jeudi 23 novembre 2017

Alakamisy 23 Novambra 2017 - Kol 1 : 21 - 23

21Ianareo koa dia lavitra an'Andriamanitra fahiny sady fahavalony, noho ny ratsy nosaininareo sy nataonareo. 22Fa ankehitriny kosa, noho i Kristy niharan'ny fahafatesana tao amin'ny vatany mety maty, dia namitram-pihavanana taminareo Andriamanitra1.22 namitram-pihavanana taminareo Andriamanitra: misy stf sasany ahitana hoe nampihavanina tamin'Andriamanitra indray ianareo.  mba hahatonga anareo ho masina sady tsy hanan-tsiny amam-pondro eo anatrehany. 23Kanefa tsy maintsy maharitra amin'ny finoana ianareo, ka miorina sy mitombina tsara, ary tsy mety hafindra hiala amin'ny fanantenana vokatry ny Vaovao Mahafaly* efa renareo. Izaho Paoly dia efa tonga mpanompon'izany Vaovao Mahafaly izany, dia ilay notorîna tamin'ny olona rehetra eto ambanin'ny lanitra.

Manoloana ireo fampianaran-diso marobe tany Kolosia izay manohitra sy manda ny maha-Kristy an'i Jesoa, dia miezaka manao fampianaram-pinoana i Paoly Apostoly.

I Kristy no fampihavanana

1- Nandrav antsika ho masina (nnà2l-22)
"lanareo olon-ko azy fahiny sy fahavalo tamin'ny sainareo noho ny fanaovan-dratsy" dia midika fa nisaraka, tapaka, nisintaka ary nankahala an'Andriamanitra noho ny fahotana ny olona. Midika ho fanovana na fanesorana hatramin'ny fakany ny hevitry ny fampihavanana eto. Koa noho ny fahotana dia lavitra an'Andriamanitra ny olombelona, fa noho ny fahafatesan'i Jesoa Kristy teo amin'ny hazo fijaliana kosa dia ovana akaiky Azy isika. Miara-maty Aminy ary miara-hatsangana amin'i Kristy ny mpino, ka manjary masina tahaka Azy (Efe 1.4).

2- Mampaharitra amin'ny finoana (and.23)
Izay resy lahatry ny fampihavanana ataon'i Kristy ihany no manam-pinoana sy maharitra amin'izany. Ny faharetana sy fiorenana ao amin'i Kristy Ilay fanorenana tsara indrindra (1 Kor 3. 11), no kitro ifaharan'ny fitoriana ny Filazantsara maneran-tany sy hanaovan'ny mpino ny asa fanompoana. Vokatra madiodion'ny fiovam-pon'ny mpino, araka izany, ny asa fitoriana fa tsy haitraitra na filàna raharaha tsy akory. Ny fiainan'ny mpino mihitsy no miova ho vaovao (2 Kor 5, 17). ka mibaiko azy amin'ny fitiavan'i Kristy ary mitarika azy ho amin'ny asa tsara samihafa.

Fanontaniana :
Nahoana no misy kristiana tsy mety manao tafika masina?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12