5Rehefa nambara tamin’ny mpanjakan’i Ejipta sy ny tandapany fa efa mandositra ny Israelita, dia niova hevitra ny momba azy ireo ny Farao sy ny mpanompony ka niteny hoe: «Inona ity nataontsika? Nahoana no nalefantsika hiala tamin’ny fanompoana antsika ny Israelita?» 6Dia nasain’ny Farao noziogaina tamin’ny kalesy ny soavaliny, ary nentiny nanaraka azy koa ny tafiny. 7Nindaosiny avokoa ny kalesin’i Ejipta, ka isan’izany ny kalesy voafantina eninjato miaraka amin’ny mpitaingina azy tsirairay avy. 8Ary ny TOMPO dia nanamafy fo ny Farao, mpanjakan’i Ejipta, mba hanenjika ny Israelita izay niala tany Ejipta tamin-kalalahana. 9Ny tafika ejiptianina niaraka amin’ny soavaliny rehetra sy ny kalesiny rehetra ary ny mpitaingina azy dia nanenjika ny Israelita, ka nahatratra azy teo akaikin’i Pi-Hahirôta, mifanatrika amin’i Bahala-Tsefôna, izay nitobiany teo akaikin’ny ranomasina.
10Natopin’ny Israelita ny masony ka indreny ny Ejiptianina tamy manenjika azy, ary ny Farao dia efa mby akaiky. Raiki-tahotra loatra ny Israelita ka niantsoantso ny TOMPO 11sady niteny tamin’i Mosesy hoe:
–Moa tsy nisy fasana ve tany Ejipta no nentinao ho faty atỳ an-taniefitra izahay? Izao ve no namoahanao anay hiala tany Ejipta? 12Moa tsy izao zavatra izao ve no efa nilazanay taminao tany Ejipta hoe: «Avelao hilamina izahay hanompo ny Ejiptianina. Fa aleonay manompo ny Ejiptianina toy izay ho faty any an-taniefitra».
13Fa namaly azy i Mosesy hoe:
–Aza matahotra ianareo! Mahandrasa, fa ho hitanareo anio ny famonjena hataon’ny TOMPO aminareo! Satria ny Ejiptianina izay hitanareo androany dia tsy ho hitanareo intsony na oviana na oviana. 14Ny TOMPO no hiady ho anareo, fa ianareo kosa hangina fotsiny.