samedi 31 mars 2018

Sabotsy 31 Martsa 2018 - Lio 15 : 8 - 10

8–Sa vehivavy iza moa no manana vola firavaka folo nahaverezana anankiray, ka tsy hampirehitra jiro sy hamafa trano ary hikaroka tsara mandra-pahitany azy? 9Ary rehefa hitany, dia vorîny ireo sakaiza sy mpiara-monina ka ilazany hoe: «Miaraha mifaly amiko fa ilay vola firavako very dia hitako indray!» 10Toy izany koa, hoy Aho aminareo, hisy hafaliana ho an'ny anjelin'Andriamanitra amin'ny mpanota anankiray monja miala amin'ny toetra ratsiny.

Mifaly amin'ny fìbebahana ny Tompo
Ity fanoharan’I Jesoa Krisly ity dia iray tarika ka antsoin'ny mpandinika hoe « ny fìfalian 'Andriamanitra ».

1- Mitady ny hareny very ny Tompo
Harena sarobidy amin'Andriamanìtra ny olona.Very tahaka « ilay farantsakely » tadiavin'ny tompony isika. Tafasaraka tamin'Andriamanitra Tompontsika isika noho nv fahotana. Harena sarobidy amin'Andriamanitra ny olona ka tsy tiany ho very na dia iray aza. Nandao ny lanitra sy ny voninahiny i Jesoa Kristv. Nidina sy nitondra ny hazavana hitadiavany tsy miato ny mpanota Izy. Ho an'ny olombelona irery ihany no niavian'i Jesoa Kristy. Farito mazaa tsara izay tena harena eo amin'ny fiainan'ny fiangonana mba hanomezana ny laharam- pahamehana amin'ny fanompoana hotanterahina.

2- Mifaly amin'ny hareny hita ny Tompo
Vokatry ny fitiavan'Andriamanitra ny fibebahan'ny mpanota. Tsy ilay farantsakely no mitady ny tompony fa ny tompony no mitady ilay harena very. Fanapahan- kevitra sy fitiavan'Andriamanitra ny fikarohana ny mpanota. Fandraisan'ny mpanota izanv hitiavan'ny Tompo izany ny fibebahana. Fivoriam-pifaliana any an-danitra sy ety an-tany nv fibebahan'nv mpanota iray (anel 10). Faly Andriamanitra miaraka amin'ny anjeliny arv faly ny fiangonana miaraka amin'ny olom-boavonjy ety an-tany. Izany fifaliana izany no fahasambarana ambaran'nv Filazantsara (Mat 5.9).

Fanontaniana :


Ahoana no atao amin'ny olona mibebaka mba handehanany amin'ny silrapon'Andriamanitra ?

vendredi 30 mars 2018

Zoma 30 Martsa 2018 - Mar 15 : 26 - 38

26Ary ny soratra napetraka hilaza ny nanamelohana Azy dia ny hoe: «Mpanjakan'ny Jiosy». 27Nisy jiolahy roa nohomboana tamin'ny hazofijaliana niaraka tamin'i Jesoa, ka ny anankiray teo ankavanany ary ny anankiray teo ankaviany. [ 28Koa tanteraka ny Soratra Masina manao hoe: «Natao ho isan'ny mpanao ratsy Izy15.28 Jereo Lk 22.37 sy Is 53.12..»]

29Dia nanevateva an'i Jesoa ny mpandalo sady nanifikifi-doha ka nanao hoe:
–Sakoizay, ry Ilay hoe mandrava ny tempolin'Andriamanitra ary manangana azy ao anatin'ny telo andro15.29 Jereo Sal 22.8; Mk 14.58; Jôh 2.19.! 30Vonjeo ny tenanao, ka midîna avy eo amin'ny hazofijaliana!

