dimanche 6 avril 2014
Alahady 06 Aprily 2014 - Eze 18 : 23 - 32
23Moa
sitrako ve ny hahita ny olon-dratsy ho faty? Izaho Tompo ANDRIANANAHARY
dia manao teny hentitra fa ny hiovany fitondrantena mba hahavelomany no
sitrako. 24Kanefa
raha misy olo-marina miala amin'ny fahamarinany ka manao heloka araka
ny zavatra rehetra maharikoriko izay fanaon'ny olon-dratsy, dia
heverinareo ho velona ve izy? Tsia. Hohadinoina ireo asa tsara rehetra
nataony, ka ho faty izy noho ny hadisoana amam-pahotana vitany. 25Hoy
ianareo hoe: ‹Tsy marina ny fitòndran'ny Tompo!› Henoy tsara Aho, ry
Israelita: Ny fitòndrako ve no tsy marina? Tsy ny fitondranareo ve no
tsy marina? 26Raha
misy olo-marina miala amin'ny fahamarinany, ka manao heloka ary maty
amin'izany, dia maty noho ny heloka nataony ihany izy. 27Raha misy kosa olon-dratsy miala amin'ny faharatsiana nataony, ka manao izay marina sy mahitsy, dia mamonjy ny ainy izy. 28Ho velona tokoa izy fa tsy ho faty satria nahatsapa ny asa ratsiny ka niala tamin'izany. 29Kanefa hoy ianareo Israelita hoe: ‹Tsy marina ny fitòndran'ny Tompo.› Tsy ny fitòndrako no tsy marina fa ny anareo! 30Noho
izany, Izaho Tompo ANDRIANANAHARY dia hitsara anareo Israelita
tsirairay avy araka ny fitondrantenany; teny hentitra avy amiko izany.
Koa ovay ny toe-dratsy, ialao ny hadisoana rehetra fanaonareo, dia tsy
hisy intsony zavatra hitarika anareo amin'ny heloka. 31Esory
ho afaka aminareo ny asa ratsy rehetra fanaonareo; ka mihavaoza fo
amam-panahy ianareo. Ahoana no te ho faty ianareo, ry Israelita? 32Fa
tsy sitrako ny hahafaty ny olona. Teny hentitra avy amiko Tompo
ANDRIANANAHARY izany. Ovay ny toe-dratsy, dia ho velona ianareo.›
-
1Miderà ny TOMPO, ry firenena rehetra; Mihobia Azy, ry vahoaka rehetra117.1 Voatsiahy ao amin’ny Rm 15.11 ity and ity.. 2Fa lehibe tokoa ny...
-
7Dia hoy i Natàna tamin’i Davida: –Ianao izany olona izany! Koa izao no lazain’ny TOMPO, Andriamanitr’i Israely: «Izaho no nanosotra anao h...