mercredi 22 novembre 2017

Alarobia 22 Novambra 2017 - Sal 20 : 6 - 9

6Dia hanaovanay fihobiana
ny fandresena ho azonao;
ary hahofahofanay ny faneva
ho voninahitry ny Andriamanitsika.
Eny, hotanterahin'ny TOMPO anie
izay rehetra angatahinao aminy!
7Fantatro izao ankehitriny fa ny TOMPO
manome fandresena ny mpanjaka nohosorany;
avy any an-danitra toeramasiny
no amaliany ny vavaka ataony,
ka ny herin'ny tanany ankavanana
no anolorany fandresena ho azy.
8Ny an'ny sasany, ny kalesiny no itokiany;
ny an'ny hafa, ny soavaliny no iankinany;
ny anay kosa, ny anaran'ny TOMPO Andriamanitray
no hany hery ianteheranay.
9Koa ireny mitolefika sy mianjera,
fa izahay kosa maharitra mijoro.

Mialoha sy aorian'ny ady ataon'ny vahoaka voafídy dia manandratra vavaka izy ireo. Ity Sal 20 ity, ohatra, no fanao alohan'ny ady raha toa ka ny Sal 21 no fisaorana aorian'ny ady. Aseho fa an' Andriamanitra ny ady fa ny mpanjaka dia mpitarika ary ny vahoaka no miaramilany.

Jehovah no Mpamonjy

1- Ho an'izav matokv Azv
Ny famonjena ambara amin'ity toko ity dia fandresena amin'ny ady amin'ny fahavalo. Ny mpanjaka izay misolo tena ny vahoaka manontolo no miantehitra amin'i Jehovah. Ny fahefana rehetra izay misy na ara-piarahamonina na ara-poütika dia samy manaiky fa tsy noho ny tanjaka manokan'ny tena, na noho traikefa an'ady, na ny fahaizana ara-diplómatika no mitondra fadresena, fa ny fahatokiana amin'Andriamanitra irery ihany. Ataon'Andriamanitra miavaka amin'ny manodidina izay matoky Azy. Miantso ny mpitondra rehetra hiantehitra amin'Andriamanitra.

2- Ho an'izay mangataka Aminy
Vavaka no ifampiresahan'ny vahoaka voafídy amin'i Jehovah Mpamonjy. Ny and.9 dia midika koa hoe : "Omeo fandresena ny mpanjaka, ka mamalia anay". Ny fifandraisana tsy tapaka amin'Andriamanitra no antokv nv fandresena. Ilay Mpanjakan'ny mpanjaka no hamaly ka hitondra fandresena tsy ho an'ny mpanjaka ihany fa ho an'ny vahoaka iray manontolo mihitsy. Latsaka an- katerena ny firenentsika, andeha isika hitalaho famonjena amin'Andriamanitra Mpamonjy antsika izay manóme fandresena.

Fanontaniana:
Ahoana ny vavaka efa nasandratrao ho an'ny firenena?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12