31Naneso Azy toy izany koa ireo lohandoha-mpisorona mbamin'ny mpahay lalàna ka nifampilaza hoe:
–Namonjy olon-kafa Izy, fa ny tenany tsy hainy vonjena! 32Aoka ilay Mesia, Mpanjakan'i Israely, hidina avy eo amin'ny hazofijaliana ankehitriny, mba ho hitantsika ka hinoantsika!
Dia naneso an'i Jesoa koa ireo niara-nohomboana taminy.

33Tamin'ny mitataovovonana, dia rakotra haizina ny faritany manontolo, ka naharitra hatramin'ny telo tolakandro izany. 34Ary tamin'ny telo tolakandro i Jesoa dia niantso tamin'ny feo mahery nanao hoe:
–Elôỳ, Elôỳ, lemà sabaktàny? (izany hoe raha adika: «Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia nilaozanao Aho15.34 Sal 22.2, voatsiahy araka ny fiteny aramianina.?»)

35Ny sasany tamin'ireo olona nijanona teo, raha nandre izany, dia niteny hoe:
–Indro fa niantso an'i Elià ny anao!

36Tamin'izay dia nisy olona anankiray nihazakazaka nanatsoboka spaonjy tao anaty vinaingitra; dia notohiziny volotara ilay spaonjy ka natohony an'i Jesoa mba hotsentsefiny15.36 Ampit Sa 69.22., sady hoy izy:
–Avelao hoe hojerentsika raha ho avy hampidina Azy tokoa i Elià!

37Fa i Jesoa kosa niantso tamin'ny feo mahery, dia niala aina.
38Ary nitriatra nizara roa hatrany ambony ka hatrany ambany ny efitra lamba tao amin'ny Toeramasina15.38 Jereo Eks 26.31-33..

« Ary natao ho isan'ny mpanota Izy » and 28

1- Ilay Mpanjakan'ny Jiosy
Mpanjakan'ny Jiosy no nilazana an'i Jesoa, satria avy amin'ny Jiosy no famonjena (Jao 4,22 ). Noraisin'ny romana ny valintenin'i Jesoa tamin'i Pilato hoe: « Mpanjaka va ianao ? », « voalazanao » (Jao 18,37). Nanaiky ho faty Ilay Mpanjakan'ny mpanjaka, Ilay Mpitsara izao tontolo izao mba hisolo ny vahoakany teo amin'ny hazofijaliana. Ny mpitsara marina no notsaraina. Nasandratra ho avo teo amin'ny hazofijaliana ho hitan'ny olona i Jesoa Mpanjaka mba hahazoany famonjena.

2- Ilav Mesia Mnamoniy sady Zanak'Andriamanitra
Tsy vonjena ny Tompo fa Mpamonjy; tsy baikon'izao tontolo izao Izy fa manao izay tiany hatao ; tsy azon'ny fakam-panahy sy ny eson-teny ary ny famingavingana horesena. Kristy na Mesia Mpanjakan'ny Jiosy i Jesoa. Ny famonjena izao tontolo izao dia ny faneken'i Jesoa Kristy ny didim-pitsarana. Asan'Andriamanitra ny famonjena ny mpamono olona sy ny mpanota. Fampihavanana nv olombelona amin'Andriamanitra no nataony teo amin'ny hazofíjaliana. Mitondra fíbebahana ho an'izao tontolo izao eo amin'ny hazofijaliana ny Zanak'Andriamanitra. Izany no mampiato ny fahatezeran'Andriamanitra amintsika sy hahatonga antsika ho vita fihavanana aminy. Mitaraina amin'Andriamaniny ho antsika Ilay Olombelona, Lahitokan'Andriamanitra mba hamonjena antsika. Fanokafana ny fanalahidin'ny lanitra hidirantsika ny fahafatesan'i Jesoa Kristy (and 38)

Fanontaniana:
Inona no zava-dehibe amin'ny fahafatesan'i Jesoa ?

jeudi 29 mars 2018

Alakamisy 29 Martsa 2018 - Mat 26 : 30 - 35

30Ary rehefa avy nihira ny salamo fiderana26.30 ny salamo fiderana, izany hoe ny Sal 113–118. i Jesoa mbamin'ny mpianany, dia lasa nankany amin'ny tendrombohitra Analanôliva.

