny volana, raha alina.
7Ny TOMPO hiambina anao amin'ny ratsy rehetra;
eny, hiambina ny ainao Izy,
8hiambina anao mandroso sy miverina
manomboka izao ka ho mandrakizay!

Anisan'ny fihirana fanao rehefa fety lehibe ity Salamo ity. Miaraka amin'ny vahoaka voafidy hatrany ny Tompo ary misongadina ny toky hananan'izay miandry Azy.
Tompo miaro Izy :

1- Miaro andrò aman'alina nv Tompo (and 3-6)
Ny famonjena eto dia ìlay fiarovan'ny Tompo ny Sangonana ka tsy mahalany ritra azy. Andriamanttra Tompon'ny fotoana Izy, koa tsy mba misy fetra na fiatoana ny fombany ny vahoakany. Tahaka ny Fetin'ny Taranaka ka. mahatsiaro fa na dia eo aza ny elanelan-tany, ny tendrombohitra novakivakìana andrò aman'alina, dia teo nv Tompo niaro : ka afaka manao izany fivahiniana masina izany. Ny mpino koa amin'ny asa fitoriana amin'ny lalana Iavitra tsy maintsy aleha dia toky ho antsika ny Tompo fa hiaro na andrò na alina.

2- Hiaro nv fanahin'nv mpino nv Tompo (and.7-8)
Hìhaona any amin'ny Tempolin'i Jehovah ny mpino. Alohan'izany dia tiany raha miroso amin'ny fanadiovana ara-panahy hananany fahamasinana, satria masina Andriamanitra. Tsy ny eny an-dalana ihany no arovan'ny Tompo ny mino, fa amin'ny fotoana rehetra sy amin'ny fanahiny rehetra koa. Hita taratra ny fiarovan'ny Tompo ny fanahy amin'ny ratsy rehetra (and.7), ahatonga antsika hitana ny fìnoana na dia any am-pielezana aza. Izany no mahatonga antsika hijoro ka tsy ho menatra ho vavolombelon'ny Tompontsika.

Fanontaniana :
Rehefa fetin'ny taranaka, manao ahoana ny haben'ny fiderantsika ny Tompo?


mercredi 29 novembre 2017

Alarobia 29 Novambra 2017 - Amo 4 : 6 - 13

6Izaho mihitsy no efa nahatonga mosary
tao amin'ny tanànanareo rehetra,
ary tsy fahampian-tsakafo
tao amin'ny fonenanareo rehetra;
nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo;
teny hentitra avy amiko TOMPO izany.
7Izaho mihitsy no efa nampihantona ny orana
tsy ho eo aminareo,
raha mbola telo volana mialoha ny fararano.
Ka tamin'ny tanàna anankiray nandatsahako orana,
fa tamin'ny tanàna iray kosa tsy nandatsahako;
ny saha anankiray nilatsahan'ny orana,
fa ny saha iray kosa tsy mba nilatsahany ka maina.
8Nivembena nankao amin'ny tanàna iray
ny mponina tamin'ny tanàna roa na telo
mba hisotro rano tsy nahafa-ketaheta,
nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo;
teny hentitra avy amiko TOMPO izany.
9Nasiako tamin'ny vary main'ny rivotra
sy maty fotsy ianareo;
nofongorako4.9 nofongorako: voambolana heverina ho mitombina; ny RM dia midika hoe mampitombo.  ny zaridainanareo sy ny voalobokareo,
nohanin'ny valala ny aviavinareo sy ny ôlivanareo,
nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo;
teny hentitra avy amiko TOMPO izany.
10Nalefako teo aminareo ny pesta mpamely biby fiompy
tahaka ny pesta nalefako tany Ejipta4.10 Jereo Eks 9.3.;
novonoiko ho faty tamin'ny sabatra ny zatovolahinareo,
sady nobaboina koa ny soavalinareo;
ary nampiakariko hatrany am-bavoronareo
ny hamaimbon'ny faty ao an-tobinareo;
nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo;
teny hentitry ny TOMPO izany.
11Efa natsimbadiko ambony ambany ny tao aminareo
tahaka izay nataoko tamin'i Sôdôma sy Gômôra4.11 Jereo Gen 19.24-25.;
ka ianareo izao dia toy ny tapa-porohana
nosarihina avy ao amin'ny afo
nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo;
teny hentitra avy amiko TOMPO izany.
12Koa dia hisy sazy hataoko aminao, ry Israely;
ary rehefa izany no hataoko aminao,
dia miomàna ianao hihaona amin'Andriamanitrao4.12 miomàna... Andriamanitrao: dkt hafa miomàna ianao hiseho fitsarana eo anatrehan'Andriamanitrao. .»
13Satria tandremo fa Izy no mpamorona ny tendrombohitra
sy mpahary ny rivotra,
Izy no manambara amin'ny olombelona ny fikasany,
mahatonga ny maraina ho haizina
sady mandeha eny am-paratampon'ny tany:
Ny TOMPO Andriamanitr'izao rehetra izao no anarany.

Niala tamin'ny Tompo ny vahoaka, mafy fo. in-5 ny teny hoe "nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo hoy i Jehovah" no hita eto, na dia efa niala nenina tamin'ireo famaizana isan-karazany aza ny Tompo.

1- Andriamanitra mahitsv nv Tompo (and. 12)
Na dia naseho teo amin'Isiraely avokoa aza ny karazana famaizana rehetra : tamin'ny tsy fahampian-kanina, tsy fahampian-drano, vary, areti-mandringana, afo mandoro dia mbola tsy niverina tamin'i Jehovah ihany i Israely. Ambaran'ny Tompo mazava eto fa misy valiny ny tsy fíverenana Aminy. Koa ny hamafin'ny hatoky ny Israely dia tsy maintsy hovalina, satria "satria hanao izany aminao Aho" (and. 12) hoy Izy. Mitaona antsika tsy hanamafy fo izany, ka hiverina amin'Andriamanitra. « Handinintena amin'ireo fampitandremana isan-karazany * efa nataon'ny Tompo ary hiverina Aminy 'ndrao "mba hanenina ny amin'ny loza Izy".

2- Andriamanitra mahefa nv zavatra rehetra ny Tompo (and.13)
Andriamanitra manambara ny Tenany no hita eto, ka miharihary ao amin'ny famoronana sy ny asany indrindra ny Anarany. Andriamanitry ny tontolo no miasa. Izany no tokony hatahorantsika Azy mandrakariva satria Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra Izy. Amin'ny maha-Tsitoha Azy, dia tsy misy azo oharina na ampitahaina Aminy.

Fanontaniana :
Inona no mahatonga ny olona mafy hatoka ka tsy handray fananarana?

mardi 28 novembre 2017

Talata 28 Novambra 2017 - Asa 26 : 21 - 23

21Izany no nisamboran'ny Jiosy ahy raha tao an-kianjan'ny tempoly* aho, ary nitadiavany hamonoana ahy. 22Fa niaro ahy Andriamanitra mandraka androany ka mbola intỳ aho eto, mba hijoro ho vavolombelona amin'ny olona rehetra na ny kely na ny lehibe. Izay nambaran'ny mpaminany* sy i Mosesy fa ho avy no hany lazaiko izao: 23hijaly ny Mesia* ary Izy no ho voalohany hisantatra ny fitsanganan'ny maty* ka hitory fahazavana amin'ny vahoaka Israely* sy amin'ny hafa firenena

Mijoro ny mpanara-dia ny Tompo

1- Na dia enjehina aza (and.21)
Vanim-potoana mavaivay tamin'ny fanenjehana ny kristianina no indro i Paoly Apostoly mandahateny eo anatrehan'i Agripa mpanjaka. Manakaiky azy tanteraka ny loza sy ny fahafatesana amin'izany, satria ny hafa aza natao haza lambo, mainka fa ny Apostoly Paoly izay efa eo anatrehan'ny fîtsarana rahateo. Koa manambara ny fanenjehana sy ny físamborana ary ny fihendrena hahafaty azy ity, saingy noho ny fitahian'Andriamanitra no mbola mampijoro azy. Koa n'inona n'inona miseho eo amin'ny fiainantsika kristianina, azo itokiana fa ny fitahian' Andriamanitra no mampaharitra antsika.

