12Noho
ny nataon'ny olona anankiray, dia i Adama, no nidiran'ny fahotana teo
amin'izao tontolo izao, sady nidiran'ny fahafatesana koa noho ny
fahotana; ary dia nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria
samy nanota izy rehetra. 13Talohan'ny lalànan*'i
Mosesy dia efa nisy fahotana teo amin'izao tontolo izao; nefa ny
fahotana dia tsy mbola natao hoe fandikana, raha tsy mbola nisy ny
lalàna. 14Na
izany aza anefa, hatramin'i Adama ka hatramin'i Mosesy dia efa nanjaka
ny fahafatesana, na dia tamin'ireo tsy nanota toraka ny nataon'i Adama
izay nandika ny didin'Andriamanitra aza.
Ary i Adama dia tandindon'Ilay ho avy. 15Kanefa
tsy azo ampitahaina ny hadisoana vitan'i Adama sy ny fanomezana
atolotr'Andriamanitra maimaimpoana. Niharan'ny fahafatesana ny
besinimaro, noho ny hadisoan'ny olona anankiray, dia i Adama; nitosaka
be nihoatra lavitra noho izany kosa ilay fahasoavana avy
amin'Andriamanitra, ilay fahasoavana nomena maimaimpoana ho an'ny
besinimaro tao tamin'ny olona anankiray, dia i Jesoa Kristy. 16Ary
tsy tahaka ny vokatry ny fahotana vitan'i Adama ny vokatry ny
fanomezana atolotr'Andriamanitra: ny hadisoan'ny olona anankiray
notsaraina dia nahatonga fanamelohana; fa ny fanomezana
atolotr'Andriamanitra maimaimpoana kosa dia nahatonga ny hadisoana maro
havela tanteraka.
vendredi 7 mars 2014
Zoma 07 Martsa 2014 - Rom 5 : 6 - 16
6Mbola tsy nanan-kery isika no tonga ny fotoanandro voatendrin'Andriamanitra, ka maty hamonjy ny ratsy fanahy i Kristy. 7Saika
tsy misy aza manaiky ho faty hamonjy olo-marina; ary angamba mety hisy
ihany hanana herim-po ho faty hamonjy olona tsara fanahy. 8Fa i Kristy kosa maty hamonjy antsika, fony isika mbola mpanota: nahariharin'Andriamanitra tamin'izany ny fitiavany antsika. 9Koa,
amin'izao isika efa tonga olo-marina eo imason'Andriamanitra noho ny ra
nafoin'i Kristy izao, dia vao mainka hovonjena amin'ny alalan'i Kristy
tsy hiharan'ny fahatezeran'Andriamanitra*. 10Eny, fony fahavalon'Andriamanitra aza isika, dia nampihavanina taminy noho ny fahafatesan'ny Zanany*; vao mainka izao isika efa nampihavanina tamin'Andriamanitra izao, dia tena hovonjena tokoa noho ny fahaveloman'ny Zanany. 11Tsy
izany ihany, fa mirehareha ao amin'Andriamanitra koa isika amin'ny
alalan'i Jesoa Kristy Tompontsika, Ilay nahazoantsika izao
fihavanantsika amin'Andriamanitra izao.
-
1Miderà ny TOMPO, ry firenena rehetra; Mihobia Azy, ry vahoaka rehetra117.1 Voatsiahy ao amin’ny Rm 15.11 ity and ity.. 2Fa lehibe tokoa ny...
-
7Dia hoy i Natàna tamin’i Davida: –Ianao izany olona izany! Koa izao no lazain’ny TOMPO, Andriamanitr’i Israely: «Izaho no nanosotra anao h...