31Tamin'izay dia hoy i Jesoa tamin'ny mpianany:
–Anio alina dia handao Ahy avokoa ianareo, satria izao no voalazan'ny Soratra Masina: «Hasiako ny mpiandry, dia hiparitaka ny ondry andrasana26.31 Za 13.7..» 32Fa rehefa tafatsangana velona Aho, dia hialoha anareo any Galilea.

33Dia niteny i Petera ka nanao tamin'i Jesoa hoe:
–Na dia handao Anao avokoa aza ny olona rehetra, izaho kosa tsy mba handao Anao na oviana na oviana.

34Fa hoy i Jesoa tamin'i Petera:
–Lazaiko marina aminao fa anio alina alohan'ny maneno akoho, dia handà Ahy intelo ianao.

35Ary novalian'i Petera hoe:
–Na dia hovonoina miaraka aminao aza aho, dia tsy handà Anao na oviana na oviana.
Ary dia samy nilaza toy izany koa ny mpianatra rehetra.

Mitarika ny mpianany hivavaka i Jesoa

1 - Midera an'Andriamanitra i Jesoa
Eny an-dàlana ho any an-tendrombohitra Oliva i Jesoa mitarika ny mpianatra hiombom-bavaka sy hiatrika ny fijaliany. Manaova fiderana ny Tompo ho fanatanterahana nv sitrapon'ny Tompo Hanatanteraka izay voasoratra momba azy i Jesoa Kristy. Manaiky lzy iharan'ny Tenìn' Andriamanitra (and 31 , Zak 13, 7). Tsy ny ahazoan-javatra na tombontsoa manokana no iderana ny Tompo fa fanaovana ny sitrapon'Andriamanitra.

2 - Manambara nv famojeny ny Tompo
Manambara ny fahafatesany sy ny fitsanganany i Jesoa Kristy. Hovonoina i Jesoa dia hiparitaka ny ondrinv : ny mpianany sy ireo mpanaraka Azy (and 31). Eken'i Jesoa Kristv izany sitrapon'ny Rainy izany mba hahatanteraka ny famonjena ny mpanota. Tsy izay tian'ny olona tokoa ny famonjena fa izay fikasan'Andriamanitra. Tsy maintsy maty i Jesoa ho fibebahany ho antsika : ary tsy maintsy atsangana Izy mba ho santatry ny ahavelomantsika.

3 - Mampibebaka ny mpianatra ny Tompo
Mampibebaka an'i Petera sy ny Apostoly i Jesoa Kristy, fa handà Azy izy ireo. Matotra ny tenin'i Jesoa. handà an'i Jesoa intelo ny mpianany amin'ny ora misasak'alina ka hatramin'ny telo ora maneno akoho. Marina ny tenin'nv Tompo. Mieritrereta dia mibebaha fa tsy mahay mandainga ny Tompo. Tsy fihetsem-po no anompoana ny Toppo fa ho araka ny sitrapon'Andriamanitra.

Fanontaniana :
Ahoanano ahatsapanao ny atao hoe: mivavaka ?

mercredi 28 mars 2018

Alarobia 28 Martsa 2018 - jao 13 : 12 - 20

12Rehefa voasasan'i Jesoa ny tongotr'ireo mpianany, dia nandray ny lambany Izy ary nipetraka indray; ka hoy Izy tamin'ny mpianany:
–Azonareo ve izay nataoko taminareo? 13Ianareo manao Ahy hoe Mpampianatra sy Tompo, ary marina ny filàzanareo fa izany tokoa Aho. 14Koa raha Izaho Tompo sy Mpampianatra aza no manasa ny tongotrareo, ianareo samy ianareo koa dia mba tokony hifanasa tongotra. 15Eny, nomeko fianarana ianareo mba hanaovanareo toy ny nataoko taminareo. 16Lazaiko marina dia marina aminareo fa ny mpanompo tsy lehibe noho ny tompony ary ny iraka tsy lehibe noho ilay naniraka azy13.16 Ampit and 12-16 sy Lk 22.24-27.. 17Raha azonareo izany, dia sambatra ianareo raha manao izany.

