–Lazaiko marina aminareo fa ny sasany amin'izay manatrika eto dia tsy ho faty, raha tsy efa mahita ny Fanjakàn'Andriamanitra* tonga amin-kery mahagaga.
2Enina
andro taorian'izay, dia nalain'i Jesoa niaraka taminy ry i Petera sy i
Jakôba ary i Jôhany, ka nentiny nitokana tany an-tendrombohitra avo. Dia
niova tarehy teo anatrehan'izy telo lahy i Jesoa: 3ny
fitafiany niova namirapiratra sady fotsy nangatsakatsaka, ary tsy misy
mpanasa lamba mahadio sy mahafotsy lamba toy izany etỳ ambonin'ny tany. 4Hitan'ireto mpianatra* koa i Elià* sy i Mosesy; ary niresaka tamin'i Jesoa izy roa lahy. 5Dia hoy i Petera tamin'i Jesoa:
–Mpampianatra
ô, tsara ho antsika ny mitoetra eto; koa hanao lay telo izahay; ny
anankiray ho Anao, ny anankiray ho an'i Mosesy ary ny anankiray ho an'i
Elià.
6Fa tsy hitan'i Petera izay holazaina satria samy raiki-tahotra ireto mpianatra telo lahy.
7Tamin'izay dia nisy rahona nanarona azy rehetra, ary nisy feo avy tao amin'io rahona io nanao hoe:
–Ity no Zanako, ilay Malalako; henoy Izy!
8Ary
niaraka tamin'izay ireo mpianatra telo lahy dia nanopy maso manodidina,
ka tsy nahita olona intsony teo aminy afa-tsy i Jesoa irery ihany.