dimanche 26 novembre 2017

Alahady 26 Novambra 2017 - Zef 3 : 14 - 20

14Mihobia, ry tanànan'i Tsiôna*!
Manaova firavoravoana, ry vahoakan'i Israely!
Mifalia sy mibitaha amin'ny fonareo manontolo,
ry mponin'i Jerosalema!
15Ny TOMPO efa nanaisotra ny fanamelohana
izay nitambesatra taminareo;
Izy efa nampandositra ny fahavalonareo.
Ny TOMPO, mpanjakan'i Israely, no momba anareo
ka tsy hisy loza hatahoranareo intsony.
16Io andro io no hilazana amin'i Jerosalema hoe:
«Aza matahotra, ry tanànan'i Tsiôna,
aza miraviravy tanana!
17Ny TOMPO Andriamanitrao no momba anao;
mahery Izy ka hampandresy anao.
Maneho ny hafaliany noho ny aminao Izy;
ny fitiavany no anavaozany anao3.17 anavaozany anao: araka ny dkt tranainy grika; ny rijan-teny hebreo kosa manao hoe ho sondriana na hoe hangina. ;
noho ny aminao dia mientam-pihobiana Izy
18toy ny amin'ny andro fety.»

Hoy ny TOMPO hoe: «Hofoanako ny fahoriana,
hoesoriko ny henatra mitambesatra aminareo.
19Indro tonga ny fotoana hamelezako
izay rehetra nampahory anareo.
Hotsaboiko ny maratranareo,
hampodîko ny voasesitany;
eny, havadiko ho voninahitra sy laza
ny fanaovana tsinontsinona anareo
tany amin'ny tany rehetra.
20Amin'izany fotoana izany tokoa
no hampodiako sy hamoriako anareo.
Ho hitanareo fa hambiniko indray ianareo;
homeko voninahitra sy laza ianareo
any amin'ny firenena rehetra eto an-tany.»

Ny fitsaran'Andriamanitra hatrany no mameno ny bokin'i Zefania, fa mivadika ho fitahiana sy tsodrano kosa izany manomboka eo amin'ny 3, 11. Ny fihavian'ilay Mesia no kihon-dalana manova izany: Ho avy ny Mesia

1- Hampodv nv fifaliana (and 14-17)
Na dia mitsara sy manasazy aza Andriamanitra, dia aseho kosa fa hifarana sy hitsahatra izany ka ny fahavalo sy ny Ioza hisolo fifaliana lehibe. Mitodika amin'ny firenena voafidy ny fifaliana tahaka ny ao amin'ny Zakaria 9, 11. Hiverina amin'ny laonina ireo fombam-pivavahana samihafa, izay tsy afaka natao fony babo, nefa ioharanon'ny fifaliana sy ny fiderana an'Andriamanitra. Omen' Andriamanitra fahafam-po mihitsy izy ireo, ka faly sy ravoravo amin'i Jehovah (Ampitahao Deo 30,9). Mety mihitsy ny mifaly sy midera an'Andriamanitra amin'izao fitsenana ny fahatongavan'ny noely izao.

2- Handray an-tanana ny vahoakanv (and 18-20)
I Zefania dia niezaka namaly ny fanontaniana hoe miraharaha ny olona ve Andriamanitra? Ambaran'i Jehovah mazava fa : hangoniko, hasiako, hovonjeko, hovoriko, hataoko, hitondrako,... hampodiako. Midika izany fa Izy Andriamanitra mivantana mihitsy no handray an-tanana ny fanarenana indray ny fiainan'ny vahoaka babo. Hitondra fanafahana tanteraka no hahatongavany. Tao amin'i Jesoa Kristy rahateo no fahatanterahan'ny Lio 4,8 fa "hitory fandefasana amin'ny mpifatotra sy ny fampahiratana ny jamba, hanafaka izay nampahoriana"

Fanontaniana :
Inona no anjara fankalazana noely omaninao dieny izao?

samedi 25 novembre 2017

Sabotsy 25 Novambra 2017 - Deo 2 : 26 - 27

26Avy teo an-taniefitra Kedemôta2.26 Io taniefitra io dia eo avaratra andrefan'ny ranon-driaka Arnôna. no nandefasako iraka hankany amin'i Sihôna, mpanjaka tao Hesbôna, ombàn'ny teny fihavanana hoe: 27«Aoka mba hamaky ny taninao izahay; ny lalambe ihany no halehanay ka tsy hivilivily ho amin'ny ankavanana na ho amin'ny ankavia izahay.