2- Mba hanambara an'i Kristv (and.22-23)
Ny voalazan'ny lalàna sy ny mpaminany no votoatin'ny fanambarana, izay tsy iza fa i Jesoa Kristy maty sy nitsangana tamin'ny maty. I Paoly eto dia tsy sasatra manambara an'i Kristy. Tsy mandehandeha ho azy ny fîainantsika. Tsy misy hoe vintana sy anjara ny antony ahavelomantsika fa ho mpitory sy ho mpanambara an'i Kristy amin'ny androntsika rehetra, na ho lava na ho fohy ïzany. Tsy maintsy miainga amin'ny Tenin'Andriamanitra voasoratra ao amin'ny Soratra Masina hatrany anefa izany, mba ho marina ny fanambarana ataontsika.

Fanontaniana :
Efa nanomboka ny "iraka" ve ianao? Raha "Tsia", inona no antony? Raha "Eny". inona no mety hampijanona anao?

lundi 27 novembre 2017

Alatsinainy 27 Novambra 2017 - Apo 22 : 16 - 21

16«Izaho Jesoa dia efa naniraka ny anjeliko hijoro vavolombelona aminareo ka hanambara izany zavatra izany eo anivon'ireo Fiangonana. Izaho no solofo sy taranak'i Davida, ary kintana fitarikandro mamirapiratra22.16 Ampit Is 11.1, 10; Apôk 2.28; 5.5. –eo anivon'ireo Fiangonana: dkt hafa momba ireo Fiangonana. .»

17Ary hoy ny Fanahy Masina sy ny ampakarina hoe: «Avia!»
Izay mahare, aoka hanao hoe: «Avia!»
Izay mangetaheta, aoka ho avy; izay maniry ranovelona, aoka hanovo maimaimpoana amin'izany22.17 Ampit Is 55.1.!

18Izaho Jôhany dia manao fampitandremana amin'izay rehetra mandre ny teny faminaniana raketin'ity boky ity: raha misy manampy ireo, dia hampiharan'Andriamanitra ny loza voasoratra ato anatin'ity boky ity; 19ary raha misy manaisotra teny amin'ity boky faminaniana ity22.19 and 18-19: ampit Deot 4.2; 13.1., dia hoesorin'Andriamanitra ny anjarany amin'ny hazo manome fiainana sy ny anjarany ao amin'ny tanàna masina* araka izay voasoratra ato anatin'ity boky ity.

20Hoy Ilay mijoro vavolombelon'ireo zavatra ireo hoe: «Eny, ho avy faingana Aho!»
Amen*! Avia, ry Jesoa Tompo22.20 Ampit 1Kôr 16.22 sy nta.!
21Homba anareo rehetra anie ny fahasoavan'i Jesoa Tompo!



"Eny, avyfaingana Aho" and.
20 Ny fihavian'ny Tompo

1- Tenv fampanantenana
Antso ho amin'ny fitsaharana no ambara eto. Ny fiombonan'ny mpino na ny fiangonana, tahaka ny vady ampakarin'i Kristy, no miantso fitsaharana ka tsy hisy intsony ny ranomaso sy ny fahoriana. I Jesoa Ilay Andriamanitra faka sy taranaka avy amin'i Davida, no kintana mamirapiratra mandrava ny aliña ary hanambara ny maraina vaovao eo amin'ny fiainan'ny mpino. Fanantenana ny amin'ny hoavy any am-parany izany. Fanantenana hahafaka hetaheta ho an'ny fanahin'ireo mpino izany, dia ny hisotro ny onin'ny ranonain'ny fïainana mandrakizay (ampitahao Apo 22.1; Isa55.1-2).

2- Tenv fampitandremana
Tafîditra eo anelanelan'ny fampanantenan'i Kristy ny fampitandremana nataon'i Jaona (andl8-19). Mpanoratra fotsiny ihany anefa i Jaona fa ny Tompo mivantana mihitsy no efa nilaza izany hatry ny ela (Deo 4, 2; Jer 26, 2). Ambara eto ny fahefan'ny faminaniana amin'ny teny koa tsy azo ovana, na analana, na ampiana izany. Mifampiankina tanteraka ny famonjena sy ny fiankinana amin'ny Tenin'Andriamanitra. izay maharitra hatramin'ny farany amin'ny Teny no hovonjena.

Famontaniana :
Nahoana no mampatahotra ny olona ny fïavian'i Kristy?

dimanche 26 novembre 2017

Alahady 26 Novambra 2017 - Zef 3 : 14 - 20

14Mihobia, ry tanànan'i Tsiôna*!
Manaova firavoravoana, ry vahoakan'i Israely!
Mifalia sy mibitaha amin'ny fonareo manontolo,
ry mponin'i Jerosalema!
15Ny TOMPO efa nanaisotra ny fanamelohana
izay nitambesatra taminareo;
Izy efa nampandositra ny fahavalonareo.
Ny TOMPO, mpanjakan'i Israely, no momba anareo
ka tsy hisy loza hatahoranareo intsony.
16Io andro io no hilazana amin'i Jerosalema hoe:
«Aza matahotra, ry tanànan'i Tsiôna,
aza miraviravy tanana!
17Ny TOMPO Andriamanitrao no momba anao;
mahery Izy ka hampandresy anao.
Maneho ny hafaliany noho ny aminao Izy;
ny fitiavany no anavaozany anao3.17 anavaozany anao: araka ny dkt tranainy grika; ny rijan-teny hebreo kosa manao hoe ho sondriana na hoe hangina. ;
noho ny aminao dia mientam-pihobiana Izy
18toy ny amin'ny andro fety.»

Hoy ny TOMPO hoe: «Hofoanako ny fahoriana,
hoesoriko ny henatra mitambesatra aminareo.
19Indro tonga ny fotoana hamelezako
izay rehetra nampahory anareo.
Hotsaboiko ny maratranareo,
hampodîko ny voasesitany;
eny, havadiko ho voninahitra sy laza
ny fanaovana tsinontsinona anareo
tany amin'ny tany rehetra.
20Amin'izany fotoana izany tokoa
no hampodiako sy hamoriako anareo.
Ho hitanareo fa hambiniko indray ianareo;
homeko voninahitra sy laza ianareo
any amin'ny firenena rehetra eto an-tany.»

Ny fitsaran'Andriamanitra hatrany no mameno ny bokin'i Zefania, fa mivadika ho fitahiana sy tsodrano kosa izany manomboka eo amin'ny 3, 11. Ny fihavian'ilay Mesia no kihon-dalana manova izany: Ho avy ny Mesia

1- Hampodv nv fifaliana (and 14-17)
Na dia mitsara sy manasazy aza Andriamanitra, dia aseho kosa fa hifarana sy hitsahatra izany ka ny fahavalo sy ny Ioza hisolo fifaliana lehibe. Mitodika amin'ny firenena voafidy ny fifaliana tahaka ny ao amin'ny Zakaria 9, 11. Hiverina amin'ny laonina ireo fombam-pivavahana samihafa, izay tsy afaka natao fony babo, nefa ioharanon'ny fifaliana sy ny fiderana an'Andriamanitra. Omen' Andriamanitra fahafam-po mihitsy izy ireo, ka faly sy ravoravo amin'i Jehovah (Ampitahao Deo 30,9). Mety mihitsy ny mifaly sy midera an'Andriamanitra amin'izao fitsenana ny fahatongavan'ny noely izao.

