mardi 28 novembre 2017

Talata 28 Novambra 2017 - Asa 26 : 21 - 23

21Izany no nisamboran'ny Jiosy ahy raha tao an-kianjan'ny tempoly* aho, ary nitadiavany hamonoana ahy. 22Fa niaro ahy Andriamanitra mandraka androany ka mbola intỳ aho eto, mba hijoro ho vavolombelona amin'ny olona rehetra na ny kely na ny lehibe. Izay nambaran'ny mpaminany* sy i Mosesy fa ho avy no hany lazaiko izao: 23hijaly ny Mesia* ary Izy no ho voalohany hisantatra ny fitsanganan'ny maty* ka hitory fahazavana amin'ny vahoaka Israely* sy amin'ny hafa firenena

Mijoro ny mpanara-dia ny Tompo

1- Na dia enjehina aza (and.21)
Vanim-potoana mavaivay tamin'ny fanenjehana ny kristianina no indro i Paoly Apostoly mandahateny eo anatrehan'i Agripa mpanjaka. Manakaiky azy tanteraka ny loza sy ny fahafatesana amin'izany, satria ny hafa aza natao haza lambo, mainka fa ny Apostoly Paoly izay efa eo anatrehan'ny fîtsarana rahateo. Koa manambara ny fanenjehana sy ny físamborana ary ny fihendrena hahafaty azy ity, saingy noho ny fitahian'Andriamanitra no mbola mampijoro azy. Koa n'inona n'inona miseho eo amin'ny fiainantsika kristianina, azo itokiana fa ny fitahian' Andriamanitra no mampaharitra antsika.

2- Mba hanambara an'i Kristv (and.22-23)
Ny voalazan'ny lalàna sy ny mpaminany no votoatin'ny fanambarana, izay tsy iza fa i Jesoa Kristy maty sy nitsangana tamin'ny maty. I Paoly eto dia tsy sasatra manambara an'i Kristy. Tsy mandehandeha ho azy ny fîainantsika. Tsy misy hoe vintana sy anjara ny antony ahavelomantsika fa ho mpitory sy ho mpanambara an'i Kristy amin'ny androntsika rehetra, na ho lava na ho fohy ïzany. Tsy maintsy miainga amin'ny Tenin'Andriamanitra voasoratra ao amin'ny Soratra Masina hatrany anefa izany, mba ho marina ny fanambarana ataontsika.

Fanontaniana :
Efa nanomboka ny "iraka" ve ianao? Raha "Tsia", inona no antony? Raha "Eny". inona no mety hampijanona anao?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12