Affichage des articles dont le libellé est Mibebaha eo anatrehan'ny Tompo. Afficher tous les articles
Affichage des articles dont le libellé est Mibebaha eo anatrehan'ny Tompo. Afficher tous les articles

samedi 31 mars 2018

Sabotsy 31 Martsa 2018 - Lio 15 : 8 - 10

8–Sa vehivavy iza moa no manana vola firavaka folo nahaverezana anankiray, ka tsy hampirehitra jiro sy hamafa trano ary hikaroka tsara mandra-pahitany azy? 9Ary rehefa hitany, dia vorîny ireo sakaiza sy mpiara-monina ka ilazany hoe: «Miaraha mifaly amiko fa ilay vola firavako very dia hitako indray!» 10Toy izany koa, hoy Aho aminareo, hisy hafaliana ho an'ny anjelin'Andriamanitra amin'ny mpanota anankiray monja miala amin'ny toetra ratsiny.

Mifaly amin'ny fìbebahana ny Tompo
Ity fanoharan’I Jesoa Krisly ity dia iray tarika ka antsoin'ny mpandinika hoe « ny fìfalian 'Andriamanitra ».

1- Mitady ny hareny very ny Tompo
Harena sarobidy amin'Andriamanìtra ny olona.Very tahaka « ilay farantsakely » tadiavin'ny tompony isika. Tafasaraka tamin'Andriamanitra Tompontsika isika noho nv fahotana. Harena sarobidy amin'Andriamanitra ny olona ka tsy tiany ho very na dia iray aza. Nandao ny lanitra sy ny voninahiny i Jesoa Kristv. Nidina sy nitondra ny hazavana hitadiavany tsy miato ny mpanota Izy. Ho an'ny olombelona irery ihany no niavian'i Jesoa Kristy. Farito mazaa tsara izay tena harena eo amin'ny fiainan'ny fiangonana mba hanomezana ny laharam- pahamehana amin'ny fanompoana hotanterahina.

2- Mifaly amin'ny hareny hita ny Tompo
Vokatry ny fitiavan'Andriamanitra ny fibebahan'ny mpanota. Tsy ilay farantsakely no mitady ny tompony fa ny tompony no mitady ilay harena very. Fanapahan- kevitra sy fitiavan'Andriamanitra ny fikarohana ny mpanota. Fandraisan'ny mpanota izanv hitiavan'ny Tompo izany ny fibebahana. Fivoriam-pifaliana any an-danitra sy ety an-tany nv fibebahan'nv mpanota iray (anel 10). Faly Andriamanitra miaraka amin'ny anjeliny arv faly ny fiangonana miaraka amin'ny olom-boavonjy ety an-tany. Izany fifaliana izany no fahasambarana ambaran'nv Filazantsara (Mat 5.9).

Fanontaniana :


Ahoana no atao amin'ny olona mibebaka mba handehanany amin'ny silrapon'Andriamanitra ?

vendredi 30 mars 2018

Zoma 30 Martsa 2018 - Mar 15 : 26 - 38

26Ary ny soratra napetraka hilaza ny nanamelohana Azy dia ny hoe: «Mpanjakan'ny Jiosy». 27Nisy jiolahy roa nohomboana tamin'ny hazofijaliana niaraka tamin'i Jesoa, ka ny anankiray teo ankavanany ary ny anankiray teo ankaviany. [ 28Koa tanteraka ny Soratra Masina manao hoe: «Natao ho isan'ny mpanao ratsy Izy15.28 Jereo Lk 22.37 sy Is 53.12..»]

29Dia nanevateva an'i Jesoa ny mpandalo sady nanifikifi-doha ka nanao hoe:
–Sakoizay, ry Ilay hoe mandrava ny tempolin'Andriamanitra ary manangana azy ao anatin'ny telo andro15.29 Jereo Sal 22.8; Mk 14.58; Jôh 2.19.! 30Vonjeo ny tenanao, ka midîna avy eo amin'ny hazofijaliana!

31Naneso Azy toy izany koa ireo lohandoha-mpisorona mbamin'ny mpahay lalàna ka nifampilaza hoe:
–Namonjy olon-kafa Izy, fa ny tenany tsy hainy vonjena! 32Aoka ilay Mesia, Mpanjakan'i Israely, hidina avy eo amin'ny hazofijaliana ankehitriny, mba ho hitantsika ka hinoantsika!
Dia naneso an'i Jesoa koa ireo niara-nohomboana taminy.

33Tamin'ny mitataovovonana, dia rakotra haizina ny faritany manontolo, ka naharitra hatramin'ny telo tolakandro izany. 34Ary tamin'ny telo tolakandro i Jesoa dia niantso tamin'ny feo mahery nanao hoe:
–Elôỳ, Elôỳ, lemà sabaktàny? (izany hoe raha adika: «Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia nilaozanao Aho15.34 Sal 22.2, voatsiahy araka ny fiteny aramianina.?»)

35Ny sasany tamin'ireo olona nijanona teo, raha nandre izany, dia niteny hoe:
–Indro fa niantso an'i Elià ny anao!

36Tamin'izay dia nisy olona anankiray nihazakazaka nanatsoboka spaonjy tao anaty vinaingitra; dia notohiziny volotara ilay spaonjy ka natohony an'i Jesoa mba hotsentsefiny15.36 Ampit Sa 69.22., sady hoy izy:
–Avelao hoe hojerentsika raha ho avy hampidina Azy tokoa i Elià!

37Fa i Jesoa kosa niantso tamin'ny feo mahery, dia niala aina.
38Ary nitriatra nizara roa hatrany ambony ka hatrany ambany ny efitra lamba tao amin'ny Toeramasina15.38 Jereo Eks 26.31-33..

« Ary natao ho isan'ny mpanota Izy » and 28

1- Ilay Mpanjakan'ny Jiosy
Mpanjakan'ny Jiosy no nilazana an'i Jesoa, satria avy amin'ny Jiosy no famonjena (Jao 4,22 ). Noraisin'ny romana ny valintenin'i Jesoa tamin'i Pilato hoe: « Mpanjaka va ianao ? », « voalazanao » (Jao 18,37). Nanaiky ho faty Ilay Mpanjakan'ny mpanjaka, Ilay Mpitsara izao tontolo izao mba hisolo ny vahoakany teo amin'ny hazofijaliana. Ny mpitsara marina no notsaraina. Nasandratra ho avo teo amin'ny hazofijaliana ho hitan'ny olona i Jesoa Mpanjaka mba hahazoany famonjena.

2- Ilav Mesia Mnamoniy sady Zanak'Andriamanitra
Tsy vonjena ny Tompo fa Mpamonjy; tsy baikon'izao tontolo izao Izy fa manao izay tiany hatao ; tsy azon'ny fakam-panahy sy ny eson-teny ary ny famingavingana horesena. Kristy na Mesia Mpanjakan'ny Jiosy i Jesoa. Ny famonjena izao tontolo izao dia ny faneken'i Jesoa Kristy ny didim-pitsarana. Asan'Andriamanitra ny famonjena ny mpamono olona sy ny mpanota. Fampihavanana nv olombelona amin'Andriamanitra no nataony teo amin'ny hazofíjaliana. Mitondra fíbebahana ho an'izao tontolo izao eo amin'ny hazofijaliana ny Zanak'Andriamanitra. Izany no mampiato ny fahatezeran'Andriamanitra amintsika sy hahatonga antsika ho vita fihavanana aminy. Mitaraina amin'Andriamaniny ho antsika Ilay Olombelona, Lahitokan'Andriamanitra mba hamonjena antsika. Fanokafana ny fanalahidin'ny lanitra hidirantsika ny fahafatesan'i Jesoa Kristy (and 38)

Fanontaniana:
Inona no zava-dehibe amin'ny fahafatesan'i Jesoa ?

jeudi 29 mars 2018

Alakamisy 29 Martsa 2018 - Mat 26 : 30 - 35

30Ary rehefa avy nihira ny salamo fiderana26.30 ny salamo fiderana, izany hoe ny Sal 113–118. i Jesoa mbamin'ny mpianany, dia lasa nankany amin'ny tendrombohitra Analanôliva.

31Tamin'izay dia hoy i Jesoa tamin'ny mpianany:
–Anio alina dia handao Ahy avokoa ianareo, satria izao no voalazan'ny Soratra Masina: «Hasiako ny mpiandry, dia hiparitaka ny ondry andrasana26.31 Za 13.7..» 32Fa rehefa tafatsangana velona Aho, dia hialoha anareo any Galilea.

33Dia niteny i Petera ka nanao tamin'i Jesoa hoe:
–Na dia handao Anao avokoa aza ny olona rehetra, izaho kosa tsy mba handao Anao na oviana na oviana.

34Fa hoy i Jesoa tamin'i Petera:
–Lazaiko marina aminao fa anio alina alohan'ny maneno akoho, dia handà Ahy intelo ianao.

35Ary novalian'i Petera hoe:
–Na dia hovonoina miaraka aminao aza aho, dia tsy handà Anao na oviana na oviana.
Ary dia samy nilaza toy izany koa ny mpianatra rehetra.

Mitarika ny mpianany hivavaka i Jesoa

1 - Midera an'Andriamanitra i Jesoa
Eny an-dàlana ho any an-tendrombohitra Oliva i Jesoa mitarika ny mpianatra hiombom-bavaka sy hiatrika ny fijaliany. Manaova fiderana ny Tompo ho fanatanterahana nv sitrapon'ny Tompo Hanatanteraka izay voasoratra momba azy i Jesoa Kristy. Manaiky lzy iharan'ny Tenìn' Andriamanitra (and 31 , Zak 13, 7). Tsy ny ahazoan-javatra na tombontsoa manokana no iderana ny Tompo fa fanaovana ny sitrapon'Andriamanitra.

