6Tsy mety ve ny fireharehànareo! Tsy fantatrareo ve ilay ohabolana hoe: «Leviora* kely foana dia mampibohaka ny koba manontolo»? 7Esory
io leviora tranainy io, izany hoe ny fahotana, mba ho madio tokoa
ianareo; dia ho tonga koba vaovao tsy misy leviora, satria izany rahateo
ianareo. Eny, efa voavono i Kristy* ilay Zanakondrin'ny Paska* ho antsika: 8ka
dia aoka isika hankalaza ny Paska tsy amin'ny mofo misy leviora
tranainy, dia ny leviora manambara fitondrantena tsy valahara sy
toe-dratsy; fa amin'ny mofo tsy misy leviora, dia ny mofo manambara
fitondrantena madio sy toetra mahitsy. 9Tao amin'ilay taratasy nalefako taminareo, dia izao no voasoratro: aoka ianareo tsy hifanerasera amin'ny olona mpijangajanga. 10Tsy
hoe izay mpijangajanga, na mpitia harena, na mpanao an-keriny, na
mpanompo sampy eto amin'izao tontolo izao amin'ny ankapobeny; fa raha
izany, dia tsy maintsy miala amin'izao tontolo izao ianareo. 11Fa
izao kosa no voasoratro: aoka ianareo tsy hifanerasera amin'olona
mitonon-tena ho kristianina nefa mpijangajanga, na mpitia harena, na
mpanompo sampy, na mpanendrikendrika, na mpidoroka, na mpanao an-keriny;
aoka ianareo tsy hiara-misakafo amin'ny kristianina toy izany.
12-13Tsy
anjarako ny hanafay an'izay tsy kristianina, fa Andriamanitra no
hanafay azy ireo. Tsy hofaizinareo kosa ve ny kristianina namanareo? Fa
izao no tenin'ny Soratra Masina*: «Esory aminareo ilay olon-dratsy.»