mercredi 4 juillet 2012
Alarobia 04 Jolay 2012 - Rot 1 : 15 - 17
15 Dia hoy i Nahomy tamin'i Rota: Indro ny rahavavinao nody any amin'ny fireneny sy ny andriamaniny, modia koa ianao miaraka aminy. 16 Fa novalian'i Rota hoe: Aza terena handao anao sy hiala amin'ny fanarahana anao aho; fa any amin'izay halehanao no halehako, ao amin'izay honenanao no honenako, ny firenenao no ho fireneko, ny Andriamanitrao no ho Andriamanitro, 17 ao amin'izay hahafatesanao no hahafatesako sady ao no hilevenako. Hataon'ny TOMPO amiko anie ny famaizana mafy indrindra raha tsy ny fahafatesana ihany no hampisaraka ahy aminao!
-
1Ary niteny tamin'i Ahaba mpanjaka i Elià izay Tisbita anisan'ny mponina tao Gilehada hoe: –Velona ny TOMPO Andriamanitr'i Isra...
-
29Fa novalian'i Petera sy ny apôstôly hoe: –Andriamanitra no tsy maintsy ekena fa tsy ny olombelona. 30Efa natsangan'ilay Andriaman...