2 - Manambara nv famojeny ny Tompo
Manambara ny fahafatesany sy ny fitsanganany i Jesoa Kristy. Hovonoina i Jesoa dia hiparitaka ny ondrinv : ny mpianany sy ireo mpanaraka Azy (and 31). Eken'i Jesoa Kristv izany sitrapon'ny Rainy izany mba hahatanteraka ny famonjena ny mpanota. Tsy izay tian'ny olona tokoa ny famonjena fa izay fikasan'Andriamanitra. Tsy maintsy maty i Jesoa ho fibebahany ho antsika : ary tsy maintsy atsangana Izy mba ho santatry ny ahavelomantsika.

3 - Mampibebaka ny mpianatra ny Tompo
Mampibebaka an'i Petera sy ny Apostoly i Jesoa Kristy, fa handà Azy izy ireo. Matotra ny tenin'i Jesoa. handà an'i Jesoa intelo ny mpianany amin'ny ora misasak'alina ka hatramin'ny telo ora maneno akoho. Marina ny tenin'nv Tompo. Mieritrereta dia mibebaha fa tsy mahay mandainga ny Tompo. Tsy fihetsem-po no anompoana ny Toppo fa ho araka ny sitrapon'Andriamanitra.

Fanontaniana :
Ahoanano ahatsapanao ny atao hoe: mivavaka ?

mercredi 28 mars 2018

Alarobia 28 Martsa 2018 - jao 13 : 12 - 20

12Rehefa voasasan'i Jesoa ny tongotr'ireo mpianany, dia nandray ny lambany Izy ary nipetraka indray; ka hoy Izy tamin'ny mpianany:
–Azonareo ve izay nataoko taminareo? 13Ianareo manao Ahy hoe Mpampianatra sy Tompo, ary marina ny filàzanareo fa izany tokoa Aho. 14Koa raha Izaho Tompo sy Mpampianatra aza no manasa ny tongotrareo, ianareo samy ianareo koa dia mba tokony hifanasa tongotra. 15Eny, nomeko fianarana ianareo mba hanaovanareo toy ny nataoko taminareo. 16Lazaiko marina dia marina aminareo fa ny mpanompo tsy lehibe noho ny tompony ary ny iraka tsy lehibe noho ilay naniraka azy13.16 Ampit and 12-16 sy Lk 22.24-27.. 17Raha azonareo izany, dia sambatra ianareo raha manao izany.

18Tsy ho anareo rehetra no itenenako, satria fantatro izay nofidiko; kanefa aoka ho tanteraka ny tenin'ny Soratra Masina hoe: «Ilay miara-mihina-mofo amiko no nanainga ny ombalahin-tongony hamely Ahy13.18 Sal 41.10..» 19Dieny izao Aho no milaza aminareo alohan'ny hahatongavan'izany, mba hinoanareo rehefa tonga izany fa «Izaho no Ilay hatrizay ka ho mandrakizay13.19 Izaho... mandrakizay: ampit 8.24, 58 sy nta..» 20Lazaiko marina dia marina aminareo fa izay mandray ny hirahiko dia mandray Ahy, ary izay mandray Ahy dia mandray Ilay naniraka Ahy.

I Jesoa Tompo sy Mpampianatra

1- Manompo ny mpianany i Jesoa
Fanompoan'ny mpandray vahiny no nataon'i Jesoa amin'ny fanasana ny tongotry ny mpianany. araka ny fomba jiosy (and 12). Mpampianatra tonga ohatra i Jesoa ary Lehibe tonga mpanompo. Miondrika i Jesoa manasa ny tongotry ny mpianatra, hiditra ao amin'ny fanjakany. Nanaiky ho tonga olona Andriamanitra mba handraisany ny mpanota sy hamonjeny azy.

2- Mampianatra ny mpianany i Jesoa
Mampianatra ny fifanompoana, fifankatiavana 1 Jesoa. Ampidirina ao amin'ny sekolin'ny fanompoana sy ny fanetren-tena ary ny fítiava-namana sy ny fahavalo ny mpianatra. Adino matetika ity fífanompoan'ny kristiana ity « hifanasa tongotraa (and 15). Ampianarin'ny Tompo hifanampy, hifamela heloka sy hifampitondra izay mavesatra ny mpino (Gai 6,2).

3- Manome fahasambarana i Jesoa
Ao amin'ny fampiharana ny tenin'i Jesoa no itoeran'ny fahasambarana (and 17). Tsy ampy ny mahalala an'i Jesoa ho : Mpampianatra. Mpamonjy,.. Fivelomana amin'ny Tenin'ny Tompo no fahasambarana, " sambatra ianareo raha maneto izany". Misy mahalala an'i Jesoa sy miara- misakafo ary manatsoboka ny mofony ao amin'ny lovian'i Jesoa Kristy fa mamadika Azy. Sambatra izay mandray an'i Jesoa ho Tompo sy ny teniny.

Fanontaniana :
Ahoana no anehoana ny fifanompoana kristiana eo amin'ny Fiangonana ?


mardi 27 mars 2018

Talata 27 Mars 2018 - Mar 14 : 3 - 9

3Tany Betania i Jesoa tamin'izay ary tao an-tranon'i Simôna mpivarotra bakoly. Raha mbola teo am-pisakafoana i Jesoa, dia tonga ity vehivavy anankiray nitondra tavoahangy alabasitra feno ilomanitra sarobidy atao hoe narda. Dia novakîn-dravehivavy ny tavoahangy ka naidiny tamin'ny lohan'i Jesoa ny ilomanitra. 4Ary nisy sasany tezitra ka nifampilaza hoe:
–Nahoana no dia lanîna foana tahaka izao ity ilomanitra? 5Azo namidy denàry telonjato mahery iny ka omena ny mahantra ny vidiny!

Dia nolevileven-dry zareo ravehivavy.

6Fa hoy i Jesoa:
–Avelao izy! Nahoana no anaovanareo izay mampalahelo azy? Asa soa iny nataony tamiko iny. 7Ny mahantra moa misy eto aminareo mandrakariva14.7 Ampit Deot 15.11., ka azonareo asiana soa amin'izay fotoana tianareo; fa Izaho kosa tsy mba eto aminareo mandrakariva. 8Nanao izay azony natao izy nanosotra ilomanitra ny tenako dieny mialoha mba hamboarany Ahy halevina14.8 Ny fomba fandevenana jiosy fahizany dia misy fanosorana ilomanitra sy zava-manitra ny razana.. 9Lazaiko marina aminareo fa na aiza na aiza eran'izao tontolo izao hanambarana ny Vaovao Mahafaly, dia holazaina koa izao nataon'ity vehivavy ity izao mba ho fahatsiarovana azy.

Asa fìbebahana

1- Fanosorana menaka an'i Jesoa Kristv
Menaka "manitra narda saro-bidy indrindra" iray tavoara manontolo no nahosotra an'i Jesoa. Nanaiky izany i Jesoa, satria tsy mbola nisy olona nanao fanosorana Azy teto an-tany araka ny fanaon'ny mpisoronabe amin'ny mpanjaka, na ny mpisorona (Lev 8, 12). Noraisin'i Jesoa manetri-tena ho fahamarinana ny nataon'ity vehivavy ity. Mesia Mpisoronabe hitondra ny fahotan'izao tontolo izao i Jesoa Kristy. Vonona hitondra sy handray ny fibebahana sy hamela heloka ny mpanota ny Tompo.

2- Fanamboarana an'i Jesoa halevina
Vonona ho faty sy hitondra fibebahana ho an'ity vehivavy ity sy izao tontolo izao i Jesoa. Manaiky hosorana dieny mbola velona Izy ho fitehirizana ny faty, araka ny fomba jiosy. Dieny mbola velona i Jesoa Kristy no karakaraina, fa rehefa maty izy dia tsy azo hosorana intsony. Andriamanitra velona no Tompo sy tompointsika. Tsy misy mahasakana ny fanoloran-tena feno sy ny fitiavantsika an'i .Tesoa Kristy. Mozotoa manompo.

3- Tsaroan'I Jesoa Kristy izay manosotra Azy
Holazaina miaraka amin'ny fitoriana ny Filazantsara ny nataon-dravehivavy. Sitrak'i Jesoa ny nataon'i Maria sy ny fitiavany (jereo Jao 12,3). Nafoiny ho an'i Jesoa Kristy izav nanany rehetra. Tsy menatra ho sakaizan'ny mpanota i Jesoa Kristy ary tsy menatra ny hanaiky an'i Jesoa ho Tompo i Maria. Manamasina an'i Kristy ao am-pony i Maria (1 Pel 3,15). Mankasitraka ny asa tsara ny Tompo.
Fanontaniana :
Ahoana no fanamasinantsika an'i Jesoa ao am-po ?

lundi 26 mars 2018

Alatsinainy 26 Martsa 2018 - Mat 21 : 1 - 11

1Ary nanakaiky an'i Jerosalema i Jesoa mbamin'ny mpianany sy ny vahoaka tafaraka taminy, ka tonga teo anilan'ny tanàna Betifage, eo amin'ny tendrombohitra atao hoe Analanôliva21.1 Jereo Mk 11.1 sy nta.. Dia naniraka roa lahy tamin'ny mpianany i Jesoa ka nanao taminy hoe:

2–Mankanesa amin'itsy tanàna manoloana anareo itsy. Vantany vao migadona ao ianareo, dia hahita boriky vavy mifatotra sy ny zanany miaraka aminy: vahao ilay boriky vavy dia ento atỳ amiko ombàn-janany. 3Ary raha misy olona manontany anareo, dia valio hoe: «Misy ilàn'ny Tompo21.3 ny Tompo: dkt hafa ny Tompony.  azy!» Dia havelany hoentinareo miaraka amin'izay ny boriky vavy sy ny zanany.

