mardi 18 mars 2014
Talata 18 Martsa 2014 - Rom 8 : 26 - 29
26Toy
izany koa no anampian'ny Fanahy Masina antsika amin'ny halementsika.
Satria izay vavaka, araka ny tokony hataontsika, dia tsy fantatsika
akory; fa ny Fanahy Masina mihitsy no mivavaka ho antsika amin-tsento
tsy hay ambara amin-teny. 27Ary
Andriamanitra mahita ny ao am-po no mahalala izay firònan'ny Fanahy
Masina, satria araka izay irîn'Andriamanitra no ivavahan'ny Fanahy
Masina ho an'ny vahoakan'Andriamanitra*. 28Fantatsika fa Andriamanitra dia miasa hahatonga ny zavatra rehetra hahasoa ny olona tia Azy, dia ny olona nantsoiny araka ny fikasany rahateo. 29Satria izay nofidin'Andriamanitra mialoha dia voatendry rahateo koa hitovy endrika amin'ilay Zanany*, mba hahatonga ny Zanany ho lahimatoa manan-jandry maro.
-
1Miderà ny TOMPO, ry firenena rehetra; Mihobia Azy, ry vahoaka rehetra117.1 Voatsiahy ao amin’ny Rm 15.11 ity and ity.. 2Fa lehibe tokoa ny...
-
7Dia hoy i Natàna tamin’i Davida: –Ianao izany olona izany! Koa izao no lazain’ny TOMPO, Andriamanitr’i Israely: «Izaho no nanosotra anao h...