dimanche 26 novembre 2017

Alahady 26 Novambra 2017 - Zef 3 : 14 - 20

14Mihobia, ry tanànan'i Tsiôna*!
Manaova firavoravoana, ry vahoakan'i Israely!
Mifalia sy mibitaha amin'ny fonareo manontolo,
ry mponin'i Jerosalema!
15Ny TOMPO efa nanaisotra ny fanamelohana
izay nitambesatra taminareo;
Izy efa nampandositra ny fahavalonareo.
Ny TOMPO, mpanjakan'i Israely, no momba anareo
ka tsy hisy loza hatahoranareo intsony.
16Io andro io no hilazana amin'i Jerosalema hoe:
«Aza matahotra, ry tanànan'i Tsiôna,
aza miraviravy tanana!
17Ny TOMPO Andriamanitrao no momba anao;
mahery Izy ka hampandresy anao.
Maneho ny hafaliany noho ny aminao Izy;
ny fitiavany no anavaozany anao3.17 anavaozany anao: araka ny dkt tranainy grika; ny rijan-teny hebreo kosa manao hoe ho sondriana na hoe hangina. ;
noho ny aminao dia mientam-pihobiana Izy
18toy ny amin'ny andro fety.»

Hoy ny TOMPO hoe: «Hofoanako ny fahoriana,
hoesoriko ny henatra mitambesatra aminareo.
19Indro tonga ny fotoana hamelezako
izay rehetra nampahory anareo.
Hotsaboiko ny maratranareo,
hampodîko ny voasesitany;
eny, havadiko ho voninahitra sy laza
ny fanaovana tsinontsinona anareo
tany amin'ny tany rehetra.
20Amin'izany fotoana izany tokoa
no hampodiako sy hamoriako anareo.
Ho hitanareo fa hambiniko indray ianareo;
homeko voninahitra sy laza ianareo
any amin'ny firenena rehetra eto an-tany.»

Ny fitsaran'Andriamanitra hatrany no mameno ny bokin'i Zefania, fa mivadika ho fitahiana sy tsodrano kosa izany manomboka eo amin'ny 3, 11. Ny fihavian'ilay Mesia no kihon-dalana manova izany: Ho avy ny Mesia

1- Hampodv nv fifaliana (and 14-17)
Na dia mitsara sy manasazy aza Andriamanitra, dia aseho kosa fa hifarana sy hitsahatra izany ka ny fahavalo sy ny Ioza hisolo fifaliana lehibe. Mitodika amin'ny firenena voafidy ny fifaliana tahaka ny ao amin'ny Zakaria 9, 11. Hiverina amin'ny laonina ireo fombam-pivavahana samihafa, izay tsy afaka natao fony babo, nefa ioharanon'ny fifaliana sy ny fiderana an'Andriamanitra. Omen' Andriamanitra fahafam-po mihitsy izy ireo, ka faly sy ravoravo amin'i Jehovah (Ampitahao Deo 30,9). Mety mihitsy ny mifaly sy midera an'Andriamanitra amin'izao fitsenana ny fahatongavan'ny noely izao.

2- Handray an-tanana ny vahoakanv (and 18-20)
I Zefania dia niezaka namaly ny fanontaniana hoe miraharaha ny olona ve Andriamanitra? Ambaran'i Jehovah mazava fa : hangoniko, hasiako, hovonjeko, hovoriko, hataoko, hitondrako,... hampodiako. Midika izany fa Izy Andriamanitra mivantana mihitsy no handray an-tanana ny fanarenana indray ny fiainan'ny vahoaka babo. Hitondra fanafahana tanteraka no hahatongavany. Tao amin'i Jesoa Kristy rahateo no fahatanterahan'ny Lio 4,8 fa "hitory fandefasana amin'ny mpifatotra sy ny fampahiratana ny jamba, hanafaka izay nampahoriana"

Fanontaniana :
Inona no anjara fankalazana noely omaninao dieny izao?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12