2- Handray an-tanana ny vahoakanv (and 18-20)
I Zefania dia niezaka namaly ny fanontaniana hoe miraharaha ny olona ve Andriamanitra? Ambaran'i Jehovah mazava fa : hangoniko, hasiako, hovonjeko, hovoriko, hataoko, hitondrako,... hampodiako. Midika izany fa Izy Andriamanitra mivantana mihitsy no handray an-tanana ny fanarenana indray ny fiainan'ny vahoaka babo. Hitondra fanafahana tanteraka no hahatongavany. Tao amin'i Jesoa Kristy rahateo no fahatanterahan'ny Lio 4,8 fa "hitory fandefasana amin'ny mpifatotra sy ny fampahiratana ny jamba, hanafaka izay nampahoriana"

Fanontaniana :
Inona no anjara fankalazana noely omaninao dieny izao?

samedi 25 novembre 2017

Sabotsy 25 Novambra 2017 - Deo 2 : 26 - 27

26Avy teo an-taniefitra Kedemôta2.26 Io taniefitra io dia eo avaratra andrefan'ny ranon-driaka Arnôna. no nandefasako iraka hankany amin'i Sihôna, mpanjaka tao Hesbôna, ombàn'ny teny fihavanana hoe: 27«Aoka mba hamaky ny taninao izahay; ny lalambe ihany no halehanay ka tsy hivilivily ho amin'ny ankavanana na ho amin'ny ankavia izahay.

Ny vavolombelona miandry ny Tompo dia :

1- Mankato nv baikon'ny Tompo
Tantaran'ny fisantaran'ny Zanak'Isiraely ny fandovana ny tany Kanana, ka nandreseny an'i Sihona mpanjakan'i Hesbona ity hita eto ity. Rehefa avy nivezivezy 38 taona tany an'efitra ny Zanak'Isiracly (and. 14), dia nodidian' Andriamanitra hisantatrany fandovana ny tany Kanana (and.24); saingy nanome baiko koa ny Tompo tsy hikasîhana ny tanin'ny Amonita izay taranak'i Lota (and. 19, 37) ary dia notanterahan'izy ireo antsakany sy andavany izany. Fahendrena teo amin'ny fifandraisana samihafa, na tamin'Andriamanitra na tamin'ny vahoaka, na tamin'ny firenen-kafa no nananan'i Mosesy, Tokana ihany no nibaiko azy dia hoe koa izay miandry ny Tompo dia tsy maintsy mankato ny Teniny.

2- Mahazo fandresena lehibe
Ankoatran"i Hesbona, dia tanàna maro no afaky ny Zanak'Isiraely hatrany Gileada, satria momba azy ireo Andriamanitra. Tsy tahak'ireo ray aman-dreniny izay ambaran'ny Soratra Masina hoe "taramba ratsy fanahy" (Deol, 35), ka nahatonga azy ireny ho ringana tany an'ady (Deol, 44) sy tsy nandova ny tany Kanana (Deo 2.15). Noho izany dia zava-dehibc ny fíandrasana ny Tompo sy ny fahatokiana azy, indrindra manoloana ireo ady samihafa izay atrehantsika kristianina. Antoka fa hampandresy antsika izao teny izao.

Fanontaniana :
Nahoana no mbola maro ny kristianina resy an'ady (adim- piainana, adin-tsaina, adim-panahy)?

vendredi 24 novembre 2017

Zoma 24 Novambra 2017 - Jak 5 : 7 - 11

7Koa mahareta tsara àry, ry havana, mandra-piavin'ny Tompo. Jereo ny mpamboly miandry amim-paharetana izay vokatra sarobidy havoakan'ny tany, ka maharitra mandra-pahazony ny oram-pararano sy ny oran-dohataona5.7 Ampit Deot 11.14; Jl 2.23.. 8Mahareta koa ianareo; aoka ho feno herimpo, fa efa mby akaiky ny fiavian'ny Tompo. 9Aza mifampimonomonona ianareo, ry havana, mba tsy hanamelohan'Andriamanitra anareo. Indro ny mpitsara efa mijoro eo am-baravarana. 10Ry havana, aoka ireo mpaminany* izay niteny tamin'ny anaran'ny Tompo no hataonareo filamatry ny fifandeferana sy faharetana. 11Indro ataontsika hoe sambatra izay manam-paharetana. Efa renareo ny faharetan'i Jôba, ary fantatrareo izay nataon'ny Tompo ho azy tamin'ny farany, satria be fiantra sy be indrafo ny Tompo5.11 Jôba: jereo Jôb 1.20-22; 2.10. –satria... ny Tompo: ampit Sal 103.8..

In'enina miverina eto amin'ity mofonaina ity ny teny iray taríka amin'ny hoe "faharetana". Toetra fototra takina amin'ny mpino eo am-piandrasana ny Tompo izany.

Ny Kristiana maharitra

1- Maharitra amin'ny fanantenana (and.7-8)
Oharina amin'ny fíandrasan'ny mpiasa tany ny ranon'orana ny fiandrasantsika ny fíavian'i Kristy. Ny mpiasa tany dia maharitra miandry amin'ny fanantenana ny ranon'orana, na ho ela na ho haingana izany. Azony antoka mantsy fa tsy maintsy ho avy io, ary izany fanantenana izany no mafy orina ao anatiny. Tahaka izany koa isika kristianina, taomina hampiorina ny finoana amin'ny fanantenana ny fíavian'i Kristy na ho ela na ho haingana izany. Ka samy hampahery ny fony satria ao am-po no hiraketana izany finoana izany (Rom 10.10)

2- Maharitra amin'ny fahoriana (and.9-11)
I Joba eto no ohatra alain-tahaka ny amin'izany fahoriana izany. Izy dia olona tsy nanan-tsiny ary na dia efa tao anaty fahoriana mangidy indrindra aza izy, "dia tsy nanota" (Job 1, 22 /2.10). Koa toetra tokony hanananlsika ny faharetana amin'ny fahoriana, fa misy valiny lehibe izany (and 11). Ny Soratra Masina koa dia miteny hoe "ny faharetana mahatonga fahatsaram-panahy voazaha toetra ary ny fahatsaram-panahy voazaha toetra mahatonga fanantenana" Rom 5.4. Tsarovy fa i Jesoa Kristy koa no efa niharitra hatramin'ny fahoriana mangidy indrindra izay niafara teny amin'ny hazo fïjalîana.

Fanontanìana :


Hatraiza ny fetran'ny fahazakantsika fahoriana?

jeudi 23 novembre 2017

Alakamisy 23 Novambra 2017 - Kol 1 : 21 - 23

21Ianareo koa dia lavitra an'Andriamanitra fahiny sady fahavalony, noho ny ratsy nosaininareo sy nataonareo. 22Fa ankehitriny kosa, noho i Kristy niharan'ny fahafatesana tao amin'ny vatany mety maty, dia namitram-pihavanana taminareo Andriamanitra1.22 namitram-pihavanana taminareo Andriamanitra: misy stf sasany ahitana hoe nampihavanina tamin'Andriamanitra indray ianareo.  mba hahatonga anareo ho masina sady tsy hanan-tsiny amam-pondro eo anatrehany. 23Kanefa tsy maintsy maharitra amin'ny finoana ianareo, ka miorina sy mitombina tsara, ary tsy mety hafindra hiala amin'ny fanantenana vokatry ny Vaovao Mahafaly* efa renareo. Izaho Paoly dia efa tonga mpanompon'izany Vaovao Mahafaly izany, dia ilay notorîna tamin'ny olona rehetra eto ambanin'ny lanitra.