4Izany dia tonga mba ho tanteraka ilay voalazan'ny Tompo tamin'ny alalan'ny mpaminany hoe:

5«Izao lazaina amin'ny mponina ao Tsiôna:
Indro ny mpanjakanareo fa tonga eo aminareo,
feno halemem-panahy sady mitaingina boriky vavy
dia boriky vavy ombàn-janany, zanaky ny mitondra zioga21.5 Za 9.9..»

6Dia nandeha ireto mpianatra ka nanao araka ny nandidian'i Jesoa azy. 7Nentin'izy roa lahy ny boriky vavy ombàn-janany; ary ny mpianatra rehetra dia samy nametraka ny lambany teo ambonin'ny boriky vavy ombàn-janany, ka tambony lamba i Jesoa no nitaingina. 8Be tokoa ny vahoaka namelatra ny lambany teny amin'ny lalan'i Jesoa; ny sasany kosa rantsan-kazo tinapaka no naparitany teny amin'ny lalan'i Jesoa21.8 Ampit 2 Mp 9.13.. 9Ary ny vahoaka izay nialoha Azy sy izay nanaraka dia samy niantsoantso hoe:

«Dera anie ho an'ny Zanak'i Davida!
Hombam-pitahiana amin'ny anaran'ny Tompo anie
Ilay avy!
Dera anie ho an'Andriamanitra any amin'ny avo indrindra21.9 Ampit Sal 118.25-26. –Dera anie: ny rijan-teny grika fototra dia ahitana ny hoe hôsannà, izay voambolana hebreo midika hoe tongava hamonjy anay (Sal 118.25); kanefa nanjary fiteny fihobiana sy fiderana izany tatỳ aoriana.!»

10Ary nony efa tafiditra tao Jerosalema i Jesoa, dia nihotakotaka avokoa ny iray tanàna ka nanontany hoe:
–Iza moa io lehilahy io?

11Dia novalian'ny vahoaka hoe:
–Io no Jesoa mpaminany, Izay avy any Nazareta tanànan'i Galilea!

Miditra an'i Jerosalema ny Mesia

1- Maniraka an'i Jesoa Mesia Mpanjaka Andriamanitra
Irahina ho amin'i Ziona zanakavavy, dia i Jerosalema na ny Fiangonana i Jesoa, Ilay Mesia Mpanjaka. Mpanjaka malemy fanahy, mitaingina zana-boriky miasa » (and 4). Tonga hanompo sy hitondra filaminana ary fiadanana i Jesoa Kristy. Tsy soavaly fampiasan'nv mpanjaka sy ny miaramila no ialain'ny Mesia fa boriky fampiasa andavan'andro. Miditra ny renivohitry ny fanjakana sy nv fivavaliana i Jesoa. Nofidin' nv Tompo ho tanànan'ny famonjena sy ny fiadanana i Jerosalema.

2- Miantso sv maniraka nv mpianany i Jesoa
Irahin'i Jesoa Kristy haka sy hamaha ilay boriky mifatotra sy ny zanany ny mpianatra (und 2). Manaiky hiombon'aina sy fanompoana amin'ny Mpanjakany ny mpianatra. Feno ny hafatra nomen'i Jesoa ny mpianatra. Tondroiny mazava ny toerana haleha sy ny toetran'nv boriky halaina an' ny valin-tenv hatao amin'ny tompony : « Betifaga » na tranon'ny aviavy no heviny ; "zana-boriky mifatotra sy ny zanany, misy raharaha hanalan 'ny Tompo azy".

3- Mandray an'i Jesoa Mpanjaka ny vahoaka
Mandray nv Mpanjakany ny vahoaka : namelatra ny lambanv. nandahatra rantsan-kazo handehanany, nialoha sv nanaraka Azy ary nihira hosana. Mihira fiderana «hosana» ho an'ny taranak'i Davida Mpanjaka ny vahoakany. Mpanjaka. fanantenan'ny mino i Jesoa Kristy. Mesia Mpanjaka sady Mpaminany avy any Nazareta any Galilia i Jesoa (and 11).

Fanontaniana :
Ahoana no andraisantsika an'ny Mpanjakantsika ?

dimanche 25 mars 2018

Alahady 25 Martsa 2018 - Zak 9 : 9 - 11

9Mifalia dia mifalia, ry mponin'i Tsiôna!
Manaova fihobiana, ry vahoakan'i Jerosalema!
Indro ny Mpanjakanareo avy aty aminareo;
marina sady mandresy Izy,
feno halemem-panahy sady mitaingina boriky,
dia boriky tanora zana-borikivavy9.9 Ity and ity dia voalaza ampahany ao amin'ny Mt 21.5 sy Jôh 12.15..
10Hofoanany tsy ho ao Efraîma intsony ny kalesy
ary tsy ho ao Jerosalema ny soavaly fitondra miady
Hopotehiny ny tsipîkan'ady
ary hilaza fiadanana amin'ny firenena Izy.
Ny fifehezany dia hatreo amin'ny ranomasina iray
ka hatrany amin'ny ranomasina iray hafa,
ary hatreo amin'ny onin'i Eofrata
ka hatrany am-paran'ny tany9.10 Hofoanany: araka ny dkt tranainy grika; hebreo RM: hofoanako. I Efraîma eto dia milaza ny fitambaran'ny fanjakan'i Israely na ny fanjakana avaratra. hatreo amin'ny... iray hafa: izany hoe hatreo amin'ny Ranomasina Maty ka hatrany amin'ny Ranomasina Mediteranea..

11Dia hoy ny Tompo hoe:
«Ny aminareo kosa, ry mponin'i Tsiôna,
noho ianareo nanaovako fanekempihavanana
izay nohamafisina tamin'ny ran-tsorona,
no efa namoahako ny mpigadranao
toy ny avy tao an-davaka tsisy rano.

Mampifaly ny zanak'i Ziona Andriamanitra

1- Maniraka ny Mesia Mpanjaka Andriamanitra
"Mpanjaka Marina Izy sady manam-pamonjena" , "Mpanjaka malemy fanahy". Tonga ny Mpanjaka andrasan'ny Zanak'i Isiraely. Ao Jerosalema no idirany hitondra fifaliana sy fahasambarana. Ambaran'ny mpaminany fa tsy mitaingin-tsoavaly tahaka ny mpanjakan'ny fìrenen-kafa Izy, fa zana-boriky tanora. Mpanjaka tsy hampiasa ny herin'ny tafika fa ny herin'ny fandeferana sy ny fanetren-tena. Mesia mitondra famonjena ho an'ny vahoakany. Fanafahana amin'ny fahotana sy famerenana ny Isiraely amin'ny fanekena.

2- Manorina fiadanana sy fanekena ny Mpanjaka
Apetrak'Andriamanitra ho an'ny Mesia Mpanjaka ny fanorenana ny fiadanana ho an'ny Isiraely sy ny jentilisa (and 10). Hotanterahin'ny Mesia nv fiadanana : tsy hisy ny kalesy sy soavaly ary ny tsipika ho fiadiana fanafihana. Tsy hiady an-trano ny Isiraely ary tsy hiady amin'ny jentilisa. Ho mpihavana ny Isiraely sy ny jentilisa. Andriamanitra no Mpanjakan'ny tany rehetra sy ny ranomasina ary ny Ony. Manao fanekena amin'ny Isiraely Andriamanitra. Mamoaka ny mpifatotra amin' "ny ran 'ny fanekena" (and 11). Tandindon'i Jesoa Kristy nohomboana tamin'ny hazofijaliana izany. Mamaha ny olona fatoran'ny fahotana sy ny devoly ary ny voafonja vokatry ny tsy fahamarinana ny fanekena ataon'ny Tompo.

Fanontamana :
Manao ahoana ny fidiran'i Jesoa Kristy Mpanjaka ao amin'ny fiangonana sy ny fandraisana Azy ?

samedi 24 mars 2018

Sabotsy 24 Martsa 208 - II Tan 30 : 1 - 9

1-5Ny mpanjaka Hezekià sy ny manampahefana ary ny mpiangona rehetra tao Jerosalema dia niara-nandinika momba ny tokony hankalazana ny Paska amin'ny volana faharoa30.1 Jereo Nom 9.1-13.. Tsy nisy nahafahana nankalaza izany tamin'ny vaninandro manandrify30.1 Izany hoe mandritra ny volana voalohany amin'ny taona, jereo Eks 12.1-11., satria tsy mbola ampy isa ireo mpisorona nahavita ny fidiovan-tenany; ary ny vahoaka koa tsy mbola vory tao Jerosalema. Sitraky ny mpanjaka sy ny mpiangona rehetra izany eritreritra izany; ka tapaka ny hevitra fa handefasan-teny eran'i Israely manontolo hatrany Beera-Seba ka hatrany Dana mba hahatongavan'ny olona hankalaza ny Paska ao Jerosalema ho fanajana ny TOMPO Andriamanitr'i Israely. Vitsy manko ny olona nankalaza izany araka ny voasoratra. Dia nandefasan'i Hezekià iraka ny faritra rehetra amin'i Israely avaratra sy i Joda mba hanainga ny olona ho tonga ao an-tranon'ny TOMPO any Jerosalema ka hankalaza ny Paska ho fanajana ny TOMPO Andriamanitr'i Israely; nanoratra taratasy fanasana mihitsy aza i Hezekià ho an'ny foko efraimita sy manasita. 6Dia lasa ireto iraka haingam-pandeha nitety ny faritra rehetra amin'i Israely sy i Joda, ombàn'ny taratasy avy tamin'ny mpanjaka sy ny manampahefana; araka ny didin'ny mpanjaka, dia izao no teny nolazainy:

–Ianareo Israelita izay sisa tavela tamin'ny famelezan'ireo mpanjakan'i Asiria, miverena amin'ny TOMPO Andriamanitr'i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba. 7Aza manahaka ny ray aman-dreninareo sy mpiray tampo aminareo, fa nivadika tamin'ny TOMPO Andriamanitry ny razany izy ireo ka dia natolony ho amin'ny faharavana araka izao hitanareo izao. 8Koa aza manamafy hatoka toy ny nataon'ny razanareo ianareo, fa manomeza toky hanompo ny TOMPO ka tongava ao amin'ny tempoliny izay efa natokany hanan-kasina mandrakizay; eny, manompoa ny TOMPO Andriamanitrareo mba hialan'ny fahatezerany mirehitra aminareo. 9Fa raha miverina amin'ny TOMPO ianareo, dia hahazo famindrampo ireo mpiray firenena sy mpiray fianakaviana aminareo eo anatrehan'izay nitondra azy ho babo, ka dia ho tafaverina indray amin'ity tany ity. Miantra sy mamindrafo tokoa manko ny TOMPO Andriamanitrareo, ka tsy hiambohoany ianareo raha miverina aminy.
10Dia notetezin'ireto iraka faingam-pandeha ny tanàna amin'ny faritra efraimita sy manasita ka hatrany amin'ny faritra zebolonita; fa nihomehezan'ny olona sy novazivaziny foana ireo.

