vendredi 30 mars 2018

Zoma 30 Martsa 2018 - Mar 15 : 26 - 38

26Ary ny soratra napetraka hilaza ny nanamelohana Azy dia ny hoe: «Mpanjakan'ny Jiosy». 27Nisy jiolahy roa nohomboana tamin'ny hazofijaliana niaraka tamin'i Jesoa, ka ny anankiray teo ankavanany ary ny anankiray teo ankaviany. [ 28Koa tanteraka ny Soratra Masina manao hoe: «Natao ho isan'ny mpanao ratsy Izy15.28 Jereo Lk 22.37 sy Is 53.12..»]

29Dia nanevateva an'i Jesoa ny mpandalo sady nanifikifi-doha ka nanao hoe:
–Sakoizay, ry Ilay hoe mandrava ny tempolin'Andriamanitra ary manangana azy ao anatin'ny telo andro15.29 Jereo Sal 22.8; Mk 14.58; Jôh 2.19.! 30Vonjeo ny tenanao, ka midîna avy eo amin'ny hazofijaliana!

31Naneso Azy toy izany koa ireo lohandoha-mpisorona mbamin'ny mpahay lalàna ka nifampilaza hoe:
–Namonjy olon-kafa Izy, fa ny tenany tsy hainy vonjena! 32Aoka ilay Mesia, Mpanjakan'i Israely, hidina avy eo amin'ny hazofijaliana ankehitriny, mba ho hitantsika ka hinoantsika!
Dia naneso an'i Jesoa koa ireo niara-nohomboana taminy.

33Tamin'ny mitataovovonana, dia rakotra haizina ny faritany manontolo, ka naharitra hatramin'ny telo tolakandro izany. 34Ary tamin'ny telo tolakandro i Jesoa dia niantso tamin'ny feo mahery nanao hoe:
–Elôỳ, Elôỳ, lemà sabaktàny? (izany hoe raha adika: «Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia nilaozanao Aho15.34 Sal 22.2, voatsiahy araka ny fiteny aramianina.?»)

35Ny sasany tamin'ireo olona nijanona teo, raha nandre izany, dia niteny hoe:
–Indro fa niantso an'i Elià ny anao!

36Tamin'izay dia nisy olona anankiray nihazakazaka nanatsoboka spaonjy tao anaty vinaingitra; dia notohiziny volotara ilay spaonjy ka natohony an'i Jesoa mba hotsentsefiny15.36 Ampit Sa 69.22., sady hoy izy:
–Avelao hoe hojerentsika raha ho avy hampidina Azy tokoa i Elià!

37Fa i Jesoa kosa niantso tamin'ny feo mahery, dia niala aina.
38Ary nitriatra nizara roa hatrany ambony ka hatrany ambany ny efitra lamba tao amin'ny Toeramasina15.38 Jereo Eks 26.31-33..

« Ary natao ho isan'ny mpanota Izy » and 28

1- Ilay Mpanjakan'ny Jiosy
Mpanjakan'ny Jiosy no nilazana an'i Jesoa, satria avy amin'ny Jiosy no famonjena (Jao 4,22 ). Noraisin'ny romana ny valintenin'i Jesoa tamin'i Pilato hoe: « Mpanjaka va ianao ? », « voalazanao » (Jao 18,37). Nanaiky ho faty Ilay Mpanjakan'ny mpanjaka, Ilay Mpitsara izao tontolo izao mba hisolo ny vahoakany teo amin'ny hazofijaliana. Ny mpitsara marina no notsaraina. Nasandratra ho avo teo amin'ny hazofijaliana ho hitan'ny olona i Jesoa Mpanjaka mba hahazoany famonjena.

2- Ilav Mesia Mnamoniy sady Zanak'Andriamanitra
Tsy vonjena ny Tompo fa Mpamonjy; tsy baikon'izao tontolo izao Izy fa manao izay tiany hatao ; tsy azon'ny fakam-panahy sy ny eson-teny ary ny famingavingana horesena. Kristy na Mesia Mpanjakan'ny Jiosy i Jesoa. Ny famonjena izao tontolo izao dia ny faneken'i Jesoa Kristy ny didim-pitsarana. Asan'Andriamanitra ny famonjena ny mpamono olona sy ny mpanota. Fampihavanana nv olombelona amin'Andriamanitra no nataony teo amin'ny hazofíjaliana. Mitondra fíbebahana ho an'izao tontolo izao eo amin'ny hazofijaliana ny Zanak'Andriamanitra. Izany no mampiato ny fahatezeran'Andriamanitra amintsika sy hahatonga antsika ho vita fihavanana aminy. Mitaraina amin'Andriamaniny ho antsika Ilay Olombelona, Lahitokan'Andriamanitra mba hamonjena antsika. Fanokafana ny fanalahidin'ny lanitra hidirantsika ny fahafatesan'i Jesoa Kristy (and 38)

Fanontaniana:
Inona no zava-dehibe amin'ny fahafatesan'i Jesoa ?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12