jeudi 1 avril 2021

Alakamisy 01 Aprily 2021 - Mat 26 : 36 - 46

 36Tamin’izay i Jesoa mbamin’ireo mpianany dia tonga tao amin’ny saha anankiray atao hoe Getsemane; ka hoy i Jesoa tamin’ny mpianany:

–Mipetraha eto ianareo, fa mbola hankeroa hivavaka Aho!

37Nentin’i Jesoa niaraka taminy kosa i Petera mbamin’izy roa lahy zanak’i Zebedeo. Dia nanomboka nozoim-pahoriana sy feno tebiteby fatratra i Jesoa, 38ary dia niteny tamin’izy telo lahy hoe:

–Ory dia ory ny fanahiko, ka hila hahafaty Ahy. Mijanòna eto ianareo ary miaraha miari-tory amiko!

39Dia nandroso kely i Jesoa, ary niankohoka tamin’ny tany ka nivavaka hoe:

–Raiko ô, raha azo atao, esory lavitra Ahy izao fijaliana izao; kanefa tsy hoe araka izay sitrapoko, fa araka izay sitraponao!

40Dia niverina nankeo amin’ny mpianany telo lahy i Jesoa ary nahita azy natory; ka hoy Izy tamin’i Petera:

–Hay tsy nahari-tory miaraka amiko adiny iray akory ianareo? 41Miareta tory ary mivavaha mba tsy ho azon’ny fakampanahy. Marisika ihany ny fanahin’ny olona, fa ny nofo no malemy!

42Dia nihataka fanindroany i Jesoa ary nivavaka hoe:

–Raiko ô, raha tsy azo esorina izao fijaliana izao fa tsy maintsy hiaretako, dia aoka ny sitraponao no hatao!

43Nony niverina nankeo amin’izy telo lahy indray i Jesoa, dia mbola nahita azy natory; fa efa navesatra ny masony. 44Dia nandao azy telo lahy i Jesoa ary nihataka indray; dia nivavaka fanintelony ka ny teniny teo ihany no nataony. 45Ary niverina Izy nankeo amin’ny mpianany telo lahy, ka nanao taminy hoe:

–Mbola matory sy miala sasatra ihany ve ianareo? Indro efa akaiky ny fotoanandro, ary efa hatolotra eo am-pelatanan’ny mpanota ny Zanak’olona! 46Mitsangàna, andao isika handeha! Indro efa akaiky ilay hanolotra Ahy!

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12