jeudi 8 avril 2021

Alakamisy 08 Aprily 2021 - Gal 3 : 10 - 14

 10Fa izay rehetra miantehitra amin’ny fanatanterahana ny lalàna dia ianjadian’ny ozona, satria izao no voalazan’ny Soratra Masina: «Voaozona izay rehetra tsy maharitra manatanteraka ny zavatra rehetra voasoratra ao amin’ny bokin’ny lalàna.» 11Miharihary koa fa, raha amin’ny lalàna, dia tsy misy olona eken’Andriamanitra ho marina, satria hoy ny Soratra Masina hoe: «Ny olo-marina noho ny finoana dia ho velona!» 12Ny lalàna kosa dia tsy miantehitra amin’ny finoana fa izao no tenin’ny Soratra Masina: «Izay manatanteraka ny didy amam-pitsipika dia ho velona amin’izany.»

13I Kristy dia nanavotra anay Jiosy ho afaka amin’ny ozona tanisain’ny lalàna; fa nanjary niharan’ny ozona Izy ho famonjena anay satria hoy ny Soratra Masina hoe: «Voaozona izay rehetra mihantona amin’ny hazo!» 14Izany no nihatra tamin’i Kristy dia mba hahatafita amin’ireo hafa firenena tafaray amin’i Kristy Jesoa ny fitahiana efa nampombain’Andriamanitra an’i Abrahama ary koa mba handraisantsika roa tonta, amin’ny alalan’ny finoana, ilay Fanahy Masina nampanantenain’Andriamanitra antsika!

mardi 6 avril 2021

Talata 06 Aprily 2021 - Jao 21 : 9 - 14

 9Rehefa tafakatra teo an-tanety izy fito lahy, dia nahita afon’arina teo sy trondro teo amboniny ary mofo. 10Ka hoy i Jesoa taminy:

–Itondray trondro amin’ireo vao azonareo teo.

11Dia niakatra tao an-tsambokely i Simôna Petera, ka nisarika ho eo an-tanety ny harato feno trondro vaventy 153; kanefa na dia betsaka tahaka izany aza ny trondro, dia tsy triatra ny harato. 12Ary hoy i Jesoa tamin’izy fito lahy:

–Avia hisakafo!

Ny mpianatra izany tsy nisy na iray aza sahy nanontany Azy hoe: «Iza moa Ianao?», satria fantany ihany fa ny Tompo io. 13Ary nanatona i Jesoa dia nandray ny mofo ka natolony azy ireo; ary nataony toy izany koa ny trondro.

14Izany no fisehoan’i Jesoa fanintelony tamin’ny mpianany, fony Izy tafatsangana velona avy any amin’ny maty.

lundi 5 avril 2021

Alatsinainy 05 Aprily 2021 - Eks 14 : 5 - 14

  5Rehefa nambara tamin’ny mpanjakan’i Ejipta sy ny tandapany fa efa mandositra ny Israelita, dia niova hevitra ny momba azy ireo ny Farao sy ny mpanompony ka niteny hoe: «Inona ity nataontsika? Nahoana no nalefantsika hiala tamin’ny fanompoana antsika ny Israelita?» 6Dia nasain’ny Farao noziogaina tamin’ny kalesy ny soavaliny, ary nentiny nanaraka azy koa ny tafiny. 7Nindaosiny avokoa ny kalesin’i Ejipta, ka isan’izany ny kalesy voafantina eninjato miaraka amin’ny mpitaingina azy tsirairay avy. 8Ary ny TOMPO dia nanamafy fo ny Farao, mpanjakan’i Ejipta, mba hanenjika ny Israelita izay niala tany Ejipta tamin-kalalahana. 9Ny tafika ejiptianina niaraka amin’ny soavaliny rehetra sy ny kalesiny rehetra ary ny mpitaingina azy dia nanenjika ny Israelita, ka nahatratra azy teo akaikin’i Pi-Hahirôta, mifanatrika amin’i Bahala-Tsefôna, izay nitobiany teo akaikin’ny ranomasina.

10Natopin’ny Israelita ny masony ka indreny ny Ejiptianina tamy manenjika azy, ary ny Farao dia efa mby akaiky. Raiki-tahotra loatra ny Israelita ka niantsoantso ny TOMPO 11sady niteny tamin’i Mosesy hoe:

–Moa tsy nisy fasana ve tany Ejipta no nentinao ho faty atỳ an-taniefitra izahay? Izao ve no namoahanao anay hiala tany Ejipta? 12Moa tsy izao zavatra izao ve no efa nilazanay taminao tany Ejipta hoe: «Avelao hilamina izahay hanompo ny Ejiptianina. Fa aleonay manompo ny Ejiptianina toy izay ho faty any an-taniefitra».

