samedi 31 mars 2018

Sabotsy 31 Martsa 2018 - Lio 15 : 8 - 10

8–Sa vehivavy iza moa no manana vola firavaka folo nahaverezana anankiray, ka tsy hampirehitra jiro sy hamafa trano ary hikaroka tsara mandra-pahitany azy? 9Ary rehefa hitany, dia vorîny ireo sakaiza sy mpiara-monina ka ilazany hoe: «Miaraha mifaly amiko fa ilay vola firavako very dia hitako indray!» 10Toy izany koa, hoy Aho aminareo, hisy hafaliana ho an'ny anjelin'Andriamanitra amin'ny mpanota anankiray monja miala amin'ny toetra ratsiny.

Mifaly amin'ny fìbebahana ny Tompo
Ity fanoharan’I Jesoa Krisly ity dia iray tarika ka antsoin'ny mpandinika hoe « ny fìfalian 'Andriamanitra ».

1- Mitady ny hareny very ny Tompo
Harena sarobidy amin'Andriamanìtra ny olona.Very tahaka « ilay farantsakely » tadiavin'ny tompony isika. Tafasaraka tamin'Andriamanitra Tompontsika isika noho nv fahotana. Harena sarobidy amin'Andriamanitra ny olona ka tsy tiany ho very na dia iray aza. Nandao ny lanitra sy ny voninahiny i Jesoa Kristv. Nidina sy nitondra ny hazavana hitadiavany tsy miato ny mpanota Izy. Ho an'ny olombelona irery ihany no niavian'i Jesoa Kristy. Farito mazaa tsara izay tena harena eo amin'ny fiainan'ny fiangonana mba hanomezana ny laharam- pahamehana amin'ny fanompoana hotanterahina.

2- Mifaly amin'ny hareny hita ny Tompo
Vokatry ny fitiavan'Andriamanitra ny fibebahan'ny mpanota. Tsy ilay farantsakely no mitady ny tompony fa ny tompony no mitady ilay harena very. Fanapahan- kevitra sy fitiavan'Andriamanitra ny fikarohana ny mpanota. Fandraisan'ny mpanota izanv hitiavan'ny Tompo izany ny fibebahana. Fivoriam-pifaliana any an-danitra sy ety an-tany nv fibebahan'nv mpanota iray (anel 10). Faly Andriamanitra miaraka amin'ny anjeliny arv faly ny fiangonana miaraka amin'ny olom-boavonjy ety an-tany. Izany fifaliana izany no fahasambarana ambaran'nv Filazantsara (Mat 5.9).

Fanontaniana :


Ahoana no atao amin'ny olona mibebaka mba handehanany amin'ny silrapon'Andriamanitra ?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12