Ny vavolombelona miandry ny Tompo dia :

1- Mankato nv baikon'ny Tompo
Tantaran'ny fisantaran'ny Zanak'Isiraely ny fandovana ny tany Kanana, ka nandreseny an'i Sihona mpanjakan'i Hesbona ity hita eto ity. Rehefa avy nivezivezy 38 taona tany an'efitra ny Zanak'Isiracly (and. 14), dia nodidian' Andriamanitra hisantatrany fandovana ny tany Kanana (and.24); saingy nanome baiko koa ny Tompo tsy hikasîhana ny tanin'ny Amonita izay taranak'i Lota (and. 19, 37) ary dia notanterahan'izy ireo antsakany sy andavany izany. Fahendrena teo amin'ny fifandraisana samihafa, na tamin'Andriamanitra na tamin'ny vahoaka, na tamin'ny firenen-kafa no nananan'i Mosesy, Tokana ihany no nibaiko azy dia hoe koa izay miandry ny Tompo dia tsy maintsy mankato ny Teniny.

2- Mahazo fandresena lehibe
Ankoatran"i Hesbona, dia tanàna maro no afaky ny Zanak'Isiraely hatrany Gileada, satria momba azy ireo Andriamanitra. Tsy tahak'ireo ray aman-dreniny izay ambaran'ny Soratra Masina hoe "taramba ratsy fanahy" (Deol, 35), ka nahatonga azy ireny ho ringana tany an'ady (Deol, 44) sy tsy nandova ny tany Kanana (Deo 2.15). Noho izany dia zava-dehibc ny fíandrasana ny Tompo sy ny fahatokiana azy, indrindra manoloana ireo ady samihafa izay atrehantsika kristianina. Antoka fa hampandresy antsika izao teny izao.

Fanontaniana :
Nahoana no mbola maro ny kristianina resy an'ady (adim- piainana, adin-tsaina, adim-panahy)?

vendredi 24 novembre 2017

Zoma 24 Novambra 2017 - Jak 5 : 7 - 11

7Koa mahareta tsara àry, ry havana, mandra-piavin'ny Tompo. Jereo ny mpamboly miandry amim-paharetana izay vokatra sarobidy havoakan'ny tany, ka maharitra mandra-pahazony ny oram-pararano sy ny oran-dohataona5.7 Ampit Deot 11.14; Jl 2.23.. 8Mahareta koa ianareo; aoka ho feno herimpo, fa efa mby akaiky ny fiavian'ny Tompo. 9Aza mifampimonomonona ianareo, ry havana, mba tsy hanamelohan'Andriamanitra anareo. Indro ny mpitsara efa mijoro eo am-baravarana. 10Ry havana, aoka ireo mpaminany* izay niteny tamin'ny anaran'ny Tompo no hataonareo filamatry ny fifandeferana sy faharetana. 11Indro ataontsika hoe sambatra izay manam-paharetana. Efa renareo ny faharetan'i Jôba, ary fantatrareo izay nataon'ny Tompo ho azy tamin'ny farany, satria be fiantra sy be indrafo ny Tompo5.11 Jôba: jereo Jôb 1.20-22; 2.10. –satria... ny Tompo: ampit Sal 103.8..

In'enina miverina eto amin'ity mofonaina ity ny teny iray taríka amin'ny hoe "faharetana". Toetra fototra takina amin'ny mpino eo am-piandrasana ny Tompo izany.

Ny Kristiana maharitra

1- Maharitra amin'ny fanantenana (and.7-8)
Oharina amin'ny fíandrasan'ny mpiasa tany ny ranon'orana ny fiandrasantsika ny fíavian'i Kristy. Ny mpiasa tany dia maharitra miandry amin'ny fanantenana ny ranon'orana, na ho ela na ho haingana izany. Azony antoka mantsy fa tsy maintsy ho avy io, ary izany fanantenana izany no mafy orina ao anatiny. Tahaka izany koa isika kristianina, taomina hampiorina ny finoana amin'ny fanantenana ny fíavian'i Kristy na ho ela na ho haingana izany. Ka samy hampahery ny fony satria ao am-po no hiraketana izany finoana izany (Rom 10.10)

