13–Ndeha
anontanio ny TOMPO ho ahy sy ho an'ny vahoaka manerana an'i Joda
manontolo ny amin'ny teny raketin'ity boky vao hita ity. Ireo razantsika
manko tsy nihaino ny tenin'ity boky ity sady tsy nanao araka izay
rehetra voasoratra ao anatiny, hany ka hirehitra mafy amintsika ny
fahatezeran'ny TOMPO.
14Dia lasa nankany amin'i Holdà mpaminanivavy*
i Hilkià mpisorona sy i Ahikama mbamin'i Hakbôra sy i Safàna ary i
Hasaià. I Holdà, izay nonina tao Antanambaon'i Jerosalema, dia vadin'i
Saloma zanakalahin'i Tikvà sy zafikelin'i Harahasa sady mpitahiry ny
fanamiana masina tao an-tempoly. Koa rehefa niresaka tamin-dravehivavy ry i Hilkià, 15dia nasainy miteny amin'ny mpaniraka hoe: 16«Izao
no lazain'ny TOMPO Andriamanitr'i Israely: ‹Indro Aho hahatonga loza
amin'ity tanàna ity sy ny mponiny, dia araka izay rehetra voalaza ao
anatin'ilay boky novakin'ny mpanjakan'i Joda. 17Efa
nandao Ahy manko ny mponin'i Jerosalema sady efa nampanetona srona ho
an'ny andriamani-kafa, ary nampahatezitra Ahy tamin'ny sampy rehetra
nataon'ny tanany. Izany no nirehetan'ny fahatezerako tamin'ity tanàna
ity, ka tsy mbola itoniany. 18Fa
ny mpanjakan'i Joda, izay naniraka anareo hanatona Ahy TOMPO, dia
anambarao fa Izaho TOMPO Andriamanitr'i Israely dia milaza izao: Ny
amin'ny teny izay efa renao, 19dia
nino anatra ianao ka nanetry tena teo anatrehako, rehefa nihaino izay
voalazako momba ny hanjo ity tanàna ity sy ny mponiny, dia ny hanaovana
azy ho lao sy ho oha-panozonana; eny, nandriatra fitafiana ianao sady
nitomany teo anatrehako, ka dia efa nihaino anao koa Aho; teny hentitra
avy amiko TOMPO izany. 20Indro
hangoniko any amin'ny razanao ianao ary ho voapetraka am-pasanao
hombàm-piadanana, ka tsy hahita maso ny loza rehetra hamelezako an'i
Jerosalema.› »