–Andriamatoa, voavela ny helokao!
21Ireo
mpahay lalàna sy Farisianina kosa nieritreritra anakampo hoe: «Mba iza
ity manevateva an'Andriamanitra ity? Iza no mahavela heloka afa-tsy
Andriamanitra irery ihany?» 22Takatr'i Jesoa ny eritreritry ny mpahay lalàna sy Farisianina ka notsenainy ry zareo nataony hoe:
–Inona izato eritreretinareo ao am-ponareo? 23Inona moa no tsotsotra kokoa, ny milaza hoe: «Voavela ny helokao», sa ny milaza hoe: «Mitsangàna ka mandehana»? 24Aoka ho fantatrareo fa ny Zanak'olona* eto an-tany dia manam-pahefana hamela heloka.
Dia hoy i Jesoa tamin'ilay malemy:
–Mandidy anao Aho, mitsangàna, batao ny fandrianao, ary modia any an-tranonao!
25Niaraka
tamin'izay dia nitsangana teo imason'ny olona ralehilahy, nibata ny
fandriany ary nody tany an-tranony sady nanome voninahitra
an'Andriamanitra.
26Talanjona avokoa izay rehetra teo ka nanome voninahitra an'Andriamanitra sady raiki-tahotra nanao hoe:
–Zava-mahagaga ity hitantsika androany itỳ?