18Tsy ho anareo rehetra no itenenako, satria fantatro izay nofidiko; kanefa aoka ho tanteraka ny tenin'ny Soratra Masina hoe: «Ilay miara-mihina-mofo amiko no nanainga ny ombalahin-tongony hamely Ahy13.18 Sal 41.10..» 19Dieny izao Aho no milaza aminareo alohan'ny hahatongavan'izany, mba hinoanareo rehefa tonga izany fa «Izaho no Ilay hatrizay ka ho mandrakizay13.19 Izaho... mandrakizay: ampit 8.24, 58 sy nta..» 20Lazaiko marina dia marina aminareo fa izay mandray ny hirahiko dia mandray Ahy, ary izay mandray Ahy dia mandray Ilay naniraka Ahy.

I Jesoa Tompo sy Mpampianatra

1- Manompo ny mpianany i Jesoa
Fanompoan'ny mpandray vahiny no nataon'i Jesoa amin'ny fanasana ny tongotry ny mpianany. araka ny fomba jiosy (and 12). Mpampianatra tonga ohatra i Jesoa ary Lehibe tonga mpanompo. Miondrika i Jesoa manasa ny tongotry ny mpianatra, hiditra ao amin'ny fanjakany. Nanaiky ho tonga olona Andriamanitra mba handraisany ny mpanota sy hamonjeny azy.

2- Mampianatra ny mpianany i Jesoa
Mampianatra ny fifanompoana, fifankatiavana 1 Jesoa. Ampidirina ao amin'ny sekolin'ny fanompoana sy ny fanetren-tena ary ny fítiava-namana sy ny fahavalo ny mpianatra. Adino matetika ity fífanompoan'ny kristiana ity « hifanasa tongotraa (and 15). Ampianarin'ny Tompo hifanampy, hifamela heloka sy hifampitondra izay mavesatra ny mpino (Gai 6,2).

3- Manome fahasambarana i Jesoa
Ao amin'ny fampiharana ny tenin'i Jesoa no itoeran'ny fahasambarana (and 17). Tsy ampy ny mahalala an'i Jesoa ho : Mpampianatra. Mpamonjy,.. Fivelomana amin'ny Tenin'ny Tompo no fahasambarana, " sambatra ianareo raha maneto izany". Misy mahalala an'i Jesoa sy miara- misakafo ary manatsoboka ny mofony ao amin'ny lovian'i Jesoa Kristy fa mamadika Azy. Sambatra izay mandray an'i Jesoa ho Tompo sy ny teniny.

Fanontaniana :
Ahoana no anehoana ny fifanompoana kristiana eo amin'ny Fiangonana ?


mardi 27 mars 2018

Talata 27 Mars 2018 - Mar 14 : 3 - 9

3Tany Betania i Jesoa tamin'izay ary tao an-tranon'i Simôna mpivarotra bakoly. Raha mbola teo am-pisakafoana i Jesoa, dia tonga ity vehivavy anankiray nitondra tavoahangy alabasitra feno ilomanitra sarobidy atao hoe narda. Dia novakîn-dravehivavy ny tavoahangy ka naidiny tamin'ny lohan'i Jesoa ny ilomanitra. 4Ary nisy sasany tezitra ka nifampilaza hoe:
–Nahoana no dia lanîna foana tahaka izao ity ilomanitra? 5Azo namidy denàry telonjato mahery iny ka omena ny mahantra ny vidiny!

Dia nolevileven-dry zareo ravehivavy.

