samedi 25 novembre 2017

Sabotsy 25 Novambra 2017 - Deo 2 : 26 - 27

26Avy teo an-taniefitra Kedemôta2.26 Io taniefitra io dia eo avaratra andrefan'ny ranon-driaka Arnôna. no nandefasako iraka hankany amin'i Sihôna, mpanjaka tao Hesbôna, ombàn'ny teny fihavanana hoe: 27«Aoka mba hamaky ny taninao izahay; ny lalambe ihany no halehanay ka tsy hivilivily ho amin'ny ankavanana na ho amin'ny ankavia izahay.

Ny vavolombelona miandry ny Tompo dia :

1- Mankato nv baikon'ny Tompo
Tantaran'ny fisantaran'ny Zanak'Isiraely ny fandovana ny tany Kanana, ka nandreseny an'i Sihona mpanjakan'i Hesbona ity hita eto ity. Rehefa avy nivezivezy 38 taona tany an'efitra ny Zanak'Isiracly (and. 14), dia nodidian' Andriamanitra hisantatrany fandovana ny tany Kanana (and.24); saingy nanome baiko koa ny Tompo tsy hikasîhana ny tanin'ny Amonita izay taranak'i Lota (and. 19, 37) ary dia notanterahan'izy ireo antsakany sy andavany izany. Fahendrena teo amin'ny fifandraisana samihafa, na tamin'Andriamanitra na tamin'ny vahoaka, na tamin'ny firenen-kafa no nananan'i Mosesy, Tokana ihany no nibaiko azy dia hoe koa izay miandry ny Tompo dia tsy maintsy mankato ny Teniny.

2- Mahazo fandresena lehibe
Ankoatran"i Hesbona, dia tanàna maro no afaky ny Zanak'Isiraely hatrany Gileada, satria momba azy ireo Andriamanitra. Tsy tahak'ireo ray aman-dreniny izay ambaran'ny Soratra Masina hoe "taramba ratsy fanahy" (Deol, 35), ka nahatonga azy ireny ho ringana tany an'ady (Deol, 44) sy tsy nandova ny tany Kanana (Deo 2.15). Noho izany dia zava-dehibc ny fíandrasana ny Tompo sy ny fahatokiana azy, indrindra manoloana ireo ady samihafa izay atrehantsika kristianina. Antoka fa hampandresy antsika izao teny izao.

Fanontaniana :
Nahoana no mbola maro ny kristianina resy an'ady (adim- piainana, adin-tsaina, adim-panahy)?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12