13Fa namaly azy i Mosesy hoe:

–Aza matahotra ianareo! Mahandrasa, fa ho hitanareo anio ny famonjena hataon’ny TOMPO aminareo! Satria ny Ejiptianina izay hitanareo androany dia tsy ho hitanareo intsony na oviana na oviana. 14Ny TOMPO no hiady ho anareo, fa ianareo kosa hangina fotsiny.

dimanche 4 avril 2021

Alahady 04 Aprily 2021 - Mat 28 : 1 - 10

 1Taorian’ny sabata, raha vao nazava ratsy ny andro alahady, dia lasa nizaha ny fasana i Maria ilay avy any Magdalà sy i Maria anankiray hafa. 2Ary injay nisy horohorontany mahery vaika, fa nisy anjelin’ny Tompo nidina avy tany an-danitra tonga nanakodia ny vato hidim-pasana ary nipetraka teo amboniny. 3Namiratra tahaka ny tselatra ny tarehiny ary fotsy tahaka ny oram-panala ny fitafiany. 4Azon’ny tahotra ireo mpiambina raha nahita azy ka nivadi-po ary nody maty. 5Dia niteny tamin’ireto vehivavy ilay anjely nanao hoe:

–Aoka tsy hatahotra ianareo! Fantatro fa i Jesoa, Ilay nohomboana tamin’ny hazofijaliana, no tadiavinareo. 6Tsy ato Izy, satria efa nitsangana velona araka ny voalazany. Avia ka jereo ny toerana nametrahana Azy. 7Ndeha haingana lazao amin’ny mpianany hoe: «Efa nitsangana velona avy tany amin’ny maty Izy, ary indro mialoha anareo any Galilea, ka any no hahitanareo Azy.» Izany àry, fa efa nilazako ianareo.

8Dia niala haingana tao am-pasana ireo vehivavy, sady natahotra no faly tokoa, ary nihazakazaka hampandre ny mpianatr’i Jesoa. 9Tampotampoka eo dia nifanatrika tamin’ireto vehivavy i Jesoa ary niteny taminy hoe:

–Ho ao aminareo anie ny fiadanana!

Dia nanatona an’i Jesoa ireto vehivavy ka namihina ny tongony sady nitsaoka Azy. 10Tamin’izay dia hoy i Jesoa taminy:

–Aoka izay ny tahotra! Ndeha ampandreneso ireo mpianatro izay rahalahiko, ary asaovy mankany Galilea fa any no hahitany Ahy.

samedi 3 avril 2021

Sabotsy 03 Aprily 2021 - Heb 9 : 11 - 14

 11Fa tonga kosa i Kristy ho Mpisorombe ny amin’ny zava-tsoa efa tanteraka ankehitriny. I Kristy dia namakivaky tranolay lehibe lavitra sady tsara lavitra, izay tsy nataon’olombelona ka tsy mba isan’izao zavaboaary izao. 12Indray mandeha monja no nidirany tao amin’ny Toeramasina Indrindra, dia ampy; ary tsy mba ran’osilahy na ran-janakomby no nentiny hatolotra, fa ny ra nafoin’ny tenany no nentiny hatolotra ka nahazoany fanavotana mandrakizay ho antsika. 13Na dia ny ran’osilahy sy ny ran’ombilahy ary ny lavenom-bantotr’ombivavy nodorana aza, rehefa afafy amin’ny olona voaloto, dia manadio azy ho afaka amin’ny fahalotoana ivelany; 14vao mainka ny ran’i Kristy no hanadio ny fieritreretantsika; fa tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina Izay velona mandrakizay no nanoloran’i Kristy ny tenany ho sorona tsy manan-tsiny ho an’Andriamanitra; ka ny rany dia manadio ny fieritreretantsika ho afaka amin’ireo asa mitondra fahafatesana, mba hanompoantsika an’ilay Andriamanitra velona.

vendredi 2 avril 2021

Zoma 02 Aprily 2021 - Mat 27 : 45 - 56

 45Hatramin’ny mitataovovonana dia nanomboka rakotra haizina ny faritany manontolo, ka naharitra hatramin’ny telo tolakandro izany. 46Ary tamin’ny telo tolakandro teo ho eo i Jesoa dia niantso tamin’ny feo mahery nanao hoe:

–Ely, Ely, lamà sabaktàny? (izany hoe: «Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia nilaozanao Aho?»)