Manoloana ireo fampianaran-diso marobe tany Kolosia izay manohitra sy manda ny maha-Kristy an'i Jesoa, dia miezaka manao fampianaram-pinoana i Paoly Apostoly.

I Kristy no fampihavanana

1- Nandrav antsika ho masina (nnà2l-22)
"lanareo olon-ko azy fahiny sy fahavalo tamin'ny sainareo noho ny fanaovan-dratsy" dia midika fa nisaraka, tapaka, nisintaka ary nankahala an'Andriamanitra noho ny fahotana ny olona. Midika ho fanovana na fanesorana hatramin'ny fakany ny hevitry ny fampihavanana eto. Koa noho ny fahotana dia lavitra an'Andriamanitra ny olombelona, fa noho ny fahafatesan'i Jesoa Kristy teo amin'ny hazo fijaliana kosa dia ovana akaiky Azy isika. Miara-maty Aminy ary miara-hatsangana amin'i Kristy ny mpino, ka manjary masina tahaka Azy (Efe 1.4).

2- Mampaharitra amin'ny finoana (and.23)
Izay resy lahatry ny fampihavanana ataon'i Kristy ihany no manam-pinoana sy maharitra amin'izany. Ny faharetana sy fiorenana ao amin'i Kristy Ilay fanorenana tsara indrindra (1 Kor 3. 11), no kitro ifaharan'ny fitoriana ny Filazantsara maneran-tany sy hanaovan'ny mpino ny asa fanompoana. Vokatra madiodion'ny fiovam-pon'ny mpino, araka izany, ny asa fitoriana fa tsy haitraitra na filàna raharaha tsy akory. Ny fiainan'ny mpino mihitsy no miova ho vaovao (2 Kor 5, 17). ka mibaiko azy amin'ny fitiavan'i Kristy ary mitarika azy ho amin'ny asa tsara samihafa.

Fanontaniana :
Nahoana no misy kristiana tsy mety manao tafika masina?

mercredi 22 novembre 2017

Alarobia 22 Novambra 2017 - Sal 20 : 6 - 9

6Dia hanaovanay fihobiana
ny fandresena ho azonao;
ary hahofahofanay ny faneva
ho voninahitry ny Andriamanitsika.
Eny, hotanterahin'ny TOMPO anie
izay rehetra angatahinao aminy!
7Fantatro izao ankehitriny fa ny TOMPO
manome fandresena ny mpanjaka nohosorany;
avy any an-danitra toeramasiny
no amaliany ny vavaka ataony,
ka ny herin'ny tanany ankavanana
no anolorany fandresena ho azy.
8Ny an'ny sasany, ny kalesiny no itokiany;
ny an'ny hafa, ny soavaliny no iankinany;
ny anay kosa, ny anaran'ny TOMPO Andriamanitray
no hany hery ianteheranay.
9Koa ireny mitolefika sy mianjera,
fa izahay kosa maharitra mijoro.

Mialoha sy aorian'ny ady ataon'ny vahoaka voafídy dia manandratra vavaka izy ireo. Ity Sal 20 ity, ohatra, no fanao alohan'ny ady raha toa ka ny Sal 21 no fisaorana aorian'ny ady. Aseho fa an' Andriamanitra ny ady fa ny mpanjaka dia mpitarika ary ny vahoaka no miaramilany.

Jehovah no Mpamonjy

1- Ho an'izav matokv Azv
Ny famonjena ambara amin'ity toko ity dia fandresena amin'ny ady amin'ny fahavalo. Ny mpanjaka izay misolo tena ny vahoaka manontolo no miantehitra amin'i Jehovah. Ny fahefana rehetra izay misy na ara-piarahamonina na ara-poütika dia samy manaiky fa tsy noho ny tanjaka manokan'ny tena, na noho traikefa an'ady, na ny fahaizana ara-diplómatika no mitondra fadresena, fa ny fahatokiana amin'Andriamanitra irery ihany. Ataon'Andriamanitra miavaka amin'ny manodidina izay matoky Azy. Miantso ny mpitondra rehetra hiantehitra amin'Andriamanitra.

2- Ho an'izay mangataka Aminy
Vavaka no ifampiresahan'ny vahoaka voafídy amin'i Jehovah Mpamonjy. Ny and.9 dia midika koa hoe : "Omeo fandresena ny mpanjaka, ka mamalia anay". Ny fifandraisana tsy tapaka amin'Andriamanitra no antokv nv fandresena. Ilay Mpanjakan'ny mpanjaka no hamaly ka hitondra fandresena tsy ho an'ny mpanjaka ihany fa ho an'ny vahoaka iray manontolo mihitsy. Latsaka an- katerena ny firenentsika, andeha isika hitalaho famonjena amin'Andriamanitra Mpamonjy antsika izay manóme fandresena.

Fanontaniana:
Ahoana ny vavaka efa nasandratrao ho an'ny firenena?

mardi 21 novembre 2017

Talata 21 Novambra 2017 - Lio 21 : 25 - 28

25–Hisy famantarana koa eny amin'ny masoandro sy ny volana ary ny kintana21.25 Ampit Is 13.10; Ezek 32.7; Jl 3.3-4.; ary etỳ an-tany dia ho ory sy ho very hevitra ny firenena noho ny ranomasina hikotrokotroka sy hanonja izaitsizy. 26Hisy olona ho fatin'ny tahotra sy ny fanahiana izay hanjo ny tany tontolo, satria hihozongozona ny herin'ny habakabaka. 27Amin'izay no hahitana ny Zanak'olona* tamy voahodidin-drahona sady ombàn-kery sy voninahitra lehibe21.27 Dan 7.13.. 28Raha vao miantomboka anefa izany zavatra izany, dia mitrakà ianareo ary andrandrao ny lohanareo fa efa antomotra ny fanavotana anareo.

"Ary amin'izany andro izany dia hahita ny Zanak'olona avy eo amin'ny rahona amin-keiy sy voninahitra ¡ehibe izy" and. 2 7

Ny fihavian'ny Zanak'Olona, dia :

1 - Amin'ny famantarana lehibe
Famantarana Iehibe avy any an-danitra no hiseho (and. 11) ary i Matio sy i Marka no manazava kokoa fa ny masoandro hohamaizinina, ny volana tsy hahazava ary ny kintana hiraraka avy any an-danitra. Fanamafísana ny efa voalazan'ny faminaniana tany aloha izany (Isa 13,9-10; Joe2.10), ary hotanteraka araka ny voalazan'ny fahitana ao amin'ny Apo 6,12-13. Fahariana vaovao eo amin'ny tany sy ny lanitra no hiseho amin'ny fíhavian'i Kristy eny amin'ny rahon'ny lanitra. Isika mpino ihany koa dia hiatrika izany fanavaozana lehibe izany.