« Miverena amin 'i Jehovah ry Isiraely »

1- Tandremo ny Paskan'i Jehovah
Fotoana "fanamasinana" ny tempoly sy ny mpisorona mpanao fanompoana ny Paska (ampitahao Nom 9,6-13). Manana anjara fanompoana manokana amin'ny fikarakarana an'i Jerosalema sy ny tempoly ny taranak'i Davida Mpanjaka. I Jerosalema no renivohitr'ny fiangonana sy ny firenen'ny Isiraely sy ny Joda ka mihevitra "ny hitandremana ny Paska amin 'ny volana faharoa ny mpanjaka sy ny fìangonana" (and 2).

2- Miverena amin'i Jehovah
Ny fiakaran'ny vahoaka rehetra manatona an'i Jerosalema no marikv ny fibebahana. Maniraka ny irany ny mpanjaka hitety ny tanin'ny Isiraely hiakaran'ny olona any Jerosalema. Mandrava ny fltsitokotokoan'ny foko roambinifolo amin'ny Isiraely no ataon'i Hezekia mpanjaka. Antsoina ny vahoaka sy ny mpisorona hanolo- tena amin'Andriamanitra, hiditra amin'ny fitoerana masina sy hanompo an'i Jehovah ao (and8).

3- Miantra sy mamindra fo i Jehovah
Ny fitiavan'i Jehovah lalim-paka ny Isiraely no handraisany ireo izay miverina sy mibebaka aminy. Ny mpambabo, ny Babyloniana izany, dia tsy ahazo mitazona izay te hiverina any Jerosalema. Fitiavana no miandry sy asetrin'ny Tompo izay mibebaka na miverina aminy. Mialoha mandrakariva izay mety ho fanenenan'ny olona sy ny fibebahan'ny olona ny famelan-keloka.

Fanontaniana :
Manao ahoana ny toe-pon'Andriamanitra sy ny toe- pontsika mandray izay mibebaka?

vendredi 23 mars 2018

Zoma 23 Martsa 2018 - II Kor 7 : 5 - 10

5Na dia tonga tany Masedônia7.5 Ampit 2.13. tokoa aza izahay, dia tsy nisy hilaminanay mihitsy, fa nifandafaram-pahoriana izahay: teo ivelany, nisy ady namelezana anay; tao anatinay, nisy tahotra. 6Kanefa Andriamanitra, Izay mampahery ny ory fo, dia nampahery anay tamin'ny nahatongavan'i Tito; 7ary tsy ny nahatongavany ihany no nampahery anay, fa ny fampaherezana azony taminareo koa: notantarainy taminay fa maniry mafy hihaona amiko indray ianareo, sady nitomany noho ny zava-nitranga ary nazoto hanaiky ahy; ka dia vao mainka faly aho.

8Fa na dia nampalahelo anareo aza ny taratasy nosoratako7.8 Jereo 2.3 sy nta., dia tsy anenenako ankehitriny. Nanenenako ihany izany nony hitako fa noseranin'alahelo ianareo. 9Kanefa mifaly aho ankehitriny, tsy noho ny nampalahelovako anareo, fa noho ny alahelonareo nahatonga anareo hiala amin'ny toe-dratsy. Eny, alahelo araka an'Andriamanitra ny anareo, ka tsy nitondra fatiantoka avy aminay ianareo. 10Satria ny alahelo araka an'Andriamanitra dia mahatonga hiala amin'ny toe-dratsy7.10 hiala amin'ny toe-dratsy: jereo ny FTS ao amin'ny voambolana hoe FIBEBAHANA., mba hiroso amin'ny famonjena tsy anenenana; fa ny alahelon'izao tontolo izao kosa dia mahatonga fahafatesana.

Mahasoa ho fibebahana ny Soratra Masina

1- Mampionona ny Apostoly ny Tompo
Ady mafy no natrehan'nv Apostoly tamin'nv fitoriana ny Filazantsara sy ny fananganana fiangonana, tahaka ny tao Korinto. Fahoriana no itoriana sy itarihana ny fiangonana hitoetra amin'ny Tompo : ady. tahotra (and 5). Tsv avelan'ny Tompo hiasa irerv sy hiraviravy tànana nv mpanompony. Fampiononana lehibe ny fanirahan'ny Tompo an'i Titosy hanampy azy. Tahaka izany koa ny hafatry nentin'i Titosy amin'nv fanirian'ny fiangonana sy ny fanekeny nv Apostoly (and 7).

2- Nv Soratra Masina tsv anenenana
Manoratra ny Epistily ny Apostoly amin'ny fitondram- piangonana sy fitaizana ary ny fanabeazana ny kristiana tanv Korinto. Misy ny Epistilv voalohanv talohan'ity ka nampalahelo ny mpino tamin'izany (and 8 , jereo 2 Kor 2, 12-13). Ambara fa fampahalahelovina araka an' Andriamanitra ny Korintiana (and 9). Ny fandaminana sy ny fandrindram-piangonana dia hevitr'Andriamanitra hitarihana ny olona ho amin'i Kristy.

3- Nv Soratra Masina mampibebaka
Alahelon'ny fíangonana sy ny Apostoly no hitantsika eto. Nampibebaka, nampiova fo sy hevitra ny Korintiana ny Soratra ny Apostoly (and 10). Niteraka famonjena ny fanahin'ny mpino izany. Raiso am-pifaliana ny Tenin' Andriamanitra rentsika sy torina, na vakina fa mitondra famonjena tsy anenenana izany.

Fanontaniana :
Inona no fifandraisan'ny Soratra Masina sy ny fandaminam-piangonana ary inona no vokany?

jeudi 22 mars 2018

Alakamisy 22 Martsa 2018 - Mal 2 : 1 - 6

1-2«Izao no fampitandremana ataon'ny TOMPOn'izao rehetra izao aminareo, ry mpisorona:
–Raha tsy mihaino Ahy sy tsy miezaka ny hanome voninahitra ny anarako amin'ny fonareo ianareo, dia halefako hamely anareo ny ozona. Fa hovako ho ozona ny fitahiana nampanantenaiko anareo; eny, hataoko izany satria tsy tamin'ny fonareo marina no nandraisanareo ny didiko. 3Efa mandrahona sahady ny taranakareo Aho; ianareo kosa hamafazako tain-droroha eny an-tavanareo, dia ny tain-drorohan'ireo biby nataonareo sorona tamin'ny andro fety; ary hoesorina miaraka aminy koa ianareo. 4Dia ho fantatrareo fa Izaho TOMPOn'izao rehetra izao no efa nampitandrina anareo mba haharetan'ny fanekempihavanako amin'ny levita2.4 Ny fanekempihavanana tamin'ny levita dia tsy voalaza mazava na aiza na aiza ao amin'ny Testamenta Taloha na Fanekempihavanana Taloha. Ny mifanaraka amin'izany dia izao: ny taranak'i Levỳ irery ihany no afaka manao ny asan'ny mpisorona.. 5Ny fanekempihavanako taminy dia ahazoany fiainana sy fiadanana. Nomeko azy izany mba hanajany Ahy; ka dia nanaja Ahy sy nangovitra teo anatrehan'ny anarako izy. 6Marina ny fampianarana nomeny ary tsy nisy fitaka teo amin'ny molony. Tamim-pahatoniana sy tamim-pahitsiana no niarahany tamiko ka nandreseny lahatra olona marobe hiala amin'ny faharatsiana.

Omeo voninahitra ny anaran'i Jehovah

Taorian'ny fiverenana avy tamin'nv fahababoana tany Babylona dia nipoitra ny olona ara-tsosialy sy fihariana ary fivavahana teo amin'ny Isiraely (Mal 3.5). Tratran'ny tsy físian-kanina ny fìrenena, tsy nazoto tamin'ny fivavahana sy fanaterana fanatitra tao amin'ny tempoly ny fiangonana (Mal 1. 7-8). Nalaim-panahy ihany koa ny taranak'i Levy sy ny mpisorona ka nandao ny fanompoany ka nanao asa tany ivelany. Nafoin'izy ireo ny asa fisoronana voatokana ho azy irerv ihany.

1- Jehovah manozona izav tsv mibebaka
Tsy vahaolana amin'ny ozona mihatra ny fandaozana an' Andriamanitra sy ny ny fivavahana aminy. Efa mihatra izany ozona izany : ho faty ny ambioka : « hofenoiko lavenona ny lavanareo » ; ary ariana tahaka ny lavenona Isiraely (and 3). Vahaolana hialana amin'ny loza ny fibebahana avy amin'ny fihainoana ny tenin'ny Tompo.

