dimanche 4 avril 2021

Alahady 04 Aprily 2021 - Mat 28 : 1 - 10

 1Taorian’ny sabata, raha vao nazava ratsy ny andro alahady, dia lasa nizaha ny fasana i Maria ilay avy any Magdalà sy i Maria anankiray hafa. 2Ary injay nisy horohorontany mahery vaika, fa nisy anjelin’ny Tompo nidina avy tany an-danitra tonga nanakodia ny vato hidim-pasana ary nipetraka teo amboniny. 3Namiratra tahaka ny tselatra ny tarehiny ary fotsy tahaka ny oram-panala ny fitafiany. 4Azon’ny tahotra ireo mpiambina raha nahita azy ka nivadi-po ary nody maty. 5Dia niteny tamin’ireto vehivavy ilay anjely nanao hoe:

–Aoka tsy hatahotra ianareo! Fantatro fa i Jesoa, Ilay nohomboana tamin’ny hazofijaliana, no tadiavinareo. 6Tsy ato Izy, satria efa nitsangana velona araka ny voalazany. Avia ka jereo ny toerana nametrahana Azy. 7Ndeha haingana lazao amin’ny mpianany hoe: «Efa nitsangana velona avy tany amin’ny maty Izy, ary indro mialoha anareo any Galilea, ka any no hahitanareo Azy.» Izany àry, fa efa nilazako ianareo.

8Dia niala haingana tao am-pasana ireo vehivavy, sady natahotra no faly tokoa, ary nihazakazaka hampandre ny mpianatr’i Jesoa. 9Tampotampoka eo dia nifanatrika tamin’ireto vehivavy i Jesoa ary niteny taminy hoe:

–Ho ao aminareo anie ny fiadanana!

Dia nanatona an’i Jesoa ireto vehivavy ka namihina ny tongony sady nitsaoka Azy. 10Tamin’izay dia hoy i Jesoa taminy:

–Aoka izay ny tahotra! Ndeha ampandreneso ireo mpianatro izay rahalahiko, ary asaovy mankany Galilea fa any no hahitany Ahy.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12