2 - Amin'ny herv sy voninahitra lehibe
Ny rahona no hisolo ny kalesy fítondran'ny mpanjaka (Sal 104, 3). Maneho ny fanatrehan'Andriamanitra ny vahoakany ny rahona tao amin'ny Testamenta Taloha. Amin-kery sy voninahitra Iehibe no hisehoan'i Kristy manoloana izany rehetra izany, ka ny firenena sy ny fokom-pirenena rehetra ambonin'ny tany na ny mino na tsia dia hiondrika eo anatrehany avokoa (Dan7, 13-14). Hoavy Izy hanavotra ny olony sy hanarina ny tany rava ary hametraka ny fanjakany, satria nv fanjakan'izao tontolo izao dia efa lasan'ny Tompontsika sy ny Kristiny; ary Izy no hanjaka mandrakizay mandrakizay" Apol 1, 15

Fanontaniana:
Nahoana ny olona no matahotra ny fiavian'ny Tompo?

lundi 20 novembre 2017

Alatsinainy 20 Novambra 2017 - Tit 2 : 11 - 15

11Fa Andriamanitra efa naneho ny fahasoavany, izay loharanom-pamonjena ho an'ny olona rehetra. 12Izany fahasoavana izany dia mitaiza antsika handà ny toetra tsy miraharaha an'Andriamanitra sy handà ny filàn'izao tontolo izao*, fa ho velona mahafehy tena sy mandala ny rariny ary tia vavaka mandritra izao fiainana ankehitriny izao. 13Toy izany no tokony hiandrasantsika ny hasambarana antenaintsika sy ny andro hisehoan'ny voninahitr'i Jesoa Kristy*, ilay Andriamanitra lehibe sady Mpamonjy antsika2.13 I Jesoa Kristy, ilay Andriamanitra lehibe sady Mpamonjy antsika: dkt hafa ilay Andriamanitra lehibe sy ny voninahitr'i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika. . 14I Jesoa Kristy dia nanolo-tena ho antsika mba hanavotra antsika ho afaka amin'ny ratsy rehetra ka hahatonga antsika ho vahoaka voadio, natao ho Azy tokoa sy hazoto hanatontosa asa tsara2.14 Ampit Sal 130.8; Ezek 37.23; Eks 19.5; Fifan 14.2; 1Pt 2.9; Ef 2.10..

15Izany lazaina sy ananarana ary andresena lahatra ombàn'ny fahefana rehetra anananao. Aoka tsy hisy olona hanao tsinontsinona anao.

Avoitran'ny Apostoly Paoly amin'ity Epistily ity ny momba ny fahasoavan'Andriamanitra:

1- Handavana nv ratsv rehetra (and. 11-12)
Famonjena ny olona rehetra ny fahasoavan'Andriamanitra. koa aharihary eto ny tsy tokony hatao ka holavina, toy ny toe-panahy tsy araka an' Andriamanitra sy ny filan'izao tontolo izao. Mazava kosa anefa ny tokony hatao, ka harahina dia ny fivelomana araka ny onony sy ny marina ary ny toe-panahy araka an'Andriamanitra. Ny fahatongavan'i Jesoa Kristy hamonjy sy hanadio ny mpanota no tena fahasoavana lehibe indrindra.

2- Hiandrasana ny Voninahitr'i Kristy (and. 13)
Tokana ato amin'ny Testamenta Vaovao sy amin'ny Baiboly manontolo mihitsy ny filazana fa Andriamanitra Lehibe i Jesoa Kristy. Koa ho fitsenana izany Voninahitra lehibe loatra izany no antony namonjena antsika, ka nandrotsahany ny fahasoavany amintsika. Ny mpino no hitsena azy, ka ho lavorary ilay vavaka fanaontsika hoe : "ho longa anie ny Fanjakanao".

3- Marikv nv fanolorantenan'i Kristv (and.14)
 Lafinv roa mazava tsara ny fanoloratenan'i Kristy dia ny fanavotana sy ny fanadiovana. Nv manana antoka ihanv no mahazo ireo fahafahana ireo, koa ny ran'i Jesoa Kristy teo ambony hazo fijaliana irery ihany no antoka lehibe indrindra mahafapo ny fitsaran'Andriamanitra. (Ampitahao Marka 10.45). Raha izany, isika koa andeha, "mba atolotrareo ny tenananareo ho fanatitra velona, masina, sitrak'Andriamanitra" Romana i2.la.

Fanontaniana :
Ahoana ny hevitrao, fahasoavana ve ny fahazoana harena?

dimanche 19 novembre 2017

Alahady 19 Novambra 2017 - Isa 25 : 9 - 12

9Amin'izany andro izany no hilazana hoe:
«Indro ny Andriamanitsika.
Nanantena Azy isika, hany ka novonjeny.
Eny, Izy no TOMPO nantenaintsika,
koa mifalia sy miravoa isika fa novonjeny!
10Fa hipetraka amin'ity tendrombohitra ity
ny tanam-piarovan'ny TOMPO!»

Fa i Môaba kosa hohosihosena eo amin'ny toerany
toy ny fanosihosy mololo ao am-pahitra tondra-drano25.10 Ny amin'i Môaba dia jereo Is 15.1 sy nta..
11Ao izy no hitsiparaka tanana
toy ny fanaon'ny mpilomano;
nefa hampietry ny avonavon'i Môaba ny TOMPO
na dia eo aza ny hamailaky ny tanany.

12Ary ny mandanao mafy sy sarotra iakarana, ry Môaba,
dia efa nazeran'ny TOMPO sy narodany
ka nilamaka an-tany hiafara am-bovoka.

Vao omaly no nahitantsika fa midika fanantenana ny fiandrasana an'i Jehovah. Koa misongadina eto :

Ilay Andriamanitry ny fanantenana,

1- Mitondra famonjena
Any am-pahababoana ny vahoakan'i Joda no ampanantenana fa ho avy ny Mpanjaka hanafaka azy ireo (24, 23). Sary ilazana ireo fahavalo rehetra manodidina ihany i Moaba, koa na dia manana manda sy fiarovana mafy sy avo aza ireny, dia tsy hisv hahajanona eo anatrehan'i Jehovah. Tsy fandresena ho an'ny vahoakan'i Joda fotsiny, araka izany, fa fandresen'Andriamanitra mihitsy. "Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika?"

2- Mitondra fifaliana
Tsy afa-misaraka amin'ny fahazoana Mpanjaka ny fety lehibe ombam-pifaliana (ISam 11,15 ; IMpa 1, 25). Na dia babo aza dia ampanantenana fanasana lehibe ao an- tendrombohitra Ziona: hisotro divay efa niotrika ela, hihinana ny matavy, tsy hisy ranomaso, ho foana ny fahafatesana (and 6-8). Sarin'ilay fiainana mandrakizay ao amin'ny Tompo no ambara eto. Endriky ny fahasoavan' Andriamanitra atolotra ny mpino izay mahatoky sy marina ao aminy ny fifaliana maharitra sy mandrakizay ary santarina dieny ankehitriny. Koa manana fanantenana ary "aoka ho faly sy ho ravoravo amin'ny famonjeny isika".

Fanontaniana:
Inona no fanantenana ampanantenan'Andriamanitra eto?

samedi 18 novembre 2017

Sabotsy 18 Novambra 2017 - Sal 27 : 7 - 14

7TOMPO ô, mba henoy ny feoko
raha miantso vonjy aminao,
ary iantrao aho ka valio.
8«Ndeha ianao, hoy ny foko amiko,
ndeha ianao mitady ny TOMPO.»
Izany indrindra no itodihako aminao.
9Koa aza mihodina amiko Ianao,
aza mandroaka ahy an-katezerana,
fa Ianao no efa namonjy ahy.
Aza arianao aho ary aza ilaozanao,
fa Ianao no Andriamanitra mpamonjy ahy.
10Raha nandao ahy ny ray aman-dreniko,
Ianao kosa, TOMPO ô, no nandray ahy.
11TOMPO ô, asehoy ahy ny lalana soritanao;
noho ny amin'ireo fahavaloko,
dia tariho amin'ny lala-mahitsy aho.
12Aza avela hanaram-po amiko ireo mpandrafy ahy,
fa vavolombelona mandainga no mitsangan-kamely
sy mifofofofo erỳ mba hiampanga ahy.
13Inona ny amiko raha tsy natoky aho
fa hahita ny hatsarampon'ny TOMPO
eto amin'ity tany iainantsika ity?

14Mahandrasa ny TOMPO ianao!
Matanjaha ary mahereza fo;
eny, mahandrasa ny TOMPO!