6Fa hoy i Jesoa:
–Avelao izy! Nahoana no anaovanareo izay mampalahelo azy? Asa soa iny nataony tamiko iny. 7Ny mahantra moa misy eto aminareo mandrakariva14.7 Ampit Deot 15.11., ka azonareo asiana soa amin'izay fotoana tianareo; fa Izaho kosa tsy mba eto aminareo mandrakariva. 8Nanao izay azony natao izy nanosotra ilomanitra ny tenako dieny mialoha mba hamboarany Ahy halevina14.8 Ny fomba fandevenana jiosy fahizany dia misy fanosorana ilomanitra sy zava-manitra ny razana.. 9Lazaiko marina aminareo fa na aiza na aiza eran'izao tontolo izao hanambarana ny Vaovao Mahafaly, dia holazaina koa izao nataon'ity vehivavy ity izao mba ho fahatsiarovana azy.

Asa fìbebahana

1- Fanosorana menaka an'i Jesoa Kristv
Menaka "manitra narda saro-bidy indrindra" iray tavoara manontolo no nahosotra an'i Jesoa. Nanaiky izany i Jesoa, satria tsy mbola nisy olona nanao fanosorana Azy teto an-tany araka ny fanaon'ny mpisoronabe amin'ny mpanjaka, na ny mpisorona (Lev 8, 12). Noraisin'i Jesoa manetri-tena ho fahamarinana ny nataon'ity vehivavy ity. Mesia Mpisoronabe hitondra ny fahotan'izao tontolo izao i Jesoa Kristy. Vonona hitondra sy handray ny fibebahana sy hamela heloka ny mpanota ny Tompo.

2- Fanamboarana an'i Jesoa halevina
Vonona ho faty sy hitondra fibebahana ho an'ity vehivavy ity sy izao tontolo izao i Jesoa. Manaiky hosorana dieny mbola velona Izy ho fitehirizana ny faty, araka ny fomba jiosy. Dieny mbola velona i Jesoa Kristy no karakaraina, fa rehefa maty izy dia tsy azo hosorana intsony. Andriamanitra velona no Tompo sy tompointsika. Tsy misy mahasakana ny fanoloran-tena feno sy ny fitiavantsika an'i .Tesoa Kristy. Mozotoa manompo.

3- Tsaroan'I Jesoa Kristy izay manosotra Azy
Holazaina miaraka amin'ny fitoriana ny Filazantsara ny nataon-dravehivavy. Sitrak'i Jesoa ny nataon'i Maria sy ny fitiavany (jereo Jao 12,3). Nafoiny ho an'i Jesoa Kristy izav nanany rehetra. Tsy menatra ho sakaizan'ny mpanota i Jesoa Kristy ary tsy menatra ny hanaiky an'i Jesoa ho Tompo i Maria. Manamasina an'i Kristy ao am-pony i Maria (1 Pel 3,15). Mankasitraka ny asa tsara ny Tompo.
Fanontaniana :
Ahoana no fanamasinantsika an'i Jesoa ao am-po ?

lundi 26 mars 2018

Alatsinainy 26 Martsa 2018 - Mat 21 : 1 - 11

1Ary nanakaiky an'i Jerosalema i Jesoa mbamin'ny mpianany sy ny vahoaka tafaraka taminy, ka tonga teo anilan'ny tanàna Betifage, eo amin'ny tendrombohitra atao hoe Analanôliva21.1 Jereo Mk 11.1 sy nta.. Dia naniraka roa lahy tamin'ny mpianany i Jesoa ka nanao taminy hoe:

2–Mankanesa amin'itsy tanàna manoloana anareo itsy. Vantany vao migadona ao ianareo, dia hahita boriky vavy mifatotra sy ny zanany miaraka aminy: vahao ilay boriky vavy dia ento atỳ amiko ombàn-janany. 3Ary raha misy olona manontany anareo, dia valio hoe: «Misy ilàn'ny Tompo21.3 ny Tompo: dkt hafa ny Tompony.  azy!» Dia havelany hoentinareo miaraka amin'izay ny boriky vavy sy ny zanany.

