–Nanan-janaka mirahalahy ity lehilahy anankiray. 12Ary
hoy ilay zandriny tamin-drainy: «Omeo ahy, ry dada, ny anjara fananana
tandrify ahy.» Dia nozarainy tamin'izy mirahalahy ny fananany. 13Nony
afaka andro vitsivitsy, dia nivarotra ny anjarany manontolo ilay
zandriny, ary lasa nitondra ny vola azony nankany an-tany lavitra ka
nandanilany foana ny fananany tamin'ny filibàna. 14Rehefa
tapitra avokoa izay teo am-pelatanany, dia nisy mosary mafy tamin'izany
tany izany, ary tsy nanan-koraisina intsony ny anao. 15Lasa izy niasa tamin'ny tompon-tany anankiray ka nalefan'ilay niasany hiandry kisoa tany an-tsahany. 16Satrin'ity zatovo hameno kibo amin'ny voan-javatra fihinan'ny kisoa, saingy tsy nisy nanome azy. 17Izay
vao nody ny sainy ka hoy izy anakampo: «Ireo mpikaraman'i dada rehetra
any izao manan-tsakafo be dia be daholo, fa izaho kosa ity maty mosary
atỳ! 18Ndeha hody any amin'i dada aho ka hilaza aminy hoe: Dada ô, nanota tamin'Andriamanitra sy taminao aho, 19ka tsy mendrika intsony ny hatao hoe zanakao; fa mba ataovy toy ny anankiray amin'ny mpikaramanao aho!» 20Dia lasa tokoa izy nody any amin-drainy.
Raha
mbola lavitra ny trano ilay zatovo, dia tazan-drainy. Onena azy tokoa
irainy ka nihazakazaka nitsena, ary namihina ny vozony sy nanoroka azy. 21Dia hoy ity zanany taminy: «Dada ô, nanota tamin'Andriamanitra sy taminao aho, ka tsy mendrika intsony ny hatao hoe zanakao!» 22Fa
hoy kosa irainy tamin'ireo mpiasa: «Ento atỳ faingana ny akanjo tsara
indrindra ka ampiakanjoy azy; asio peratra ny rantsan-tanany ary asio
kapa ny tongony. 23Alaovy ilay zanak'omby mifahy ka vonoy; ary aoka isika hanao fihinanam-be, 24satria
ity zanako ity: efa maty no velona indray, ary efa very no hita
indray!» Dia nanomboka ny fihinanam-be aman-korana izy rehetra.