2- Loharanom-pitahiana ny tenin'i Jehovah
Ny fanekena nataon'i Jehovah tamin'ny taranak'i Levy na ny mpisotona dia fiainana sy fiadanana. Nv fiainana ny fanekena no nitoeranv tao amin'nv fiadanana : fahamarinana. fahitsiana ary nitaominy ny isiraely ho amin'nv fibebahana. Miteny amin'ny mpisorona mpanao físoronana sy fanompoana ao amin'i tempoly i Jehovah. Miverena ho amìn'i Jehovah sy ny fanompoana Azv. Izany no làlan'ny fahamarinana : izanv no fialana amin'ny heloka ary izany no fanalana ny ozona sy ny tsy fahombiazana eo amin'ny firenena sy ny fiangonana.

Fanontaniana :
Ataovy ny fampiharana eo amin'ny fiangonana?

mercredi 21 mars 2018

Alarobia 21 Martsa 2018 - Lio 15 : 1 - 7

1Fatra-panatona an'i Jesoa avokoa ny mpamory hetra sy ny mpanota mba hihaino Azy. 2Hany ka nimonomonona ny Farisianina sy ny mpahay lalàna nanao hoe:
–Rangahy io ny mpanota no ifandraisany sy iarahany misakafo15.2 Araka ireo fepetran'ny mpampianatra jiosy, dia manjary maloto izay miara-misakafo amin'ireo malaza ho mpanotabe.!

3Koa ho azy Farisianina sy mpahay lalàna no nanaovan'i Jesoa ity fanoharana ity:
4–Lehilahy iza moa, araka ny hevitrareo, no manana ondry zato nahaverezana anankiray, ka tsy hamela eny an-kijàna ny 99 ary hiezaka hitady ilay tokana very mandra-pahitany azy? 5Ary rehefa hitany, dia entiny eo an-tsoroka an-kafaliana. 6Dia lasa izy mody any an-trano ary vorîny ireo sakaiza sy mpiara-monina ka ilazany hoe: «Miaraha mifaly amiko fa ilay ondriko very dia hitako indray!» 7Toy izany koa, hoy Aho aminareo, hisy hafaliana any an-danitra amin'ny mpanota anankiray monja miala amin'ny toe-dratsiny fa tsy amin'ny olo-marina 99 tsy mila fialana amin'ny toe-dratsy.

Mahafaly ny Tompo ny fibebahana
1- Manatona nv Tompo ny olona mibebaka
Famaritana omen'ny Soratra Masina eto fa ny fanatonana an'i Jesoa Kristy no tena fibebahnna marina. Manapa-kevitra ireo mpamory hetra sy ny mpanota "nanatona ihaino an'i Jesoa"(and 1). Raisinv sv asandrany izay manatona sy mihaino nv teniny : "ataony eny an-tsoronv" (and 5). Mahafaly an'i Jesoa ny mahita ìndrav nv ondriny very, dia ny mpanota mibebaka. Tsy menatra izay manatena Azv i Jesoa. Tokana aman-tanv ny olona tsirairay ; tian'i Jesoa ka tsy maintsv mitady azv ireo izy.

2- Mitadv ny very ny Tompo
Maro nv olom-boavonjy, fa tena sarobidy omin'ny Tompo ny anankiray very amin'ny ondriny. Hamonjy ny olona rehetra mpanota sy very no antony manokana nidinan'Andriamanitra ety an-tany. tamin'ny alalan'i Jssoa Kristy. Mitadv ny maditranv i Jesoa. Tsy misy manana hevitra sy ho afaka mamonjy ny mpanota afa-tsy i Jesoa irery ihany. Manan danja sady sarobidy anin'i Jesoa ny olembelona. Mitady sy manangona ny very Izy.

3- Mifalv miaraka amin'nv Tomno nv anv an-danitra
Miomboni-pifaliana ny mponina any an danitra renefa mibebaka ny mpanota. Mampiray fifaliana ety an-tany sy ny any an-danitra nv fibebanana ao amin'i Jesoa Kristv. Isan'nv làlana ahatongavan'ny mpanota any an-danitra ny fíbebahana. Mahita antsika ny Tompo ao amin'ny fibebahana marina tokoa.

Fanontaniana :
Tena mifady amin'ny fibebahan'ny olona iray tokoa ve ny Fangonana ? Manomeza ohatra.

mardi 20 mars 2018

Talata 20 Martsa 2018 - Mar 6 : 7 - 13

7Dia nantsoiny hankeo aminy ny 12 lahy ary nirahiny tsiroaroa ka nomeny fahefana handroaka ny fanahy maloto. 8Ary izao no hafatrafatra nataony taminy:
–Aza mitondra na inona na inona rehefa handeha, afa-tsy tehina; aza mitondra vatsy na kitapom-batsy na vola am-paosy; 9manaova kapa ary aza mitondra akanjo hisoloana.

10Dia hoy koa Izy taminy:
–Izay trano hampandrosoana anareo no itoero mandra-pialanareo ny tanàna. 11Ary izay toerana tsy handraisan'ny olona anareo na tsy hihainoany anareo, dia ialao; ka ahintsano eo ny vovoka avy amin'ny tongotrareo6.11 Ny manintsana ny vovoka avy amin'ny tongotra ka nipetaka tamin'ny moron-tongotr'akanjo dia fihetsika enti-milaza fandaozana sy fisarahana tanteraka; afaka adidy amin'ireo olona natao hitoriany manko ny iraka. Ampit Asa 13.51; 18.6. ho fiampangana azy.

12Dia lasa izy 12 lahy ary nitory tamin'ny olona fa hoe tokony hiala amin'ny toe-dratsy. 13Demony maro no noroahiny ary marary maro no nohosorany diloilo6.13 Ampit Jak 5.14. ka nositraniny.

Miantso sy maniraka ny mpianany i Jesoa.

1- Hitory ny fibebahana
Hafatra ampitondrain'i Jesoa Kristy ho entin'ny mpianany ny antso ho amin'ny fibebahana. Ny fibebahana ambaran'i Jesoa Kristv eto dia ny famahana nv olombelona. izay fatoran'ny demomia sy ny fanahy maloto. Ireo no mamatotra nv olombelona tsv ho afa-manalona sy mibebaka eo anatrehan'i Jesoa Kristy. Tsy misy olona afaka mamaha fatorana nv tenany fa maniraka ny mpanompony i Jesoa hitondra fahafahana ho azv.

2- Maniraka ny mpianatra tsv handeha irery
Manambara ny fomba fiasa i Jesoa mba hahatongavan'ny mpanota ho amin'ny fìbebahana ary hitandremana amin'nv fanefana iraka. Tsy mandeha irery rehefa hitorv amin'ny tanàna sy vohitra. hamoaka fanahy maloto sy ny demonia; tsy hanana fanahiana amin'ny sakafo sy ny fítafìana fa hatoky nf fitantanan'i Jesoa Krisly. Izy no manome ny olona hampiantrano ny irany (and 10).

3- Manome fahefana nv mpianatra
Omen'ny Tompo fahefana ny irany mba hahatanteraka ny ny asanv. Mialoha nv handehanana dia omeny maimaimpoana izany fahefana izany fa tsy angatahina. Fahefan'i Jesoa Kristy no mandrava ny fahotana sy ny asan'nv demonia ao amin'ny olona na ny mpanota. Izanv koa no mahatonga ny iraka ho mahatoky sy hahatokv nv Tompo manoloana ny ady atrehany. Mampitombo isa ny mpino i Jesoa sady hampiantrano ny iranv.

Fanontaniana :
Ahoana no hitehirizana ny olona irahina ho mahatoky hatrany amin'ny asan'ny Tompo ?

lundi 19 mars 2018

Alatsinainy 19 Martsa 2018 - Heb 6 : 1 - 6

1Noho izany, aoka hilaozantsika ny abidim-pianarana momba an'i Kristy, fa aoka isika handroso amin'ny fampianarana sahaza ny olon-dehibe. Tsy hoe fanorenana indray no hataontsika: dia ny tokony hialana amin'ireo asa mitondra fahafatesana sy ny tokony hinoana an'Andriamanitra, 2ny fampianarana momba ny batisa samihafa6.2 batisa samihafa: mety hilazana ireo fombam-pivavahana fidiovana fanaon'ny Jiosy sy fanaon'ny hafa firenena izany, na ny fombafomba isan-karazany arahina amin'ny fanaovana batisa kristianina, na koa ny fanavahana ny batisan'i Jôhany sy ny batisa kristianina (ampit Asa 18.25; 19.3-6). sy ny fametrahan-tanana ary momba ny fitsanganan'ny maty ho velona sy ny fitsarana mandrakizay. 3Fa ny mandroso amin'ny fampianarana sahaza ny olon-dehibe, izany no hataontsika raha avelan'Andriamanitra.

4Ahoana kosa ny amin'ireo niverina tamin'ny toe-dratsy? Efa nohazavain'Andriamanitra indray mandeha ireo, efa nanandrana ny fanomezana avy any an-danitra ary efa nandray anjara tamin'ny Fanahy Masina, 5efa nahatsapa fa tsara ny tenin'Andriamanitra ary efa nahatsapa ny asa mahagaga vokatry ny fiainana ho avy, 6kanefa dia niverina tamin'ny toe-dratsy. Tsy azo havaozina indray ireo mba hiala amin'ny toetra ratsiny, satria manombo ilay Zanak'Andriamanitra amin'ny hazofijaliana indray sady manolotra Azy halàm-baràka6.6 Ampit 10.26..

