jeudi 29 mars 2018

Alakamisy 29 Martsa 2018 - Mat 26 : 30 - 35

30Ary rehefa avy nihira ny salamo fiderana26.30 ny salamo fiderana, izany hoe ny Sal 113–118. i Jesoa mbamin'ny mpianany, dia lasa nankany amin'ny tendrombohitra Analanôliva.

31Tamin'izay dia hoy i Jesoa tamin'ny mpianany:
–Anio alina dia handao Ahy avokoa ianareo, satria izao no voalazan'ny Soratra Masina: «Hasiako ny mpiandry, dia hiparitaka ny ondry andrasana26.31 Za 13.7..» 32Fa rehefa tafatsangana velona Aho, dia hialoha anareo any Galilea.

33Dia niteny i Petera ka nanao tamin'i Jesoa hoe:
–Na dia handao Anao avokoa aza ny olona rehetra, izaho kosa tsy mba handao Anao na oviana na oviana.

34Fa hoy i Jesoa tamin'i Petera:
–Lazaiko marina aminao fa anio alina alohan'ny maneno akoho, dia handà Ahy intelo ianao.

35Ary novalian'i Petera hoe:
–Na dia hovonoina miaraka aminao aza aho, dia tsy handà Anao na oviana na oviana.
Ary dia samy nilaza toy izany koa ny mpianatra rehetra.

Mitarika ny mpianany hivavaka i Jesoa

1 - Midera an'Andriamanitra i Jesoa
Eny an-dàlana ho any an-tendrombohitra Oliva i Jesoa mitarika ny mpianatra hiombom-bavaka sy hiatrika ny fijaliany. Manaova fiderana ny Tompo ho fanatanterahana nv sitrapon'ny Tompo Hanatanteraka izay voasoratra momba azy i Jesoa Kristy. Manaiky lzy iharan'ny Tenìn' Andriamanitra (and 31 , Zak 13, 7). Tsy ny ahazoan-javatra na tombontsoa manokana no iderana ny Tompo fa fanaovana ny sitrapon'Andriamanitra.

2 - Manambara nv famojeny ny Tompo
Manambara ny fahafatesany sy ny fitsanganany i Jesoa Kristy. Hovonoina i Jesoa dia hiparitaka ny ondrinv : ny mpianany sy ireo mpanaraka Azy (and 31). Eken'i Jesoa Kristv izany sitrapon'ny Rainy izany mba hahatanteraka ny famonjena ny mpanota. Tsy izay tian'ny olona tokoa ny famonjena fa izay fikasan'Andriamanitra. Tsy maintsy maty i Jesoa ho fibebahany ho antsika : ary tsy maintsy atsangana Izy mba ho santatry ny ahavelomantsika.

3 - Mampibebaka ny mpianatra ny Tompo
Mampibebaka an'i Petera sy ny Apostoly i Jesoa Kristy, fa handà Azy izy ireo. Matotra ny tenin'i Jesoa. handà an'i Jesoa intelo ny mpianany amin'ny ora misasak'alina ka hatramin'ny telo ora maneno akoho. Marina ny tenin'nv Tompo. Mieritrereta dia mibebaha fa tsy mahay mandainga ny Tompo. Tsy fihetsem-po no anompoana ny Toppo fa ho araka ny sitrapon'Andriamanitra.

Fanontaniana :
Ahoanano ahatsapanao ny atao hoe: mivavaka ?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12