4Izany dia tonga mba ho tanteraka ilay voalazan'ny Tompo tamin'ny alalan'ny mpaminany hoe:

5«Izao lazaina amin'ny mponina ao Tsiôna:
Indro ny mpanjakanareo fa tonga eo aminareo,
feno halemem-panahy sady mitaingina boriky vavy
dia boriky vavy ombàn-janany, zanaky ny mitondra zioga21.5 Za 9.9..»

6Dia nandeha ireto mpianatra ka nanao araka ny nandidian'i Jesoa azy. 7Nentin'izy roa lahy ny boriky vavy ombàn-janany; ary ny mpianatra rehetra dia samy nametraka ny lambany teo ambonin'ny boriky vavy ombàn-janany, ka tambony lamba i Jesoa no nitaingina. 8Be tokoa ny vahoaka namelatra ny lambany teny amin'ny lalan'i Jesoa; ny sasany kosa rantsan-kazo tinapaka no naparitany teny amin'ny lalan'i Jesoa21.8 Ampit 2 Mp 9.13.. 9Ary ny vahoaka izay nialoha Azy sy izay nanaraka dia samy niantsoantso hoe:

«Dera anie ho an'ny Zanak'i Davida!
Hombam-pitahiana amin'ny anaran'ny Tompo anie
Ilay avy!
Dera anie ho an'Andriamanitra any amin'ny avo indrindra21.9 Ampit Sal 118.25-26. –Dera anie: ny rijan-teny grika fototra dia ahitana ny hoe hôsannà, izay voambolana hebreo midika hoe tongava hamonjy anay (Sal 118.25); kanefa nanjary fiteny fihobiana sy fiderana izany tatỳ aoriana.!»

10Ary nony efa tafiditra tao Jerosalema i Jesoa, dia nihotakotaka avokoa ny iray tanàna ka nanontany hoe:
–Iza moa io lehilahy io?

11Dia novalian'ny vahoaka hoe:
–Io no Jesoa mpaminany, Izay avy any Nazareta tanànan'i Galilea!

Miditra an'i Jerosalema ny Mesia

1- Maniraka an'i Jesoa Mesia Mpanjaka Andriamanitra
Irahina ho amin'i Ziona zanakavavy, dia i Jerosalema na ny Fiangonana i Jesoa, Ilay Mesia Mpanjaka. Mpanjaka malemy fanahy, mitaingina zana-boriky miasa » (and 4). Tonga hanompo sy hitondra filaminana ary fiadanana i Jesoa Kristy. Tsy soavaly fampiasan'nv mpanjaka sy ny miaramila no ialain'ny Mesia fa boriky fampiasa andavan'andro. Miditra ny renivohitry ny fanjakana sy nv fivavaliana i Jesoa. Nofidin' nv Tompo ho tanànan'ny famonjena sy ny fiadanana i Jerosalema.

2- Miantso sv maniraka nv mpianany i Jesoa
Irahin'i Jesoa Kristy haka sy hamaha ilay boriky mifatotra sy ny zanany ny mpianatra (und 2). Manaiky hiombon'aina sy fanompoana amin'ny Mpanjakany ny mpianatra. Feno ny hafatra nomen'i Jesoa ny mpianatra. Tondroiny mazava ny toerana haleha sy ny toetran'nv boriky halaina an' ny valin-tenv hatao amin'ny tompony : « Betifaga » na tranon'ny aviavy no heviny ; "zana-boriky mifatotra sy ny zanany, misy raharaha hanalan 'ny Tompo azy".

3- Mandray an'i Jesoa Mpanjaka ny vahoaka
Mandray nv Mpanjakany ny vahoaka : namelatra ny lambanv. nandahatra rantsan-kazo handehanany, nialoha sv nanaraka Azy ary nihira hosana. Mihira fiderana «hosana» ho an'ny taranak'i Davida Mpanjaka ny vahoakany. Mpanjaka. fanantenan'ny mino i Jesoa Kristy. Mesia Mpanjaka sady Mpaminany avy any Nazareta any Galilia i Jesoa (and 11).