Niharan'ny fanenjehana ihany koa I Davida, Mpanjaka ary voamarika amin'ny tononkira Salamo izany. Manoloana ny fanenjehana dia :

1- Mitadiava ny tavan'Andriamanitra (and.7-10)
Ny tavan'Andriamaiiitra dia hentitra ilazana ny fanatrehan' Andriamanitra na maneho ihany koa ny maha-Izy Azy an'Andriamanitra. Koa ny fitadiavana ny tavany dia maneho fìombonam-piainana feno amin' ny Tompo. Na ireo sokajin'olona akaiky toy ny ray aman-dreny aza mety dia mety hiala, fa rehefa miombom-piainana Aminy kosa isika dia tsy handao mihitsy na hahafoy akory Izy.

2- Araho ny lalàn'Andriamanitra (and.11-12)
Ny fiverenana amin'ny Tenin'Andriamanitra irery ihany no lalana marina tokony hizoran'ny mpino manoloana ny fanenjehana. Ny Teniny mantsy no amantarana ny sitrapony, ka ampandeferana ny sìtrapon'ny tena. Tsarovy mandrakariva ny manontany sitrapon'Andriamanitra araka ny Soratra Masina rehefa tojo ady sarotra.

3- Manantenà an'Andriamanitra (and.13-14)
Ny fiandrasana an'ì Jehovah hamonjy amin'ny fahavalo (and. 14), dia mifono fanantenana mandrakariva. Alefa mialoha eto ny fanantenana fa hoavy ny Tompo hiantsehatra, ka hamonjy amin'ny tanan'ny fahavalo. Ny fiandrasana ny fiavian'ny Mesia dia fanantenana lehibe ho an'ny mpino fa mitondra famonjena tokoa Izy. Ankehitriny dia mbola amin'ny fanantenana no hiandrasantsika azy ho avy amin'ny Voninahitra lehibe rahatrizay.

Fanontaniana :
Inona no fihetsika ataonao rehefa misy manenjika anao?

vendredi 17 novembre 2017

Zoma 17 Novambra 2017 - Sal 119 : 33 - 40

33TOMPO ô, atoroy ahy ny lalànanao ho sori-dàlako
mba hanarahako azy hatramin'ny farany.
34Ataovy mahira-tsaina aho hanarahako ny lalànanao,
sy hitandremako azy amin'ny foko manontolo.
35Ampizory amin'ny sori-dàlan'ny didinao aho,
satria izany no fahafinaretako.
36Ampirony amin'ny baikonao ny foko
fa tsy amin'ny fitiavan-karena.
37Avilio ny masoko tsy hijery zava-poana;
velomy amin'ny sori-dàlanao aho.
38Tovy amin'ny mpanomponao ny hafatrao
izay nataonao ho an'ny mpanaja Anao.
39Halaviro ahy ny fahafaham-baràka atahorako,
satria tsara ny fitsipikao.
40Indro maniry ny fepetranao aho,
koa velomy ao amin'ny fahamarinanao.

Ny Salamo 119 día maneho ny fankalazan'ny mpino ny Tenin'Andriamanitra. lo Tenin'Andriamanitra io rahateo no maneho ny fifandraisana lalina sy maharitra eo amin'Andriamanitra sy ny mpino. Fifandraisana roa lafy no hita eto amin'ity mofonaina ity, ka misy ny :
1- Anjaran' Andriamanitra
Ny tapany voalohany isaky ny andininy dia mitodika hatrany amin'Andriamanitra. Ambara fa Andriamanitra no Tompon'ny Teny, koa mitodika Aminy ny mpanompony. Samy entina ilazana io Teny io avokoa na didy, na lalána, na lalán'ny didy, na teni-vavolombelona, na fitsipika. Manana anjara amin'ny fifandraisan'ny mpino amin' Andriamanitra ny Soratra Masina. Ny vavaka no ifandraisantsika Aminy fa ny Teniny kosa no itenenany amintsika. Koa omeo anjara toerana lehibe ny Soratra Masina hampitohy hatrany ny fifandraisana.
2- Anjaran'ny olombelona
Ny tapany faharoa isaky ny andininy kosa, dia maneho fahavononana feno avy amin'ny mpino amin'ny fanarahana izay ambaran'ny Soratra Masina. Ny fitozoana hatramin'ny farany amin'ny fankatoavana ny ambaran'ny Soratra Masina no miantoka ny famonjena ho an'ny mpino rahatrizay. Eo am-piandrasana ny fíhavian'ny Tompo dia tarihina isika tsy hamaky na hihaino fotsiny ny Soratra Masina fa ho mpankato izany, satria ndrao hamitaka ny tena hoy ny Jakoba 1.22.
Fanontaniana:
Ny vavaka sa ny Soratra Masina no manan-danja kokoa?

jeudi 16 novembre 2017

Alakamisy 16 Novambra 2017 - I Tes 4 : 13 - 18

13Ry havana, tianay ho fantatrareo ny marina momba ireo efa nodimandry mba tsy halahelovanareo toy ny olona sasany tsy manana fanantenana. 14Inoantsika fa maty i Jesoa ary efa nitsangana ho velona indray; inoantsika toy izany koa fa hoentin'Andriamanitra miaraka amin'i Jesoa ireo olona nodimandry tafaray amin'i Jesoa.

15Koa dia izao no lazainay aminareo araka ny voalazan'ny Tompo taminay: isika velona aina, sisa tavela amin'ny andro hiavian'ny Tompo, dia tsy hialoha an'ireo efa nodimandry tsy akory. 16Hisy baiko hatao antso avo ombàn'ny feon'arkanjely4.16 Ny teny hoe arkanjely dia ilazana anjely ambony laharana kokoa. sy ny feon-trompetran'Andriamanitra, ka ny Tompo mihitsy no hidina avy any an-danitra. Ireo olona maty tafaray amin'i Kristy* no hitsangana ho velona voalohany; 17avy eo, dia hakarina hiaraka amin'ireo ho eny amin'ny rahona koa isika velona aina sisa tavela, mba hitsena ny Tompo eny amin'ny habakabaka; ary dia hiaraka amin'ny Tompo mandrakizay isika4.17 and 15-17: ampit 1Kôr 15.51-52.. 18Koa izany teny izany àry no aoka hifampiononanareo.

Valinteny nasetrin'i Paoly ho an'ireo miroa saina momba ny andro farany sy ny amin'ireo mpino efa nodimandry ity. Nambarany fa tsy tokony halahelo sy hifampionona ny mpino satria :

1- Manahaka an'i Jesoa Kristv
I Jesoa no efa maty sy nitsangana tamin'ny maty ary nasandratr'Andriamanitra. Hanahaka Azy toy izany koa ny mino. I Jesoa mivantana rahateo koa no efa nilaza fa, izay mino Azy dia tsy ho faty mandrakizay. Fototry ny finoana kristianina mihitsy ny fahafatesan'ny Tompo hamonjy ny olona sy ny fitsanganany tamin'ny maty. Fa "raha tsy misy fìtsanganana amin'ny maty, na dia Kristy aza dia tsy natsangana. ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny toriteninay ary foana koa ny finoanareo" IKor 15, 13-14.

2- Ho any amin'ny Tompo mandrakariva
Tsy fanolorana tetiandrom-paminaniana momba ny andrò farany no nataon'i Paoly fa fampaherezana ny mpino. Aseho amin'ny antsipirihany kokoa eto ny momban'ny dia nalehan'i Jesoa araka ny Jaona 14, 1-3, fa handeha hamboatra fitoerana ho an'ny mino. Hotanteraka ny fifalian'ny mino satria tsy manam-pahatamperana intsony ny fiarahana amin'ny Tompo. Tsy hisy intsony fisedrana sy fizahan-toetra samihafa. Ambaran'i Paoly any amin'ny Fil 1, 23 fa "maniry hiala ka ho any amin'i Kristy, satria tsara lavitra izany".