2- Maharitra amin'ny fahoriana (and.9-11)
I Joba eto no ohatra alain-tahaka ny amin'izany fahoriana izany. Izy dia olona tsy nanan-tsiny ary na dia efa tao anaty fahoriana mangidy indrindra aza izy, "dia tsy nanota" (Job 1, 22 /2.10). Koa toetra tokony hanananlsika ny faharetana amin'ny fahoriana, fa misy valiny lehibe izany (and 11). Ny Soratra Masina koa dia miteny hoe "ny faharetana mahatonga fahatsaram-panahy voazaha toetra ary ny fahatsaram-panahy voazaha toetra mahatonga fanantenana" Rom 5.4. Tsarovy fa i Jesoa Kristy koa no efa niharitra hatramin'ny fahoriana mangidy indrindra izay niafara teny amin'ny hazo fïjalîana.

Fanontanìana :


Hatraiza ny fetran'ny fahazakantsika fahoriana?

jeudi 23 novembre 2017

Alakamisy 23 Novambra 2017 - Kol 1 : 21 - 23

21Ianareo koa dia lavitra an'Andriamanitra fahiny sady fahavalony, noho ny ratsy nosaininareo sy nataonareo. 22Fa ankehitriny kosa, noho i Kristy niharan'ny fahafatesana tao amin'ny vatany mety maty, dia namitram-pihavanana taminareo Andriamanitra1.22 namitram-pihavanana taminareo Andriamanitra: misy stf sasany ahitana hoe nampihavanina tamin'Andriamanitra indray ianareo.  mba hahatonga anareo ho masina sady tsy hanan-tsiny amam-pondro eo anatrehany. 23Kanefa tsy maintsy maharitra amin'ny finoana ianareo, ka miorina sy mitombina tsara, ary tsy mety hafindra hiala amin'ny fanantenana vokatry ny Vaovao Mahafaly* efa renareo. Izaho Paoly dia efa tonga mpanompon'izany Vaovao Mahafaly izany, dia ilay notorîna tamin'ny olona rehetra eto ambanin'ny lanitra.

Manoloana ireo fampianaran-diso marobe tany Kolosia izay manohitra sy manda ny maha-Kristy an'i Jesoa, dia miezaka manao fampianaram-pinoana i Paoly Apostoly.

I Kristy no fampihavanana

1- Nandrav antsika ho masina (nnà2l-22)
"lanareo olon-ko azy fahiny sy fahavalo tamin'ny sainareo noho ny fanaovan-dratsy" dia midika fa nisaraka, tapaka, nisintaka ary nankahala an'Andriamanitra noho ny fahotana ny olona. Midika ho fanovana na fanesorana hatramin'ny fakany ny hevitry ny fampihavanana eto. Koa noho ny fahotana dia lavitra an'Andriamanitra ny olombelona, fa noho ny fahafatesan'i Jesoa Kristy teo amin'ny hazo fijaliana kosa dia ovana akaiky Azy isika. Miara-maty Aminy ary miara-hatsangana amin'i Kristy ny mpino, ka manjary masina tahaka Azy (Efe 1.4).

2- Mampaharitra amin'ny finoana (and.23)
Izay resy lahatry ny fampihavanana ataon'i Kristy ihany no manam-pinoana sy maharitra amin'izany. Ny faharetana sy fiorenana ao amin'i Kristy Ilay fanorenana tsara indrindra (1 Kor 3. 11), no kitro ifaharan'ny fitoriana ny Filazantsara maneran-tany sy hanaovan'ny mpino ny asa fanompoana. Vokatra madiodion'ny fiovam-pon'ny mpino, araka izany, ny asa fitoriana fa tsy haitraitra na filàna raharaha tsy akory. Ny fiainan'ny mpino mihitsy no miova ho vaovao (2 Kor 5, 17). ka mibaiko azy amin'ny fitiavan'i Kristy ary mitarika azy ho amin'ny asa tsara samihafa.

Fanontaniana :
Nahoana no misy kristiana tsy mety manao tafika masina?

mercredi 22 novembre 2017

Alarobia 22 Novambra 2017 - Sal 20 : 6 - 9

6Dia hanaovanay fihobiana
ny fandresena ho azonao;
ary hahofahofanay ny faneva
ho voninahitry ny Andriamanitsika.
Eny, hotanterahin'ny TOMPO anie
izay rehetra angatahinao aminy!
7Fantatro izao ankehitriny fa ny TOMPO
manome fandresena ny mpanjaka nohosorany;
avy any an-danitra toeramasiny
no amaliany ny vavaka ataony,
ka ny herin'ny tanany ankavanana
no anolorany fandresena ho azy.
8Ny an'ny sasany, ny kalesiny no itokiany;
ny an'ny hafa, ny soavaliny no iankinany;
ny anay kosa, ny anaran'ny TOMPO Andriamanitray
no hany hery ianteheranay.
9Koa ireny mitolefika sy mianjera,
fa izahay kosa maharitra mijoro.