Fanontaniana :
Ahoana no andraisantsika an'ny Mpanjakantsika ?

dimanche 25 mars 2018

Alahady 25 Martsa 2018 - Zak 9 : 9 - 11

9Mifalia dia mifalia, ry mponin'i Tsiôna!
Manaova fihobiana, ry vahoakan'i Jerosalema!
Indro ny Mpanjakanareo avy aty aminareo;
marina sady mandresy Izy,
feno halemem-panahy sady mitaingina boriky,
dia boriky tanora zana-borikivavy9.9 Ity and ity dia voalaza ampahany ao amin'ny Mt 21.5 sy Jôh 12.15..
10Hofoanany tsy ho ao Efraîma intsony ny kalesy
ary tsy ho ao Jerosalema ny soavaly fitondra miady
Hopotehiny ny tsipîkan'ady
ary hilaza fiadanana amin'ny firenena Izy.
Ny fifehezany dia hatreo amin'ny ranomasina iray
ka hatrany amin'ny ranomasina iray hafa,
ary hatreo amin'ny onin'i Eofrata
ka hatrany am-paran'ny tany9.10 Hofoanany: araka ny dkt tranainy grika; hebreo RM: hofoanako. I Efraîma eto dia milaza ny fitambaran'ny fanjakan'i Israely na ny fanjakana avaratra. hatreo amin'ny... iray hafa: izany hoe hatreo amin'ny Ranomasina Maty ka hatrany amin'ny Ranomasina Mediteranea..

11Dia hoy ny Tompo hoe:
«Ny aminareo kosa, ry mponin'i Tsiôna,
noho ianareo nanaovako fanekempihavanana
izay nohamafisina tamin'ny ran-tsorona,
no efa namoahako ny mpigadranao
toy ny avy tao an-davaka tsisy rano.

Mampifaly ny zanak'i Ziona Andriamanitra

1- Maniraka ny Mesia Mpanjaka Andriamanitra
"Mpanjaka Marina Izy sady manam-pamonjena" , "Mpanjaka malemy fanahy". Tonga ny Mpanjaka andrasan'ny Zanak'i Isiraely. Ao Jerosalema no idirany hitondra fifaliana sy fahasambarana. Ambaran'ny mpaminany fa tsy mitaingin-tsoavaly tahaka ny mpanjakan'ny fìrenen-kafa Izy, fa zana-boriky tanora. Mpanjaka tsy hampiasa ny herin'ny tafika fa ny herin'ny fandeferana sy ny fanetren-tena. Mesia mitondra famonjena ho an'ny vahoakany. Fanafahana amin'ny fahotana sy famerenana ny Isiraely amin'ny fanekena.

2- Manorina fiadanana sy fanekena ny Mpanjaka
Apetrak'Andriamanitra ho an'ny Mesia Mpanjaka ny fanorenana ny fiadanana ho an'ny Isiraely sy ny jentilisa (and 10). Hotanterahin'ny Mesia nv fiadanana : tsy hisy ny kalesy sy soavaly ary ny tsipika ho fiadiana fanafihana. Tsy hiady an-trano ny Isiraely ary tsy hiady amin'ny jentilisa. Ho mpihavana ny Isiraely sy ny jentilisa. Andriamanitra no Mpanjakan'ny tany rehetra sy ny ranomasina ary ny Ony. Manao fanekena amin'ny Isiraely Andriamanitra. Mamoaka ny mpifatotra amin' "ny ran 'ny fanekena" (and 11). Tandindon'i Jesoa Kristy nohomboana tamin'ny hazofijaliana izany. Mamaha ny olona fatoran'ny fahotana sy ny devoly ary ny voafonja vokatry ny tsy fahamarinana ny fanekena ataon'ny Tompo.

Fanontamana :
Manao ahoana ny fidiran'i Jesoa Kristy Mpanjaka ao amin'ny fiangonana sy ny fandraisana Azy ?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12