mardi 3 juillet 2012
Talata 03 Jolay 2012 - Mat 24 : 45 - 51
45 Iza moa no mpanompo mahatoky sy mato-tsaina notendren'ny tompony ho mpandraharaha hifehy ireo mpanompony sady hanome azy ny anjara sakafony ara-potoana? 46 Sambatra io mpanompo io raha tonga ny tompony ka mahita azy manao raharaha toy izany. 47 Lazaiko marina aminareo fa hotendren'ny tompony hiadidy ny fananany rehetra izy. 48 Raha ho ratsy fanahy kosa io mpanompo io ka hanao anakampo hoe: Mbola haharitra ela ny tompoko, 49 ary hihetraketraka amin'ireo mpanompo namany sady hanaram-po hihinana sy hisotro miaraka amin'ny mpimamo, 50 dia ho tonga ilay tompony amin'ny andro tsy ampoiziny sy amin'ny ora tsy fantany. 51 Hosaziny mafy tokoa io mpanompo io ary hataony miombona anjara amin'ny mpihatsaravelatsihy; any izy no hitomany sy hikitro-nify.
-
1Miderà ny TOMPO, ry firenena rehetra; Mihobia Azy, ry vahoaka rehetra117.1 Voatsiahy ao amin’ny Rm 15.11 ity and ity.. 2Fa lehibe tokoa ny...
-
7Dia hoy i Natàna tamin’i Davida: –Ianao izany olona izany! Koa izao no lazain’ny TOMPO, Andriamanitr’i Israely: «Izaho no nanosotra anao h...