vendredi 24 novembre 2017

Zoma 24 Novambra 2017 - Jak 5 : 7 - 11

7Koa mahareta tsara àry, ry havana, mandra-piavin'ny Tompo. Jereo ny mpamboly miandry amim-paharetana izay vokatra sarobidy havoakan'ny tany, ka maharitra mandra-pahazony ny oram-pararano sy ny oran-dohataona5.7 Ampit Deot 11.14; Jl 2.23.. 8Mahareta koa ianareo; aoka ho feno herimpo, fa efa mby akaiky ny fiavian'ny Tompo. 9Aza mifampimonomonona ianareo, ry havana, mba tsy hanamelohan'Andriamanitra anareo. Indro ny mpitsara efa mijoro eo am-baravarana. 10Ry havana, aoka ireo mpaminany* izay niteny tamin'ny anaran'ny Tompo no hataonareo filamatry ny fifandeferana sy faharetana. 11Indro ataontsika hoe sambatra izay manam-paharetana. Efa renareo ny faharetan'i Jôba, ary fantatrareo izay nataon'ny Tompo ho azy tamin'ny farany, satria be fiantra sy be indrafo ny Tompo5.11 Jôba: jereo Jôb 1.20-22; 2.10. –satria... ny Tompo: ampit Sal 103.8..

In'enina miverina eto amin'ity mofonaina ity ny teny iray taríka amin'ny hoe "faharetana". Toetra fototra takina amin'ny mpino eo am-piandrasana ny Tompo izany.

Ny Kristiana maharitra

1- Maharitra amin'ny fanantenana (and.7-8)
Oharina amin'ny fíandrasan'ny mpiasa tany ny ranon'orana ny fiandrasantsika ny fíavian'i Kristy. Ny mpiasa tany dia maharitra miandry amin'ny fanantenana ny ranon'orana, na ho ela na ho haingana izany. Azony antoka mantsy fa tsy maintsy ho avy io, ary izany fanantenana izany no mafy orina ao anatiny. Tahaka izany koa isika kristianina, taomina hampiorina ny finoana amin'ny fanantenana ny fíavian'i Kristy na ho ela na ho haingana izany. Ka samy hampahery ny fony satria ao am-po no hiraketana izany finoana izany (Rom 10.10)

2- Maharitra amin'ny fahoriana (and.9-11)
I Joba eto no ohatra alain-tahaka ny amin'izany fahoriana izany. Izy dia olona tsy nanan-tsiny ary na dia efa tao anaty fahoriana mangidy indrindra aza izy, "dia tsy nanota" (Job 1, 22 /2.10). Koa toetra tokony hanananlsika ny faharetana amin'ny fahoriana, fa misy valiny lehibe izany (and 11). Ny Soratra Masina koa dia miteny hoe "ny faharetana mahatonga fahatsaram-panahy voazaha toetra ary ny fahatsaram-panahy voazaha toetra mahatonga fanantenana" Rom 5.4. Tsarovy fa i Jesoa Kristy koa no efa niharitra hatramin'ny fahoriana mangidy indrindra izay niafara teny amin'ny hazo fïjalîana.

Fanontanìana :


Hatraiza ny fetran'ny fahazakantsika fahoriana?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12