Fanontaniana :
Ahoana no fampaherezana tokony hataon'ny kristianina rehefa hamangy fahoriana?

mercredi 15 novembre 2017

Alarobia 15 Novambra 2017 - Isa 40 : 9 - 11

9Ry vahoakan'i Tsiôna*
nanankinana vaovao mahafaly ô,
miakara eny an-tendrombohitra avo;
ry vahoakan'i Jerosalema
nanankinana vaovao mahafaly ô,
ingao mafy ny feonao ka aza matahotra.
Lazao amin'ireo ao tanànan'i Joda hoe:
«Indro Andriamanitrareo.
10Indro ny Tompo ANDRIANANAHARY tonga amin-kery
sady manana ny fahefana hanjaka.
Ny vahoaka, hoentiny miaraka aminy, no ho karamany
sady eo anoloany ho valin-kasasarany40.10 Toa filazana ireo Jiosy voasesitany tao Babilônia izany. –Momba ny faran'ity and ity, dia jereo 62.11; Apôk 22.12..
11Tahaka ny mpiandry* ondry
miandry ny andian'ondriny Izy
ka manangona ireny amin'ny baikon-tanany;
trotroiny eo an-tratrany ny zanak'ondry
ary roahiny miadana ny ampianahany40.11 Ampit Ezek 34.15; Jôh 10.11..»

Mandra-pihavin'ny Tompo
Hafatra miantefa manokana amin'ny Fiangonana ny hafatra eto. Isika Fiangonana ankehitriny mantsy no tondroina amin'ny hoe Ziona na Jerosalema eto. Miandry ny tiavian'ny Tompo isika kaneta koa mamita iraka mandra-pihaviny. Noho izany:

1- Torio hatranv ny Filazantsaran'i Jesoa Kristy (and 9-10)
Ny Filazantsaran'i Jesoa Kristy maty sy nitsangana tamin'ny maty ka nandresy ny fahafatesana io teny soa mahafaly tsy maintsy toriana sy ambaran'ny Fiangonana io. Esory ny tahotra fa efa nomen'ny Tompo antsika ny fahefana, ary efa nataony eo ambavantsika Fiangonana ny Teniny. Mitsangána hitory izany Vaovao Mahafaly izany manerana ny nosintsika. Ambarao ihany koa ny tsy maintsy hihaviany indray hitsara ny olona rehetra.

2~ Lazao ny maha-mpiandrv Tsara Azy (and 11)
Asongadina eto ny maha-mpiandry tsara an' Andriamanitra. Tanteraka tao amin'i Jesoa tokoa izany (Jao 10).
Tsy zava-mahatahotra ho an'ny mpino ny fíavian'ny Tompo indray. Andró hisehoany amin'ny maha-Mpiandry tsara Azy izany mba hanangonany antsika ondriny ho andiany iray eo ambany fiandrasany. Amin'izay dia hiainantsika amin'ny fahafenoany tokoa izay voalazan'ny Sal 23.

Fanontaniana:
Ahoana no tokony hampiharan'ny Fiangonana io and 9 io eo amin'ny fanaovana tafika Masina?

mardi 14 novembre 2017

Talata 14 Novambra 2017 - Jao 4 : 19 - 26

19Dia hoy ravehivavy taminy:
–Hitako, Tompoko, fa mpaminany* Ianao! 20Ireo razanay Samaritanina dia nivavaka teto amin'ity tendrombohitra ity; fa ianareo Jiosy kosa milaza fa any Jerosalema4.20 Voailika tsy ho anisan'ny ankohonambe jiosy intsony ny Samaritanina ka nanorina tempoly teo amin'ny tendrombohitra Gerizîma, tendrombohitra akaikin'i Sekema renivohitra taloha. –any Jerosalema: ampit Sal 122.1-4. no tsy maintsy ivavahana.

21Fa izao no tenin'i Jesoa taminy:
–Minoa Ahy ianao, ramatoa! Avy ny andro izay tsy hivavahana amin'ny Ray eto amin'ity tendrombohitra ity na any Jerosalema intsony. 22Ianareo Samaritanina* dia mivavaka amin'izay tsy fantatrareo; fa izahay Jiosy kosa mivavaka amin'izay fantatray, satria mipoitra avy amin'ny Jiosy ny famonjena4.22 Ampit Is 2.3; Rm 9.3-4.. 23Kanefa, ho an'ireo tena mpivavaka, dia avy ary efa tonga sahady aza ny andro izay hivavahany amin'ny Ray araka ny fanentanan'ny Fanahy Masina sy araka ny tena fivavahana marina; satria ny mpivavaka aminy araka izany no tadiavin'ny Ray. 24Andriamanitra dia Fanahy, ary ny mpivavaka aminy dia tsy maintsy mivavaka araka ny fanentanan'ny Fanahy Masina sy araka ny tena fivavahana marina.

25Dia hoy ravehivavy tamin'i Jesoa:
–Fantatro fa misy Mesia* anankiray ho avy, dia Ilay atao hoe Kristy*! Ka rehefa tonga Izy, dia hambarany amintsika ny zavatra rehetra.

26I Jesoa kosa nilaza taminy hoe:
–Izaho Izay miresaka aminao no Izy!

I Jesoa izay andrasana
Nitory tamin'ny vehivavy Samaritana iray î Jesoa. Niezaka nandresy lahatra Izy. Nambarany tamin'ity vehivavy ily ny marina. Nampahafantatra i Jesoa fa:

1- Izy no tsy maintsy inoana (and 21)
Maneke Ahy. matokia Ahy. Tarihin'ny Tompo ho amin'izany ity vehivavy miresaka Aminy ity. Ny mahazatra azy mantsy dia ny mivavaka amin'izay andriamanitra tsy fantany. Hitany ankehitriny Ilay Andriamanitra tokony inoana ka dia taomin'ny Tompo izy handray ny fanambaràny. Minoa Ahy hoy i Jesoa. Anio no itaoman'ny Tompo antsika mba hino Azy sy ny fanambaràny . Atsaharo hatreo ny finoanoam-poana. Mampahafantatra ihany koa i Jesoa fa:

2- Andriamanitra irery ihany no ivavahana (and 23)
Ny tena mpivavaka dia izay mivavaka amin' Andriamanitra Rain'i Jesoa Kristy. Lamina efa napetrak'Andriamanitra hatrany amin'ny andron'ny Testamenta Taloha izany. "Aza manana andriamani-kafa fa Izaho ihany" hoy Izy (Eks 20,3). Misafidiana hivavaka amin'Andriamanitra Rain'i Jesoa Kristy ary aoka hivavaka Aminy amin'ny fanahy sy fahamarinana marina tokoa isika mandra-pihavin'ny Tompo. Na iza na iza dia samy antsoin'i Jesoa hivavaka amin'ny Ray amin'ny fanahy sy fahamarinana sy hino Azy ho ny Mpamonjy.

Fanontaniana :
Hatraiza no hanekena ny filazan'ny sasany hoe: Andriamanitra iray ihany no ivavahana?

lundi 13 novembre 2017

Alatsinainy 13 Novambra 2017 - Sal 9 : 7 - 10

7Nifarana hatreo ny amin'ny fahavalonay,
satria rava tanteraka izy;
efa narodanao ireo tanànany,
ka tsy hotsarovana intsony.

HE
8Injay ny TOMPO Izay maharitra mandrakizay:
mametraka ny sezafiandrianana hitsarany Izy,
9ka hitsara izao tontolo izao araka ny rariny
sy hanapaka ny firenena araka ny hitsiny.

VAO
10Ny TOMPO no fialofana ho an'ny ampahorîna,
eny, fialofana amin'ny andro mahory.

