mercredi 29 novembre 2017

Alarobia 29 Novambra 2017 - Amo 4 : 6 - 13

6Izaho mihitsy no efa nahatonga mosary
tao amin'ny tanànanareo rehetra,
ary tsy fahampian-tsakafo
tao amin'ny fonenanareo rehetra;
nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo;
teny hentitra avy amiko TOMPO izany.
7Izaho mihitsy no efa nampihantona ny orana
tsy ho eo aminareo,
raha mbola telo volana mialoha ny fararano.
Ka tamin'ny tanàna anankiray nandatsahako orana,
fa tamin'ny tanàna iray kosa tsy nandatsahako;
ny saha anankiray nilatsahan'ny orana,
fa ny saha iray kosa tsy mba nilatsahany ka maina.
8Nivembena nankao amin'ny tanàna iray
ny mponina tamin'ny tanàna roa na telo
mba hisotro rano tsy nahafa-ketaheta,
nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo;
teny hentitra avy amiko TOMPO izany.
9Nasiako tamin'ny vary main'ny rivotra
sy maty fotsy ianareo;
nofongorako4.9 nofongorako: voambolana heverina ho mitombina; ny RM dia midika hoe mampitombo.  ny zaridainanareo sy ny voalobokareo,
nohanin'ny valala ny aviavinareo sy ny ôlivanareo,
nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo;
teny hentitra avy amiko TOMPO izany.
10Nalefako teo aminareo ny pesta mpamely biby fiompy
tahaka ny pesta nalefako tany Ejipta4.10 Jereo Eks 9.3.;
novonoiko ho faty tamin'ny sabatra ny zatovolahinareo,
sady nobaboina koa ny soavalinareo;
ary nampiakariko hatrany am-bavoronareo
ny hamaimbon'ny faty ao an-tobinareo;
nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo;
teny hentitry ny TOMPO izany.
11Efa natsimbadiko ambony ambany ny tao aminareo
tahaka izay nataoko tamin'i Sôdôma sy Gômôra4.11 Jereo Gen 19.24-25.;
ka ianareo izao dia toy ny tapa-porohana
nosarihina avy ao amin'ny afo
nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo;
teny hentitra avy amiko TOMPO izany.
12Koa dia hisy sazy hataoko aminao, ry Israely;
ary rehefa izany no hataoko aminao,
dia miomàna ianao hihaona amin'Andriamanitrao4.12 miomàna... Andriamanitrao: dkt hafa miomàna ianao hiseho fitsarana eo anatrehan'Andriamanitrao. .»
13Satria tandremo fa Izy no mpamorona ny tendrombohitra
sy mpahary ny rivotra,
Izy no manambara amin'ny olombelona ny fikasany,
mahatonga ny maraina ho haizina
sady mandeha eny am-paratampon'ny tany:
Ny TOMPO Andriamanitr'izao rehetra izao no anarany.

Niala tamin'ny Tompo ny vahoaka, mafy fo. in-5 ny teny hoe "nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo hoy i Jehovah" no hita eto, na dia efa niala nenina tamin'ireo famaizana isan-karazany aza ny Tompo.

1- Andriamanitra mahitsv nv Tompo (and. 12)
Na dia naseho teo amin'Isiraely avokoa aza ny karazana famaizana rehetra : tamin'ny tsy fahampian-kanina, tsy fahampian-drano, vary, areti-mandringana, afo mandoro dia mbola tsy niverina tamin'i Jehovah ihany i Israely. Ambaran'ny Tompo mazava eto fa misy valiny ny tsy fíverenana Aminy. Koa ny hamafin'ny hatoky ny Israely dia tsy maintsy hovalina, satria "satria hanao izany aminao Aho" (and. 12) hoy Izy. Mitaona antsika tsy hanamafy fo izany, ka hiverina amin'Andriamanitra. « Handinintena amin'ireo fampitandremana isan-karazany * efa nataon'ny Tompo ary hiverina Aminy 'ndrao "mba hanenina ny amin'ny loza Izy".

2- Andriamanitra mahefa nv zavatra rehetra ny Tompo (and.13)
Andriamanitra manambara ny Tenany no hita eto, ka miharihary ao amin'ny famoronana sy ny asany indrindra ny Anarany. Andriamanitry ny tontolo no miasa. Izany no tokony hatahorantsika Azy mandrakariva satria Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra Izy. Amin'ny maha-Tsitoha Azy, dia tsy misy azo oharina na ampitahaina Aminy.

Fanontaniana :
Inona no mahatonga ny olona mafy hatoka ka tsy handray fananarana?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12