Mandrosoa ao amin'i Kristy

1 - Mandao nv abidim-pianarana nv amin'i Kristv
Mampianatra ny fiangonana ny Apostoly mba hitombo amin'ny finoana sy ny fitondran-tena kristiana ka hiala amin'nv abidim-pianarana ny amin'i Kristy. Tarihana hitombo ao amin'i Kristv ny mino fa tsy ho mpanao tsianjerv ny asa famonjen'i Jesoa Kristy. Tanisaina eto ny fiandohan'ny fiainana kristiana: ny fibebahana. ny batisa, ny finoana an'Andriamanitra, ny fametrahan-tanana, ny fitsanganan'ny matv ary nv fiainana mandrakizay. Fiainan' « ny zaza bodo » hov, ny Hebreo 5, 13. Rehefa lehibe kosa izy dia mahav manavaka nv tsara sy ny ratsy sady manana safidy sy fanapahan-kevitra .

2 - Mandroso ao amin'i Jesoa Kristv
Vokatry ny fanazavana sy fandraisana ny fanomezana avy any an-danitra, dia ny Fanahy Masina, ny fitomboana ara- panahy (and 4). Fiainana ny fahatsaran'ny Tenin' ny Tompo ihany koa. Indray mandeha ihany ny fibebahana, izay marihana amin'ny Batisa. Indray mandeha ihany koa i Jesoa Kristv no manaiky homboana amin'ny hazofijaliana. Ny fiverenan-dàlana indray ho amin'ny fahotana dia mitovy amin'ny fitenenan-dratsy ny Fanahy Masina (Lio 12. 10). Miorena amin'ny fitiavana, dia ny fìfanompoana eo amin'ny samy mpino. Tohano ny kristiana sahirana, ka samy hanao izany tokoa amin'ny fifaliana (and 11). Mahavokatra tsara ho an'ny hafa izay nandray ny fitahian'ny Tompo. araka ny voatanisa teo.

Fanontaniana :
Ilain'ny Fiangonana tokoa ve ny fananarana mafy ataon'ny Apostoly tahaka izao ? Hazavao .

dimanche 18 mars 2018

Alahady 18 Martsa 2018 - Jer 36 : 1 - 10

1Tamin'ny taona fahefatra nanjakàn'i Jôiakima zanakalahin'i Josià sady mpanjakan'i Joda36.1 Taona fahefatra nanjakàn'i Jôiakima: jereo 22.13; 25.1 sy nta., no tonga tamin'i Jeremià izao teny avy tamin'ny TOMPO izao nanao hoe: 2«Makà horonan-taratasy ianao, ka soraty ao ny hafatra rehetra izay nampitondraiko anao ny amin'ny fanjakan'i Israely sy ny fanjakan'i Joda ary ireo firenen-kafa rehetra, hatreo amin'ny andron'i Josià fony Aho vao nanomboka niteny taminao ka mandraka androany. 3Angamba hahatakatra ny fikasàko handefa loza aminy ny olon'i Joda, ka samy hiala amin'ny fitondrantena ratsiny, dia havelako ny heloka amam-pahotany.»
4Dia niantso an'i Baròka zanakalahin'i Nerià i Jeremià, ka nanonona taminy ny hafatra rehetra izay nampitondrain'ny TOMPO azy; ary nosoratan'i Baròka tamin'ny horonan-taratasy ireny.
5Avy eo dia nandidy an'i Baròka i Jeremià hoe: «Sakanana tsy hiditra ao an-tranon'ny TOMPO aho, ka tsy afaka mankany ny tenako. 6Fa ianao kosa, mankanesa ao amin'ny andron'ny fifadian-kanina, dia vakio mafy ao ny hafatry ny TOMPO izay efa notononiko ka efa voasoratrao, ary ataovy ren'ny olona ao amin'ny tempoly mbamin'izay rehetra tonga avy amin'ireo tanànan'i Joda izany. 7Angamba hamboraka fifonana amin'ny TOMPO izy ary hiala amin'ny fitondrantena ratsy; satria efa nilaza ny TOMPO fa tena tezitra sy vinitra tamin'ity vahoaka ity.»

8Dia nataon'i Baròka izay rehetra nandidian'i Jeremià mpaminany azy, ka nankao an-tranon'ny TOMPO izy ary namaky mafy ny hafatry ny TOMPO voasoratra tao amin'ny horonan-taratasy. 9Tamin'ny volana fahasivy, taona fahadimy nanjakàn'i Jôiakima, zanakalahin'i Josià sady mpanjakan'i Joda36.9 Ny volana fahasivy dia mifanandrify amin'ny volana Nôvambra na Desambra, ka fotoanan'ny hatsiaka any Palestinina (jereo and 22 sy ny FTS amin'ny voambolana hoe FANISANANDRO). , no nisehoan'izany, raha nantsoina hanao fifadian-kanina teo anatrehan'ny TOMPO ny mponina rehetra tao Jerosalema sy ny olona rehetra avy amin'ireo tanànan'i Joda. 10Koa teo imason'ny olona rehetra vory tao an-tranon'ny TOMPO no namakian'i Baròka mafy ny hafatr'i Jeremià voasoratra tao amin'ny horonan-taratasy. Teo amin'ny efitrano natokana ho an'i Gemarià, zanakalahin'i Safàna izay mpitantsora-panjakana taloha, no nakany toerana fa io efitra io dia teo an-kianja ambony, akaikin'ny vavahady vaovao amin'ny tranon'ny TOMPO.

Mampibebaka ny mpanjaka sy ny Joda Andriamanitra

1- Mampanarotra an'i Jeremia Andriamanitra
Raketina an tsoratra ny Tenin'Andriamanitra ampitama amin'ny mpanjaka sy ny Joda. Miala nenina aminy ny Tompo mba hitebahany ka hialany amin'ny fanompoan- tsampy sy ny tsy fanekena ny sitrapon'Andriainanitra. Miantehatra amin'ny Egyptiana i Joakima mba hanoherana ny Babyloniana (2Mpa 24) fa tsy mihaino izay teny entin'i Jeremia avy amin'i Jehovah. Manome Teny hampitsaharana ny loza i Jehovah, raha nanaiky ny mpanjaka sy ny mpanapaka ary ny Joda (and 3).

2- Mampanoratra an'I_Baroka I Jeremia
Ampitain'ny mpitantsoratr'i Jeremia, i Baroka, amin'i Joda sy ny mpanjaka ny Tenin'i Jehovah. Tsy afaka mankany amin'nv tempoly i Jeremia noho ny antony manokana, nefa mbola tsy tany am-ponja izy tamin'izany (jereo Jer 19 : 26). Tsy voasakana ny tenin'Andriamanitra hampibebaka ny mpanjaka sy ny vahoakany. Tsy manatanteraka ny fikapohana Andriamanitra raha tsy efa nananatra sy niala nenina

3- Mampiala amin'nv fivavahan-diso Andriamanitra
Mivavaka sv mifady hanina nv Joda fa tsy mihaino nv tenin'Andriainanitra (and 6). Fivavahana tsv mampiala amin'ny fahotana sy ny ratsy ny fivavahan'ny Joda. Mitarika azy i Jehovah mba hanenina sy hiala amin'ny fahotany (and 7). Izany no fahamarinan'i Jehovah.

Fanontaniana :
Tena manaiky ny fahefan'ny Tenin' Andria.nanitra ve ny fiangonana sy ny mpitarika ?

samedi 17 mars 2018

Sabotsy 17 Martsa 2018 - Sal 25 : 4 - 11

4TOMPO ô, ampahafantaro ny lalanao aho
ary ampianaro hiaina araka ny sitrakao.
5Tariho amin'ny fahamarinanao aho ka ampianaro,
satria Ianao no Andriamanitra mpamonjy ahy
sady hany ianteherako isan'andro.
6Tsarovy, TOMPO ô, fa hatrizay hatrizay
dia be indrafo sy be fitiavana Ianao.
7Koa hadinoy ny fahotako, fony aho tanora;
eny, hadinoy re izay hadisoana vitako;
nefa mba tsarovy kosa aho, TOMPO ô,
satria be fitiavana sy tsara fo Ianao.

8Tsara fo sy mahitsy tokoa ny Tompo
ka ny mpanota toroany lalan-kaleha,
9ny ory tarihiny amin'ny hitsiny
sady ampianariny ny sitrapony.
10Ny torohevitra rehetra ataon'ny TOMPO
dia maneho fitiavana tsy miova
ho an'izay manaraka ny baiko
raketin'ilay fanekempihavanany.
11TOMPO ô, mba ho voninahitrao,
dia avelao ny heloko na lehibe aza.

Mivavaka amin'ny tlnoana ny mino

Salamo abidy fampiasa andavanandro sy amin'ny fanomjoam pivavahana teo amin'ny Isiraelv ity Salamo ity. Manao vavaka i Davida eo amin'ny andininy faha 4 - 7; arv ny andininy faha 8-15 dia fanambarany ny fahalalana sy fahatokiana an'Andriamanitra.

1- Mibebaka nv olona matahotra an'i Jehovah
Mibebaka izay matahotra an'i Jehovah. Mibebaka ny amin'ny fahotana vitany izy (and II). Mizara roa ny fotoana nanotany ka ibebahany: tamin'ny andron'ny fahatonorany ary amin'izao itenenany izao. Tsy ampy ny mijanona eo amin'ny fiaiken keloka fa mandroso sy miaina amin'nv fiainana vaovao. Mangataka hizotra amin'ny tenin'Andiiamanitra na ny làlan'i Jehovah (and 4). Mangataka ny fampianaran'Andriamanitra ny fahamarinana sy ny fanantenana izy (and 5). Matoky ny Tompo ny mpanompony fa tsy miova i Jehovah.

2- Mahatokv sy marina Andriamanitra
Miorina amin'ny finoana an'Andrìamanitra ny vavaka ataony. Manana fanekem-pinoana matotra ny mpanao Salamo ka ilazany an'Andriamanitra. Tsara sy mahitsy i Jehovah (and 8) ; marina sy mamindra fo (and 10). Tsy masiaka ainin'izay matahotra azy Izy ary mampianatra nv mpanota handeha amn'ny fahamarinana. Io toetran' Andriamarhra tsy reraka mampianatra sy mandefitra io no fanantenan'ny mpanota sy ny diso làlana ka te hiverina Aminy. Raisiny izay rehetra manatona azy.

