dimanche 25 mars 2018

Alahady 25 Martsa 2018 - Zak 9 : 9 - 11

9Mifalia dia mifalia, ry mponin'i Tsiôna!
Manaova fihobiana, ry vahoakan'i Jerosalema!
Indro ny Mpanjakanareo avy aty aminareo;
marina sady mandresy Izy,
feno halemem-panahy sady mitaingina boriky,
dia boriky tanora zana-borikivavy9.9 Ity and ity dia voalaza ampahany ao amin'ny Mt 21.5 sy Jôh 12.15..
10Hofoanany tsy ho ao Efraîma intsony ny kalesy
ary tsy ho ao Jerosalema ny soavaly fitondra miady
Hopotehiny ny tsipîkan'ady
ary hilaza fiadanana amin'ny firenena Izy.
Ny fifehezany dia hatreo amin'ny ranomasina iray
ka hatrany amin'ny ranomasina iray hafa,
ary hatreo amin'ny onin'i Eofrata
ka hatrany am-paran'ny tany9.10 Hofoanany: araka ny dkt tranainy grika; hebreo RM: hofoanako. I Efraîma eto dia milaza ny fitambaran'ny fanjakan'i Israely na ny fanjakana avaratra. hatreo amin'ny... iray hafa: izany hoe hatreo amin'ny Ranomasina Maty ka hatrany amin'ny Ranomasina Mediteranea..

11Dia hoy ny Tompo hoe:
«Ny aminareo kosa, ry mponin'i Tsiôna,
noho ianareo nanaovako fanekempihavanana
izay nohamafisina tamin'ny ran-tsorona,
no efa namoahako ny mpigadranao
toy ny avy tao an-davaka tsisy rano.

Mampifaly ny zanak'i Ziona Andriamanitra

1- Maniraka ny Mesia Mpanjaka Andriamanitra
"Mpanjaka Marina Izy sady manam-pamonjena" , "Mpanjaka malemy fanahy". Tonga ny Mpanjaka andrasan'ny Zanak'i Isiraely. Ao Jerosalema no idirany hitondra fifaliana sy fahasambarana. Ambaran'ny mpaminany fa tsy mitaingin-tsoavaly tahaka ny mpanjakan'ny fìrenen-kafa Izy, fa zana-boriky tanora. Mpanjaka tsy hampiasa ny herin'ny tafika fa ny herin'ny fandeferana sy ny fanetren-tena. Mesia mitondra famonjena ho an'ny vahoakany. Fanafahana amin'ny fahotana sy famerenana ny Isiraely amin'ny fanekena.

2- Manorina fiadanana sy fanekena ny Mpanjaka
Apetrak'Andriamanitra ho an'ny Mesia Mpanjaka ny fanorenana ny fiadanana ho an'ny Isiraely sy ny jentilisa (and 10). Hotanterahin'ny Mesia nv fiadanana : tsy hisy ny kalesy sy soavaly ary ny tsipika ho fiadiana fanafihana. Tsy hiady an-trano ny Isiraely ary tsy hiady amin'ny jentilisa. Ho mpihavana ny Isiraely sy ny jentilisa. Andriamanitra no Mpanjakan'ny tany rehetra sy ny ranomasina ary ny Ony. Manao fanekena amin'ny Isiraely Andriamanitra. Mamoaka ny mpifatotra amin' "ny ran 'ny fanekena" (and 11). Tandindon'i Jesoa Kristy nohomboana tamin'ny hazofijaliana izany. Mamaha ny olona fatoran'ny fahotana sy ny devoly ary ny voafonja vokatry ny tsy fahamarinana ny fanekena ataon'ny Tompo.

Fanontamana :
Manao ahoana ny fidiran'i Jesoa Kristy Mpanjaka ao amin'ny fiangonana sy ny fandraisana Azy ?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12