–Ianao
izany olona izany! Koa izao no lazain'ny TOMPO, Andriamanitr'i Israely:
«Izaho no nanosotra anao ho mpanjakan'i Israely sady namonjy anao ho
afaka tamin'ny famelezan'i Saoly. 8Natolotro
hofehezinao ny fianakavian'i Saoly ary nataoko tonga andefimandrinao ny
vadiny; natolotro ho eo ambany fahefànao ny vahoakan'i Israely sy i
Joda. Ary raha mbola tsy ampy anao izany, dia ho nomeko toy izany ianao.
9Koa
nahoana no tsy noraharahainao ny teniko tamin'ny nanaovanao izay ratsy
eo imasoko? Nasianao tamin'ny sabatra i Orià ilay Hetita ary nalainao ho
vadinao ny vadiny; eny, ianao no nahafaty azy tamin'ny sabatry ny
Hamônita. 10Noho
izany, dia tsy hiala amin'ny taranakao mandrakizay kosa ny sabatra,
satria tsy noraharahainao Aho fa nalainao ny vadin'i Orià ilay Hetita
mba ho vadinao. 11Izao
no lazaiko aminao: Indro fa hahatonga loza amin'ny ankohonanao Aho.
Halàko eo imasonao ireo vadinao ka homeko olon-kafa izay hiray aminy
antoandrobenanahary. 12Ary ianao nanao izany tao amin'ny miafina, fa Izaho kosa haneho izany antoandrobenanahary eo imason'i Israely manontolo.»
13Dia hoy i Davida tamin'i Natàna:
–Nanota tamin'ny TOMPO aho.
Ary hoy kosa i Natàna tamin'i Davida:
–Ny TOMPO efa namela ny helokao, ka tsy ho faty ianao. 14Nefa noho ianao nampiteny ratsy ny fahavalon'ny TOMPO tamin'izany nataonao izany, dia ny zanaka izay naterakao no ho faty.
15Dia nody tany an-tranony i Natàna.