mercredi 10 octobre 2012
Alarobia 10 Oktobra 2012 - II Mpan 5 : 25 - 27
25 Nony tafaverina teo anatrehan'ny tompony kosa i Gehazy, dia nanontanian'i Elisa hoe: Avy taiza ianao, ry Gehazy? Ka hoy ny navaliny: Tsy avy taiza tsy avy taiza aho, tompoko. 26 Fa hoy indray i Elisa: Moa ataonao tsy ho hitako am-panahy ve iny lehilahy izay niala tamin'ny kalesiny hitsena anao iny? Tsy fotoana fandraisam-bola na fitafiana, na tanin'oliva na tanimboaloboka, na ondry aman'osy, na omby, na mpanompolahy na mpanompovavy izao; 27 satria ny aretin-koditr'i Nahamana dia hiraikitra aminao sy ny taranakao hatrany hatrany. Rehefa niala teo anatrehan'i Elisa i Gehazy, dia indro fa niempaka fotsy toa oram-panala ny hodiny.
-
1Ary niteny tamin'i Ahaba mpanjaka i Elià izay Tisbita anisan'ny mponina tao Gilehada hoe: –Velona ny TOMPO Andriamanitr'i Isra...
-
29Fa novalian'i Petera sy ny apôstôly hoe: –Andriamanitra no tsy maintsy ekena fa tsy ny olombelona. 30Efa natsangan'ilay Andriaman...