Fanontaniana :
Tena manaiky hampianarin'Andriamanitra ve isika kristiana ankehitriny raha mibebaka ?

vendredi 16 mars 2018

Zoma 16 Martsa 2018 - II Sam 24 : 10 - 17

10Nahatsiaro ny tenany ho meloka i Davida taorian'ilay fanisam-bahoaka; ka hoy izy tamin'ny TOMPO:
–Fahotana lehibe no vitako tamin'izao nataoko izao. Koa ankehitriny mifona aminao aho, TOMPO ô, mba avelao ny heloko fa efa nanao fahadalana lehibe tokoa aho.

11Rehefa nifoha i Davida ny ampitso maraina, dia tonga tamin'i Gada mpaminany mpanolotsain'i Davida ny tenin'ny TOMPO nanao hoe:

12–Ndeha ambarao amin'i Davida hoe: «Izao no lazain'ny TOMPO: Famaizana telo no ataoko eo anoloanao, koa fidio izay iray hampihariko aminao.»

13Dia nankany amin'i Davida i Gada ka nanambara taminy ny hafatr'Andriamanitra nanao hoe:
–Mosary fito taona hamelezana ny taninao ve no tianao, sa ny handosiranao telo volana eo anoloan'ny fahavalo izay manenjika anao, sa aretina pesta mandritra ny telo andro eto amin'ny taninao? Koa saino sy hevero tsara izay valin-teny hoentiko amin'Ilay naniraka ahy.

14Ary hoy i Davida tamin'i Gada:
–Sanganehana mafy aho; nefa aleoko ho azon'ny tanan'ny TOMPO, toy izay ho azon'ny tanan'olona, satria lehibe tokoa ny famindrampon'ny TOMPO.

15Dia aretina pesta no nalefan'ny TOMPO hamelezana an'i Israely iny maraina iny ka mandra-pahatapitr'ilay fe-potoana, ary nahafatesana fito alina ny olona manomboka any Dana ka hatrany Bery-Seba. 16Fa raha naninji-tanana hamely an'i Jerosalema ny anjelin'ny Tompo, dia nanenina ny amin'ny loza ny TOMPO, ka niteny tamin'Ilay anjely mpandringana hoe:
–Aoka izay! Aketraho ny tananao ankehitriny!

Tamin'izay ity anjelin'ny TOMPO dia teo amin'ny famoloan'i Araonà, ilay Jebosita24.16 Jebosita: taranaky ny mponin'i Jebosa, izay anarana nentin'i Jerosalema talohan'ny nahazoan'i Davida azy.. 17Raha nahita ilay anjely mpandringana ny vahoaka i Davida, dia nanao tamin'ny TOMPO hoe:
–Izaho no nanota, izaho no nanao ratsy! fa ireo ondry ireo moa no nanao inona? Koa mifona aminao re aho, aoka ny tananao hamely ahy sy ny fianakaviako.

Ny fibebahan'i Davida

1 - Fahatsiarovan-tena fa nanota
Noho ny fahatezeran' I Jehovah tamin'ny Isiraely dia nanisa ny vahoakany i Davida. Lazaina ao amin'ny Tantara fa hevitra avy amin'i Satana no nahatonga an'i Davida hanisa ny olona (1 Tant 21, I). Mahatsiaro tena ho diso i Davida rehefa nandrav nv tatitry nv fanisana (and 9). « Efa nanota aho hoy i Davida ». Nampaniraka ny mpitari-tafika, izay efa nisalasala: « ahoana no ìtiavan'ny mpanjaka tompoko hanao izany zavatra izany» (and 3) izy. Tsaroan'i Davida fa feno fireherehana ny fony ny amin'ny herin'ny tafíka. Isan'ny lehilahy mahery no azo fa tsy ny vahoaka. Ny mpisorona sy ny Levita mpanao fanompoana aza tsy fantatra. Adinony Ilay Jehovah Mahery Tsitoha sy manome fandresena (Sal 24, 8).

2- Fifonana amin'i Jehovah
Mety tokoa hisy asa tanteraka eo amin'ny fiangonana sy ny firenena fa tsy araka ny sitrapon'Andriamanitra. Mitondra ho amin'ny fibebahana ny fanaovana tombana ny asa natao sy ny fandinihan-tena. Na iza na iza eo amin' nv Isiraelv dia ambany fahefan'i Jehovah avokoa. Izany no nahatongavan'ny tenin'i Jehovah tamin'nv mpahitan'i Davida (and 11). Fianarana ho antsika ny faikena sy ny fifonana nataon'i Davida (and 101. Tsy miandry loza na kapoka isika na porofo vao hibebaka. Mampibebaka nv fihaonana amin'Andriamanitra sy ny Teniny. Mibebaha eo anatrehany ao amin'ny mangingina (Mat 6, 6).

Fanontaniana :
Iza na inona no mitondra antsika hibebaka ?


jeudi 15 mars 2018

Alakamisy 15 Martsa 2018 - Apo 2 : 18 - 29

18–Manorata ho an'ny anjelin'ny Fiangonana any Tiatira:
«Izao no lazain'ilay Zanak'Andriamanitra, dia Ilay manana maso mivaivay tahaka ny lelafo sady manana tongotra mangirangirana tahaka ny varahina manganohano: 19Fantatro ny asanao, ny fitiavanao, ny finoanao, ny fanompoanao, ary ny faharetanao; ary ny asanao farany izao dia be noho ny tany am-boalohany. 20Saingy izao no anomezako tsiny anao: leferinao ilay vehivavy Jezebela2.20 Jezebela: mety ho anarana ampiasaina an'ohatra fotsiny etoana. Jereo 1 Mp 16.31; 19.1-2; 2 Mp 9.22, 30. izay milaza ny tenany ho mpaminany, ka dia mampianatra sy manoloky ny mpanompoko hijangajanga sy hihinan-kena natao fanatitra tamin'ny sampy. 21Efa nomeko andro io vehivavy io hialany amin'ny toe-dratsiny, saingy tsy mety miala amin'ny fijangajangàny. 22Indro hampandamahiko eo am-pandriana izy, ary izay nanitsakitsa-bady taminy dia hozoim-pahoriana lehibe, raha toa tsy miala amin'ny asa nampianarin-dravehivavy azy. 23Hovonoiko ho faty ny zanany, ka ho fantatry ny Fiangonana rehetra fa Izaho no mahalala ny ao am-po tsy miloatra; ary hovaliako araka ny asanareo avy ianareo2.23 Jereo Sal 7.10; Jer 17.10; Sal 62.13..

24«Fa ianareo sisa rehetra amin'ny Fiangonana any Tiatira dia tsy nanaraka izany fampianarana izany sady tsy mba mahalala ny ataon'ireo hoe ‹hevi-dalin'i Satàna2.24 hevi-dalin'i Satàna: fomba filazàn-javatra mampahatsiaro ny fampianarana miafina voatokana ho an'ireo tena miroso amin'ny antokom-pivavahana Nikôlaîta.›; ka izao no lazaiko aminareo: tsy hovesarako entana hafa ianareo; 25fa izay anananareo no tano mafy mandra-piaviko.

26-28«Izay maharesy ka mitandrina ny hanao ny asako hatramin'ny farany, dia homeko fahefana toy izay efa noraisiko tamin'ny Raiko: homeko fahefana amin'ny firenena izy, ka hifehy azy amin'ny tehim-by ary hanorotoro azy toy ny vilany tany. Homeko an'izay maharesy koa ny kintana
fitarikandro2.26 Jereo Sal 2.8-9; ampit Nom 24.17; Apôk 22.16..

29«Izay manan-tsofina, aoka hihaino izay lazain'ny Fanahy Masina amin'ireo Fiangonana.»

Taratasy ho an'ny Fiangonana any Tyatira milaza ny asany sy ny fanaony. Miseho ao fa misy tokoa ny olona omen'ny Tompo fotoana hibebahana nefa tsy tnandroso. Tsy mangina ny Tompo fa mahari-po ka manarina azy noho ny fitiavany.

1- Mitarika azy hanompo
Ny asa fanompoana efa nataon'ny fiangonana dia niharihary eo anatrehan'Andriamanitra. Nanao asa lehibe noho ny teo aloha ny tao Tyatira. Jesoa efa nampianatra fa hanao asa lehibe ny Fiangonana rehefa tsy ety antany intsony izy. Mitarika antsika hanatanteraka ny anjarany avy saingy tsy tokony haroharoana faharatsiana satria tsy zakan'Andriamanitra ny fivoriana masina afangaro amin'ny fanompoantsampy tahaka an'i Jezebela.

2- Manarina nv lavo
Ny fíbebahana ihany no endrika fanarenan'ny Tompo ny lavo. Manan-kery hamafana ny heloka sy ny fahotana rehetra ny sorona nataon'ny Tompo tamin'ny tenany, dia ny nandatsahany ny ràny ho fanavotana antsika. Tiany handresy ny faharatsiana sy ny tsy fahamarinana rehetra isika ka omeny ny teniny ho fanarenana. Aoka hivelona amin'ny Teniny ny fìnoantsika, ny asa fanompoana dia hatao mifanaraka amin'ny sitrapony ao amin'ny Soratra Masina rahateo hanamarika fa mpanompony isika.

Fanontamana :
Misy zavatra hafa omentsika lanja miaraka amin'ny fanompoana ve ?

mercredi 14 mars 2018

Alarobia 14 Martsa 2018 - Joe 2 : 12 -13

12Hoy ny teny hentitry ny Tompo:
«Dieny ankehitriny,
miverena amiko amin'ny fonareo manontolo:
mifadia hanina, mitomania
ary manaova fitalahoana.
13Aza ny fitafianareo ihany no triatriarina
fa ny fonareo indrindra no ovay.»
Miverena amiko TOMPO Andriamanitrareo:
Fa miantra sy mamindrafo Izy
mahari-po sady be fitiavana
ary mamoy ny loza nandrahonany.

