vendredi 2 avril 2021

Zoma 02 Aprily 2021 - Mat 27 : 45 - 56

 45Hatramin’ny mitataovovonana dia nanomboka rakotra haizina ny faritany manontolo, ka naharitra hatramin’ny telo tolakandro izany. 46Ary tamin’ny telo tolakandro teo ho eo i Jesoa dia niantso tamin’ny feo mahery nanao hoe:

–Ely, Ely, lamà sabaktàny? (izany hoe: «Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia nilaozanao Aho?»)

47Ny sasany tamin’ireo olona nijanona teo, raha nandre izany, dia niteny hoe:

–Miantso an’i Elià ny anao!

48Niaraka tamin’izay dia nihazakazaka ny anankiray tamin-dry zareo naka spaonjy; dia novontosany vinaingitra ilay spaonjy ary notohiziny volotara ka natohony an’i Jesoa mba hotsentsefiny. 49Fa ny sasany kosa nanao hoe:

–Avelao hoe hojerentsika raha ho avy hamonjy Azy tokoa i Elià!

50Fa niantso tamin’ny feo mahery indray i Jesoa, dia niala aina.

51Ary indro ny efitra lamba tao amin’ny Toeramasina fa nitriatra nizara roa hatrany ambony ka hatrany ambany. Dia nihorohoro ny tany; nitresaka ny vatolampy; 52ary nisokatra ny fasana ka maro ny olona anisan’ny vahoakan’Andriamanitra efa nodimandry no velona indray. 53Dia niala tao am-pasana ireo olona ireo rehefa nitsangana velona i Jesoa ary niditra tao Jerosalema tanàna masina izy ireo, ka niseho tamin’olona maro.

54Ary ilay kapiteny sy ireo miaramila niambina an’i Jesoa niaraka taminy kosa, raha vao nahita ny horohorontany sy ny zava-nitranga, dia raiki-tahotra mafy sady loa-bolana hoe:

–Tena Zanak’Andriamanitra tokoa io Lehilahy io!

55Nisy vehivavy maro koa teo, nitazana avy teny lavidavitra teny: dia ireo niaraka tamin’i Jesoa hatrany Galilea ka nanampy Azy. 56Anisan’ireo i Maria avy any Magdalà, sy i Maria renin-dry i Jakôba sy i Jôsefa mirahalahy, ary ny vadin’i Zebedeo.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12