11Ary
hoy indray ny Tompo tamiko: «Ry ilay taranak'olombelona, ireo
taola-maina ireo dia sarin'ny vahoaka israelita rehetra. Fa hoy ny
Israelita hoe: ‹Tahaka ny taola-maina izahay, levona ny fanantenanay,
fongotra izahay.› 12Noho
izany, ijoroy ny maha-mpaminany anao ka ambarao aminy fa izao no
lazain'ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Hosokafako ny fasanareo, ry vahoakako,
ka hampiakariko avy any ianareo, ary haveriko ao Israely
tanindrazanareo. 13Amin'izay dia hoekenareo fa Izaho no TOMPO, rehefa voasokatro ny fasanareo, ry vahoakako, ka hampiakariko avy ao ianareo; 14ary hapetrako ao anatinareo ny Fanahiko
dia ho velona ianareo ka hamponeniko indray ao an-tanindrazanareo. Eny,
amin'izay dia hoekenareo fa Izaho TOMPO no nampanantena sady
nahatanteraka izany; teny hentitra avy amiko TOMPO izany›. »
mercredi 9 avril 2014
Alarobia 09 Aprily 2014 - Eze 37 : 7 - 14
7Dia
nilaza ny hafatra araka izay nandidian'ny Tompo ahy aho. Fa raha mbola
nampita ilay hafatra aho, dia nisy feon-javatra nifanaretsaka:
nihetsiketsika sady nifanatonkatona ny taolana, samy nanatona ny taolana
namany avy. 8Ary hitako naniry hozatra sy nofo sady nisarona hoditra izy, nefa tsy mbola nisy fofonaina tao aminy. 9Dia
hoy ny Tompo tamiko: «Ry ilay taranak'olombelona, ijoroy ny
maha-mpaminany anao ny amin'ny fofonaina, eny, ijoroy ny maha-mpaminany
anao ka mitenena aminy hoe: ‹Ry fofonaina, mandidy anao ny Tompo
ANDRIANANAHARY mba ho tonga avy amin'ny vazan-tany efatra ianao ka
hitsoka amin'ireo faty ireo mba ho velona indray izy.› 10Dia
nilaza ilay hafatra araka izay nandidian'ny Tompo ahy aho. Koa
nidiran'ny fofonaina ireo faty ireo, dia velona indray. Nitsangana
tamin'ny tongony izy ary nanjary tafika iray lehibe dia lehibe.
-
1Miderà ny TOMPO, ry firenena rehetra; Mihobia Azy, ry vahoaka rehetra117.1 Voatsiahy ao amin’ny Rm 15.11 ity and ity.. 2Fa lehibe tokoa ny...
-
7Dia hoy i Natàna tamin’i Davida: –Ianao izany olona izany! Koa izao no lazain’ny TOMPO, Andriamanitr’i Israely: «Izaho no nanosotra anao h...