jeudi 11 octobre 2012
Alakamisy 11 Oktobra 2012 - Mat 12 : 33 - 37
33 Ataovy hoe tsara ny voany ka tsara koa ny hazo, na ataovy hoe ratsy ny voany ka ratsy koa ny hazo: satria ny voany no ahafantarana ny hazo. 34 Ry tarana-menarana, hataonareo ratsy fanahy ahoana no fiteny zavatra tsara? Izay mameno ny fon'ny olona manko no aloaky ny vavany. 35 Ny olona tsara fanahy dia mamoaka zavatra tsara avy amin'ny rakitra tsaran'ny fony; ary ny olona ratsy fanahy dia mamoaka zavatra ratsy avy amin'ny rakitra ratsin'ny fony. 36 Ary lazaiko aminareo fa ny olona, amin'ny andro fitsarana dia hampamoahina momba ny teny tsy misy antony rehetra nataony: 37 satria ny teninao no hanomezan-drariny anao ary ny teninao no hanamelohana anao.
-
51 Indro misy tsiambaratelo ambarako aminareo: tsy hodimandry avokoa isika rehetra; 52 vetivety foana, indray mipy maso, rehefa maneno ny t...
-
29Fa novalian'i Petera sy ny apôstôly hoe: –Andriamanitra no tsy maintsy ekena fa tsy ny olombelona. 30Efa natsangan'ilay Andriaman...