Fanaon'ny jiosy rehefa tonga ny loza, ny mandriatra ny fitafiany sy misikina lamba fisaonana ho fanehoany ny alahelony toy ny ftbebahany sy fitondrany ny fifonany eo amin'Andriamanitra tahaka ny ataon'i Jakoba (Gen.37, 34). Misy endrika telo fiverenana amin'ny Tompo amin'ny fo rehetra eto :

1- Mifady hanina
Manokàna fotoana hifantohana amin'ny maha- mpanompon'Andriamanitra. Fa zava-dehibe ny manokana fotoana hivavahana sy hanaovana fifadian- kanina raha hiatrika zava-tsarotra tahaka ny nataon'i Estera rehefa namonjy ny fireneny izy (Est.4, 16). Ny fifadian-kanina nampianarin'i Jesoa ny mpianany dia fifadiana mialoha ny ady hatao amin'ny devoly.

2- Mitomanv noho nv fahotana vita
Endrika fibebahana lalina ny ranomaso tahaka ny an'ilay vehivavy niankohoka teo an-tongotry ny Tompo sady nanosotra menaka manitra. Mandray ny famonjena satria tena mahatsapa ny fahotana vita na ny fahadisoana natao dia miverina amin'ny ranomaso.

2- Mitaraina noho ny antso voniv
Ireo marary nitady fanasitranana tahaka ireo boka nifanena tamin'i Jesoa dia nitaraina hoe : « mamindra fo aminay ry zanak'i Davida o ! » Nanao antso vonjy izy raha nitaraina mba hahazo fanasitranana.

Fanonlaniana :
Inona tamin'ireo no efa nataonao raha nibebaka ?

mardi 13 mars 2018

Talata 13 Martsa 2018 - Apo 3 : 1 - 6

1–Manorata ho an'ny anjelin'ny Fiangonana any Sardy:
«Izao no lazain'Ilay manana ny Fanahy Masina ombàm-panomezana fito avy amin'Andriamanitra sy mitana ny kintana fito: Fantatro ny asanao; fantatro fa malaza hoe velona ianao, kanjo maty. 2Miambena, ka aoreno tsara ny zavatra sisa efa mila ho faty, satria tsy nisy nahitako lavorary eo anatrehan'Andriamanitro ny asanao. 3Koa tsarovy izay fomba nandraisanao sy nihainoanao ny tenin'Andriamanitra ary dia tano izany ka ialao ny toe-dratsinao. Raha tsy miambina ianao, dia ho avy toy ny mpangalatra Aho, ka tsy ho fantatrao izay ora hiaviako aminao3.3 Ampit Mt 24.43-44; Lk 12.39-40; 1Tes 5.2; 2Pt 2.10.. 4Kanefa eto Sardy ianao dia manana olona vitsivitsy izay tsy nandoto ny akanjony; ary miakanjo fotsy no hiara-mandeha amiko ireo, satria mendrika.

5«Izay maharesy dia hampiakanjoina akanjo fotsy toy izany koa; tsy hamono ny anarany ao amin'ny horonamboky mirakitra ny lisitr'ireo hanana ny fiaina-maharitra mandrakizay Aho; ary hanaiky azy ho mpomba Ahy eo anatrehan'ny Raiko sy ny *anjeliny3.5 horonamboky... mandrakizay: ampit Fil 4.3. –hanaiky azy... anjeliny: ampit Mt 10.32; Lk 12.8..
6«Izay manan-tsofina, aoka hihaino izay lazain'ny Fanahy Masina amin'ireo Fiangonana.»

Anankiray amin'ny taratasy fito nalefa ho an'ny fiangonana fito no hita eto. Ny fiangonana tany Sardisy no nomena azy. Milaza ny olona maty fahavelony, izany hoe manondro ireo manaram-po amin'ny fanaovan-dratsy ny taratasy ka mitarika azy hanorina izay sisa tsy maty.

1- Sarobidy ny fihaonana amin'nv Tompo
Izay efa nihaona tamin'nv Tompo dia nesoriny tamin'ny fahalotoana tanteraka. Toy ny olona nanasa ny akanjony mba ho fotsy sy madio izany. Paoly Apostoly rehefa niova fo dia mitondra anaram-baovao nasehon'ny Tompo azy nv fahefany aminy ary lasa mpanompon'Andriamanitra na dia efa nanenjika ny mpianatry ny Tompo aza. Voaova ho olom-baovao izav manatona sy mibebaka marina eo anatrehan'Andriamanitra. Aokaa isika hanome lanja ny andro nanavaozan'ny Tompo ny fiainantsika sy nanekentsika ho tia sy hanompo Azy.

2- Mampaherv nv fiaraha-mandeha Aminv
Miara-mandeha amin'ny Tompo mitafy lamba fotsy ireo tsy nandoto ny fìtafiany. Miara-mandroso amin'ireo koa isika raha maharesy ny fitaoman-dratsy sy ny fakam- panahy alefan'ilay ratsy handotoany antsika. Voasoratra anarana eo amin'ny bokin'ny fiainana izay vita fìhavanana sy efa miara-mandeha amin'ny Tompo. Mampaherv antsika hanatona hodiovin'ny Tompo amin'ny ràny mba ahazo famelan-keloka sady hotantanany amin'izay hatao. Mivavaka sy manao ny sitrapon'ny Tompo ny mpanomponv ka hita ho vavolombelon'nv finoana Azy.

Fanontaniana :
Tsapanao ve izay zava-mahagaga nataon'ny Tompo tamin'ny fiainanao ?



lundi 12 mars 2018

Alatsinainy 12 Martsa 2018 - Hos 12 : 1 - 7

1Hodidinin'ny olon'i Efraîma lainga Aho
ary mamely fitaka manodidina Ahy
ny firenen'i Israely.
I Joda kosa mbola miaraka amin'Andriamanitra
sady mbola matoky an'Ilay Masina Indrindra.
2Mamatsy diloilo an'i Ejipta i Efraîma;
ka rivotra no ivokisany amin'izany.
Manao fifanekena amin'i Asiria izy
dia manenji-drivotra avy atsinanana.
Tontolo andro no ampitomboiny
ny lainga sy ny herisetra.

3Manana ady amin'i Joda ny TOMPO.
ka hanafay ny firenen'i Jakôba
noho ny fitondrantenany
ary hamaly azy araka ny ratsy nataony.
4Fony i Jakôba mbola tany an-kibon-dreniny
no efa nisongona ny rahalahiny;
ary rehefa lehilahy lehibe izy,
dia nitolona tamin'Andriamanitra12.4 Mampahatsiaro ireo trangan-javatra voalazan'ny Gen 27 (jereo manokana ny and 26,36 sy nta). –Nitolona tamin'Andriamanitra izy: jereo Gen 32.23-33..
5 Anjely no nitolomany ka nandresy azy.
Nitomany i Jakôba sady nifona taminy.
Tao Betela no nahitany an'Andriamanitra
ka nitenenan'Andriamanitra taminy12.5 nandresy azy: jereo naoty teo aloha. Misy mpandika sasany manao hoe: noreseny. –Tao Betela: jereo Gen 28.10-22. –taminy: araka ny dkt grika sy siriaka tranainy; ny hebreo dia manao hoe: tamintsika..
6Teo ny TOMPO Andriamanitr'izao rehetra izao,
ny TOMPO araka ny anarana ahatsiarovana Azy,
7no niteny tamin'i Jakôba hoe:
«Miverena amiko Andriamanitrao ianao!
Tandrovy ny fitiavana sy ny rariny;
ary Izaho Andriamanitrao no itokio hatrany.»

Hatramin'ny fotoana nialan'ny olona voalohany tamin'ny fankatoavana ny Tenin'Andriamanitra dia mitady izay hanarenana azy ny Tompo, Mpamonjy Izv. Koa mivoitra eto ny fanarenan'nv Tompo nv lavo.

1- Miresaka sy miteny ny Tompo (and.4-5)
Zava-dehibe miavaka ho antsika kristiana ny manana Andriamanitra afaka miresaka sy miteny amintsika. Ny Baiboly no anehoanv nv famonjeny sy ny Teniny amintsika. Izy no manatona aloha mba hifikirantsika Aminy. Izy Ilay efa tia antsika taloha ary tia antsika hatramin'ny farany. Henov arv ny antson'ny Tompo mitaona antsika hanaraka Azy. Tsarovy ny nataony ho antsika fony Izy teto antanv ka mivavaha mba ho setrin'izany. Ny vavaka no nampianariny hiraisantsika Aminy indray. Resaka hatao Aminy tokoa izany.

2- Mitady nv fomba rehetra Izv (and.6-7)
Efa fantany tsara ny momba antsika tsirairay tahaka ny hitanisany ny nataon'i Efraima sy Joda. Tsy misy azontsika hialàna eo anatrehany. Mampiverina antsika eo anatrehany, mampitandrina antsika hanao ny tsara ary mampiandrv antsika ho vavolombelonv ny Tompo. Mihariharv izany fa ny fombany rehetra no hanangonany antsika ho eo anatrehany. Porofo izany fa tsy mahafov na mandao antsika ny Tompo. Ataony izay mahafaly sy mahasoa antsika ka aoka isika hitadv izay mahafalv nv Tompo. Aoka isika hihaino sy hankato ny Teniny mba hamirapiratra ny fahasoavany sy ny voninahiny.

Fanontaniana :
Voafetra ve ny fotoana na ny toerana hihaonantsika amin'ny Tompo mba hiresahana Aminy ?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12