Mialoha sy aorian'ny ady ataon'ny vahoaka voafídy dia manandratra vavaka izy ireo. Ity Sal 20 ity, ohatra, no fanao alohan'ny ady raha toa ka ny Sal 21 no fisaorana aorian'ny ady. Aseho fa an' Andriamanitra ny ady fa ny mpanjaka dia mpitarika ary ny vahoaka no miaramilany.

Jehovah no Mpamonjy

1- Ho an'izav matokv Azv
Ny famonjena ambara amin'ity toko ity dia fandresena amin'ny ady amin'ny fahavalo. Ny mpanjaka izay misolo tena ny vahoaka manontolo no miantehitra amin'i Jehovah. Ny fahefana rehetra izay misy na ara-piarahamonina na ara-poütika dia samy manaiky fa tsy noho ny tanjaka manokan'ny tena, na noho traikefa an'ady, na ny fahaizana ara-diplómatika no mitondra fadresena, fa ny fahatokiana amin'Andriamanitra irery ihany. Ataon'Andriamanitra miavaka amin'ny manodidina izay matoky Azy. Miantso ny mpitondra rehetra hiantehitra amin'Andriamanitra.

2- Ho an'izay mangataka Aminy
Vavaka no ifampiresahan'ny vahoaka voafídy amin'i Jehovah Mpamonjy. Ny and.9 dia midika koa hoe : "Omeo fandresena ny mpanjaka, ka mamalia anay". Ny fifandraisana tsy tapaka amin'Andriamanitra no antokv nv fandresena. Ilay Mpanjakan'ny mpanjaka no hamaly ka hitondra fandresena tsy ho an'ny mpanjaka ihany fa ho an'ny vahoaka iray manontolo mihitsy. Latsaka an- katerena ny firenentsika, andeha isika hitalaho famonjena amin'Andriamanitra Mpamonjy antsika izay manóme fandresena.

Fanontaniana:
Ahoana ny vavaka efa nasandratrao ho an'ny firenena?

mardi 21 novembre 2017

Talata 21 Novambra 2017 - Lio 21 : 25 - 28

25–Hisy famantarana koa eny amin'ny masoandro sy ny volana ary ny kintana21.25 Ampit Is 13.10; Ezek 32.7; Jl 3.3-4.; ary etỳ an-tany dia ho ory sy ho very hevitra ny firenena noho ny ranomasina hikotrokotroka sy hanonja izaitsizy. 26Hisy olona ho fatin'ny tahotra sy ny fanahiana izay hanjo ny tany tontolo, satria hihozongozona ny herin'ny habakabaka. 27Amin'izay no hahitana ny Zanak'olona* tamy voahodidin-drahona sady ombàn-kery sy voninahitra lehibe21.27 Dan 7.13.. 28Raha vao miantomboka anefa izany zavatra izany, dia mitrakà ianareo ary andrandrao ny lohanareo fa efa antomotra ny fanavotana anareo.

"Ary amin'izany andro izany dia hahita ny Zanak'olona avy eo amin'ny rahona amin-keiy sy voninahitra ¡ehibe izy" and. 2 7

Ny fihavian'ny Zanak'Olona, dia :

1 - Amin'ny famantarana lehibe
Famantarana Iehibe avy any an-danitra no hiseho (and. 11) ary i Matio sy i Marka no manazava kokoa fa ny masoandro hohamaizinina, ny volana tsy hahazava ary ny kintana hiraraka avy any an-danitra. Fanamafísana ny efa voalazan'ny faminaniana tany aloha izany (Isa 13,9-10; Joe2.10), ary hotanteraka araka ny voalazan'ny fahitana ao amin'ny Apo 6,12-13. Fahariana vaovao eo amin'ny tany sy ny lanitra no hiseho amin'ny fíhavian'i Kristy eny amin'ny rahon'ny lanitra. Isika mpino ihany koa dia hiatrika izany fanavaozana lehibe izany.