Mendrika ny ho andrasana ny Tompo
Isan'ny boky mampahafantatra ny maha-izy azy an'Andriamanitra ny bokin'ny Salamo. Izany rahateo ny mahatonga ny mpanao Salamo hanandratra fiderana an'Andriamanitra. Mendrika ny ho andrasana ny Tompo satria:

1- Mpitsara Izv (and 7-8)
Marina sy mahitsy Andriamanitra. Amin'ny fahamarinana sy ny fahitsiana noho izany no tsy maintsv hitsarany ny firenena rehctra. Izay rehetra miandrandra ny fahamarinana sy ny hitsiny dia maharitra amin'ny fiandrasana ny Tompo. Izy no Mpitsara marina.

2- Mpiaro Izv(and 9)
Ny raharaham-pitsarana rehetra dia ahitana mpitsara sy mpiaro. Tsy hitoetra ho mpitsara antsika fotsiny ny Tompo fa hitsangana ho mpiaro antsika ihany koa Izy. Fialofan'ireo mahantra sy zohim-pahoriana Izy. Izany no mahazava-dehibe ny fiandrasana Azy mba hiaro antsika amin'ny fiampangana sy ny fanamelohan'i Satana (Rom 8, 33-34).

3- Mahatokv Izv (and 10)
Noho ireo maha-izy Azy ireo dia azo itokisana ny Tompo. Miandanv mandrakariva amin'izay mitady sy matoky ny famonjeny tokoa Izy. Andrandrao ny Tompo fa ho avy Izy ilay Mpitsara marina sady Mpiaro azo antoka.

Fanontaniama :
Inona no porofo manambara fa Mpitsara sy Mpiaro tokoa i Jesoa Kristy?

dimanche 12 novembre 2017

Alahady 12 Novambra 2017 - Mika 7 : 7 - 10

7Fa izaho kosa mitodika amin'ny TOMPO
ary manantena an'Andriamanitra mpamonjy ahy,
fa hihaino ahy ilay Andriamanitro.

8Aza mihomehy ny aminay ianareo fahavalonay7.8 Ny mpaminany eto dia miteny amin'ny anaran'ny vahoaka israelita tao Joda (izany no nanovana ny mpisolo anarana ho milaza maro); fa eo amin'ny and 11-13 kosa izy dia miteny amin'ny vahoaka jodeanina. –ry fahavalonay: angamba i Edôma no resahina eto (jereo Hôb 12) na fahavalo amin'ny ankapobeny.!
fa na lavo aza izahay, dia mbola hiarina;
ary na mipetraka ao amin'ny maizina aza izahay,
dia ny TOMPO no fahazavana ho anay.
9Satria efa nanota tamin'ny TOMPO izahay,
dia hozakainay ny fahatezerany,
mandra-piarony ny adinay
ka hanomezany rariny anay.
Hamoaka anay ho eo amin'ny mazava Izy
ka ho finaritra izahay hahita ny soa nataony taminay.
10Hahita izany ny fahavalonay
ka ho rakotry ny henatra,
dia ireo niteny taminay hoe:
«Aiza ihany ny TOMPO Andriamanitrareo?»
Ho finaritra izahay hahita azy ireo,
fa amin'izay dia ho tonga fanosy
toy ny fotaka eny an-dàlana izy.

Miandrasa ny famonjen'ny Tompo

Nahoana tokoa moa isika no miandry ny famonjen' Andriamanitra? Satria:

1- Mihaino ny fitarainan'nv mila voniv Izv (and 7)
Eo amin'ny and 5-6 día ambaran'ny Soratra Masina amintsika fa na dia ny olona mifanakaiky sy mifamato- piainana indrindra aza dia tsy afaka mifampihaino intsony satria tsy misy ny fifampitokisana. Ny olona rahateo dia tsy mahavonjy tena ka izany no tsy maintsy iandrasana ny famonjen'Andriamanitra. Izy no hany afaka ny hiaino ny fitarainan'ny mila vonjy ka antony nanirahany ny Zanany lahitokana hiara-monina amintsika. Miantoraha amin' Andriamanitra amin'ny alalan'i Jcsoa Kristy fa mihaino ny fitarainan'izay rehetra mila vonjy Aminy Izy.

2- Manarina ny lavo Izv (and 8-9)
Lavo noho ny fahotana ny Isiraely. Lasan-kobabo noho izany izy ireo. Ny fahababoana dia toy ny aizina nandrakotra ny fiainan'izy ireo. Tsy mba manao tsindrio fa lavo anefa Andriamanitra na mamela ny aizina handrakotra hatrany ny fiainan'ny olony. Manarina ny lavo sy mandresy ny aizina Izy rehefa miaiky ny maha- mpanota antsika isika ka tsy mihirim-belona amin'ny fahotana (Mar 2.17). Hamarinina maimaim-poana ao amin'i Jesoa Kristy ny mpanota mibebaka ka mitafy toetra sy fiainam-baovao ao Aminy.

Fanontaniana:
Omeo ny toko sy andininy manambara fa i Jesoa no fahazavan'izao tontolo izao?

samedi 11 novembre 2017

Sabotsy 11 Novambra 2017 - Sal 37 : 1 - 8

1 Nataon'i Davida.

ALEFA
Aza tezitra amin'ny mpanao ratsy
ary aza mialona ireo mpanao heloka;
2fa toy ny ahitra ireny ka malaky malazo,
toy ny vilo-maitso ka mbola hihamaina.

BETA
3Matokia ny TOMPO, manaova ny tsara,
dia honina amin'ny tany nomeny ianao
ka hiaina amim-pilaminana azo antoka.
4Aoka ny TOMPO no hiravoanao,
dia homeny anao izay irîn'ny fonao!

GIMELA
5Ankino amin'ny TOMPO ny fiainanao,
ka itokio Izy fa hanao izay mahasoa.
6Ny rariny anananao hasehony
ho toy ny mazavatsinanana;
ny zo tandrify anao haharihariny
ho tahaka ny mitataovovonana.

DALETA
7Aoka hitombina tsara eo anatrehan'ny TOMPO
ka hiandry Azy amim-paharetana ianao!
Aza tezitra amin'izay mahomby,
dia amin'ny olona manao fetsifetsy.

HE
8Ialao ny hatezerana, avelao ny havinirana;
aza misafoaka fa loza no hiafaran'izany.

Vavolombelona miandry ny Tompo

Mahalasa eritreritra ihany ny mahila fa toa ambinina ny ratsy fanahy eto amin'izao fiainana izao. Tsy vitsy ny olona izay miezaka ny mandeha amin'ny fahamarinana no mila ho ketraka eo anatrehan'izany. Ho fampaherezana antsika indrindra ity Salamo ity. Vavolombelona miandry ny Tompo isika ka mijoroa hatrany amin'ny fahamarinana.

1- Andriamanitra hatrany no aoka ho anton'izav hatao rehetra
Tarihin'ny mpanao Salamo isika mba hanao an' Andriamlanitra ho ivon'izay hetsika rehetra ataontsika. Taomina isika hahatoky an'Andriamanitra, hiravoravo Aminy, hanankina ny fiainantsika Aminy, hiandry ny famonjeny. Jesoa sy ny hazofijaliany irery ihany no banjino mba hahafahantsika mifikitra amin'ny fahamarinana sy manao izany eo anivon'izao fiaraha- monina hanjakan'ny ratsy fanahy izao.

2- Hisy valiny tsara nv fijoroana amin'ny fahamarinana
Mandalo ny fahafinaretan'ny ratsy fanahy (and 1-2). ahazo valim-pitia maharitra sy mateza kosa izay sahy mijoro amin'ny fahamarinana noho nv fahatokiana an'Andriamanitra. Honina amin'ny tanin' I  izy (and 3b), henoin'Andriamanitra ny fangatahany (and 4), Andrimanitra no miasa eo amin'ny fiainany (and 5b-6).

Fanontaniana :
Inona avy ireo lesona azo tsoahina eo amin'ny and 7-8?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12