47Ny sasany tamin’ireo olona nijanona teo, raha nandre izany, dia niteny hoe:

–Miantso an’i Elià ny anao!

48Niaraka tamin’izay dia nihazakazaka ny anankiray tamin-dry zareo naka spaonjy; dia novontosany vinaingitra ilay spaonjy ary notohiziny volotara ka natohony an’i Jesoa mba hotsentsefiny. 49Fa ny sasany kosa nanao hoe:

–Avelao hoe hojerentsika raha ho avy hamonjy Azy tokoa i Elià!

50Fa niantso tamin’ny feo mahery indray i Jesoa, dia niala aina.

51Ary indro ny efitra lamba tao amin’ny Toeramasina fa nitriatra nizara roa hatrany ambony ka hatrany ambany. Dia nihorohoro ny tany; nitresaka ny vatolampy; 52ary nisokatra ny fasana ka maro ny olona anisan’ny vahoakan’Andriamanitra efa nodimandry no velona indray. 53Dia niala tao am-pasana ireo olona ireo rehefa nitsangana velona i Jesoa ary niditra tao Jerosalema tanàna masina izy ireo, ka niseho tamin’olona maro.

54Ary ilay kapiteny sy ireo miaramila niambina an’i Jesoa niaraka taminy kosa, raha vao nahita ny horohorontany sy ny zava-nitranga, dia raiki-tahotra mafy sady loa-bolana hoe:

–Tena Zanak’Andriamanitra tokoa io Lehilahy io!

55Nisy vehivavy maro koa teo, nitazana avy teny lavidavitra teny: dia ireo niaraka tamin’i Jesoa hatrany Galilea ka nanampy Azy. 56Anisan’ireo i Maria avy any Magdalà, sy i Maria renin-dry i Jakôba sy i Jôsefa mirahalahy, ary ny vadin’i Zebedeo.

jeudi 1 avril 2021

Alakamisy 01 Aprily 2021 - Mat 26 : 36 - 46

 36Tamin’izay i Jesoa mbamin’ireo mpianany dia tonga tao amin’ny saha anankiray atao hoe Getsemane; ka hoy i Jesoa tamin’ny mpianany:

–Mipetraha eto ianareo, fa mbola hankeroa hivavaka Aho!

37Nentin’i Jesoa niaraka taminy kosa i Petera mbamin’izy roa lahy zanak’i Zebedeo. Dia nanomboka nozoim-pahoriana sy feno tebiteby fatratra i Jesoa, 38ary dia niteny tamin’izy telo lahy hoe:

–Ory dia ory ny fanahiko, ka hila hahafaty Ahy. Mijanòna eto ianareo ary miaraha miari-tory amiko!

39Dia nandroso kely i Jesoa, ary niankohoka tamin’ny tany ka nivavaka hoe:

–Raiko ô, raha azo atao, esory lavitra Ahy izao fijaliana izao; kanefa tsy hoe araka izay sitrapoko, fa araka izay sitraponao!

40Dia niverina nankeo amin’ny mpianany telo lahy i Jesoa ary nahita azy natory; ka hoy Izy tamin’i Petera:

–Hay tsy nahari-tory miaraka amiko adiny iray akory ianareo? 41Miareta tory ary mivavaha mba tsy ho azon’ny fakampanahy. Marisika ihany ny fanahin’ny olona, fa ny nofo no malemy!

42Dia nihataka fanindroany i Jesoa ary nivavaka hoe:

–Raiko ô, raha tsy azo esorina izao fijaliana izao fa tsy maintsy hiaretako, dia aoka ny sitraponao no hatao!

43Nony niverina nankeo amin’izy telo lahy indray i Jesoa, dia mbola nahita azy natory; fa efa navesatra ny masony. 44Dia nandao azy telo lahy i Jesoa ary nihataka indray; dia nivavaka fanintelony ka ny teniny teo ihany no nataony. 45Ary niverina Izy nankeo amin’ny mpianany telo lahy, ka nanao taminy hoe:

–Mbola matory sy miala sasatra ihany ve ianareo? Indro efa akaiky ny fotoanandro, ary efa hatolotra eo am-pelatanan’ny mpanota ny Zanak’olona! 46Mitsangàna, andao isika handeha! Indro efa akaiky ilay hanolotra Ahy!

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12