2 - Amin'ny herv sy voninahitra lehibe
Ny rahona no hisolo ny kalesy fítondran'ny mpanjaka (Sal 104, 3). Maneho ny fanatrehan'Andriamanitra ny vahoakany ny rahona tao amin'ny Testamenta Taloha. Amin-kery sy voninahitra Iehibe no hisehoan'i Kristy manoloana izany rehetra izany, ka ny firenena sy ny fokom-pirenena rehetra ambonin'ny tany na ny mino na tsia dia hiondrika eo anatrehany avokoa (Dan7, 13-14). Hoavy Izy hanavotra ny olony sy hanarina ny tany rava ary hametraka ny fanjakany, satria nv fanjakan'izao tontolo izao dia efa lasan'ny Tompontsika sy ny Kristiny; ary Izy no hanjaka mandrakizay mandrakizay" Apol 1, 15

Fanontaniana:
Nahoana ny olona no matahotra ny fiavian'ny Tompo?

lundi 20 novembre 2017

Alatsinainy 20 Novambra 2017 - Tit 2 : 11 - 15

11Fa Andriamanitra efa naneho ny fahasoavany, izay loharanom-pamonjena ho an'ny olona rehetra. 12Izany fahasoavana izany dia mitaiza antsika handà ny toetra tsy miraharaha an'Andriamanitra sy handà ny filàn'izao tontolo izao*, fa ho velona mahafehy tena sy mandala ny rariny ary tia vavaka mandritra izao fiainana ankehitriny izao. 13Toy izany no tokony hiandrasantsika ny hasambarana antenaintsika sy ny andro hisehoan'ny voninahitr'i Jesoa Kristy*, ilay Andriamanitra lehibe sady Mpamonjy antsika2.13 I Jesoa Kristy, ilay Andriamanitra lehibe sady Mpamonjy antsika: dkt hafa ilay Andriamanitra lehibe sy ny voninahitr'i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika. . 14I Jesoa Kristy dia nanolo-tena ho antsika mba hanavotra antsika ho afaka amin'ny ratsy rehetra ka hahatonga antsika ho vahoaka voadio, natao ho Azy tokoa sy hazoto hanatontosa asa tsara2.14 Ampit Sal 130.8; Ezek 37.23; Eks 19.5; Fifan 14.2; 1Pt 2.9; Ef 2.10..

15Izany lazaina sy ananarana ary andresena lahatra ombàn'ny fahefana rehetra anananao. Aoka tsy hisy olona hanao tsinontsinona anao.

Avoitran'ny Apostoly Paoly amin'ity Epistily ity ny momba ny fahasoavan'Andriamanitra:

1- Handavana nv ratsv rehetra (and. 11-12)
Famonjena ny olona rehetra ny fahasoavan'Andriamanitra. koa aharihary eto ny tsy tokony hatao ka holavina, toy ny toe-panahy tsy araka an' Andriamanitra sy ny filan'izao tontolo izao. Mazava kosa anefa ny tokony hatao, ka harahina dia ny fivelomana araka ny onony sy ny marina ary ny toe-panahy araka an'Andriamanitra. Ny fahatongavan'i Jesoa Kristy hamonjy sy hanadio ny mpanota no tena fahasoavana lehibe indrindra.

2- Hiandrasana ny Voninahitr'i Kristy (and. 13)
Tokana ato amin'ny Testamenta Vaovao sy amin'ny Baiboly manontolo mihitsy ny filazana fa Andriamanitra Lehibe i Jesoa Kristy. Koa ho fitsenana izany Voninahitra lehibe loatra izany no antony namonjena antsika, ka nandrotsahany ny fahasoavany amintsika. Ny mpino no hitsena azy, ka ho lavorary ilay vavaka fanaontsika hoe : "ho longa anie ny Fanjakanao".

3- Marikv nv fanolorantenan'i Kristv (and.14)
 Lafinv roa mazava tsara ny fanoloratenan'i Kristy dia ny fanavotana sy ny fanadiovana. Nv manana antoka ihanv no mahazo ireo fahafahana ireo, koa ny ran'i Jesoa Kristy teo ambony hazo fijaliana irery ihany no antoka lehibe indrindra mahafapo ny fitsaran'Andriamanitra. (Ampitahao Marka 10.45). Raha izany, isika koa andeha, "mba atolotrareo ny tenananareo ho fanatitra velona, masina, sitrak'Andriamanitra" Romana i2.la.

Fanontaniana :
Ahoana ny hevitrao, fahasoavana ve ny fahazoana harena?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12