lundi 26 mars 2018

Alatsinainy 26 Martsa 2018 - Mat 21 : 1 - 11

1Ary nanakaiky an'i Jerosalema i Jesoa mbamin'ny mpianany sy ny vahoaka tafaraka taminy, ka tonga teo anilan'ny tanàna Betifage, eo amin'ny tendrombohitra atao hoe Analanôliva21.1 Jereo Mk 11.1 sy nta.. Dia naniraka roa lahy tamin'ny mpianany i Jesoa ka nanao taminy hoe:

2–Mankanesa amin'itsy tanàna manoloana anareo itsy. Vantany vao migadona ao ianareo, dia hahita boriky vavy mifatotra sy ny zanany miaraka aminy: vahao ilay boriky vavy dia ento atỳ amiko ombàn-janany. 3Ary raha misy olona manontany anareo, dia valio hoe: «Misy ilàn'ny Tompo21.3 ny Tompo: dkt hafa ny Tompony.  azy!» Dia havelany hoentinareo miaraka amin'izay ny boriky vavy sy ny zanany.

4Izany dia tonga mba ho tanteraka ilay voalazan'ny Tompo tamin'ny alalan'ny mpaminany hoe:

5«Izao lazaina amin'ny mponina ao Tsiôna:
Indro ny mpanjakanareo fa tonga eo aminareo,
feno halemem-panahy sady mitaingina boriky vavy
dia boriky vavy ombàn-janany, zanaky ny mitondra zioga21.5 Za 9.9..»

6Dia nandeha ireto mpianatra ka nanao araka ny nandidian'i Jesoa azy. 7Nentin'izy roa lahy ny boriky vavy ombàn-janany; ary ny mpianatra rehetra dia samy nametraka ny lambany teo ambonin'ny boriky vavy ombàn-janany, ka tambony lamba i Jesoa no nitaingina. 8Be tokoa ny vahoaka namelatra ny lambany teny amin'ny lalan'i Jesoa; ny sasany kosa rantsan-kazo tinapaka no naparitany teny amin'ny lalan'i Jesoa21.8 Ampit 2 Mp 9.13.. 9Ary ny vahoaka izay nialoha Azy sy izay nanaraka dia samy niantsoantso hoe:

«Dera anie ho an'ny Zanak'i Davida!
Hombam-pitahiana amin'ny anaran'ny Tompo anie
Ilay avy!
Dera anie ho an'Andriamanitra any amin'ny avo indrindra21.9 Ampit Sal 118.25-26. –Dera anie: ny rijan-teny grika fototra dia ahitana ny hoe hôsannà, izay voambolana hebreo midika hoe tongava hamonjy anay (Sal 118.25); kanefa nanjary fiteny fihobiana sy fiderana izany tatỳ aoriana.!»

10Ary nony efa tafiditra tao Jerosalema i Jesoa, dia nihotakotaka avokoa ny iray tanàna ka nanontany hoe:
–Iza moa io lehilahy io?

11Dia novalian'ny vahoaka hoe:
–Io no Jesoa mpaminany, Izay avy any Nazareta tanànan'i Galilea!

Miditra an'i Jerosalema ny Mesia

1- Maniraka an'i Jesoa Mesia Mpanjaka Andriamanitra
Irahina ho amin'i Ziona zanakavavy, dia i Jerosalema na ny Fiangonana i Jesoa, Ilay Mesia Mpanjaka. Mpanjaka malemy fanahy, mitaingina zana-boriky miasa » (and 4). Tonga hanompo sy hitondra filaminana ary fiadanana i Jesoa Kristy. Tsy soavaly fampiasan'nv mpanjaka sy ny miaramila no ialain'ny Mesia fa boriky fampiasa andavan'andro. Miditra ny renivohitry ny fanjakana sy nv fivavaliana i Jesoa. Nofidin' nv Tompo ho tanànan'ny famonjena sy ny fiadanana i Jerosalema.

2- Miantso sv maniraka nv mpianany i Jesoa
Irahin'i Jesoa Kristy haka sy hamaha ilay boriky mifatotra sy ny zanany ny mpianatra (und 2). Manaiky hiombon'aina sy fanompoana amin'ny Mpanjakany ny mpianatra. Feno ny hafatra nomen'i Jesoa ny mpianatra. Tondroiny mazava ny toerana haleha sy ny toetran'nv boriky halaina an' ny valin-tenv hatao amin'ny tompony : « Betifaga » na tranon'ny aviavy no heviny ; "zana-boriky mifatotra sy ny zanany, misy raharaha hanalan 'ny Tompo azy".

3- Mandray an'i Jesoa Mpanjaka ny vahoaka
Mandray nv Mpanjakany ny vahoaka : namelatra ny lambanv. nandahatra rantsan-kazo handehanany, nialoha sv nanaraka Azy ary nihira hosana. Mihira fiderana «hosana» ho an'ny taranak'i Davida Mpanjaka ny vahoakany. Mpanjaka. fanantenan'ny mino i Jesoa Kristy. Mesia Mpanjaka sady Mpaminany avy any Nazareta any Galilia i Jesoa (and 11).

Fanontaniana :
Ahoana no andraisantsika an'ny Mpanjakantsika ?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12