lundi 30 juillet 2012
Alatsinainy 30 Jolay 2012 - I Kor 4 : 1 - 5
1 Aoka izahay hoheverina ho mpanompon'i Kristy sy ho mpitantana ireo tsiambaratelo momba an'Andriamanitra. 2 Ny hany takina amin'ny mpitantana dia ny ho hita fa olona mahatoky. 3 Raha izaho dia tsy mampaninona ahy velively na hotsarainareo, na handia fitsaran'olombelona; fa na ny mitsara ny tenako aza tsy ataoko. 4 Tsy manome tsiny ahy velively ny eritreritro, nefa tsy mahamarina ahy izany fa ny Tompo no mpitsara ahy. 5 Noho izany, aza mitsara olona alohan'ny fotoana, dia mandra-piavin'ny Tompo: Izy no hampiharihary ireo zavatra afenina anatin'ny maizina sy hampiseho ireo hevitry ny fon'ny olombelona. Ka amin'izay dia samy homen'Andriamanitra ny dera tandrify azy avy ny tsirairay.