48Dia niteny tamin'i Jesoa ny Jiosy nanao hoe:
–Tsy marina ve ny filàzanay fa Samaritanina* Ianao sady ondranondranana?
49Fa novalian'i Jesoa hoe:
–Izaho tsy ondranondranana fa manome haja ny Raiko; fa ianareo kosa tsy manome haja Ahy. 50Saingy Izaho tsy mitady ny voninahitro, fa ao Ilay mitady izany ho Ahy sady mitsara ara-drariny. 51Lazaiko marina dia marina aminareo fa raha misy olona mitandrina ny teniko, dia tsy ho faty na oviana na oviana izy.
52Dia hoy ny Jiosy taminy:
–Fantatray ankehitriny fa ondranondranana Ianao! Efa maty i Abrahama sy ireo mpaminani*n'Andriamanitra, fa Ianao kosa milaza hoe: «Raha misy olona mitandrina ny teniko, dia tsy hanandrana fahafatesana izy na oviana na oviana.» 53Angaha Ianao lehibe noho ny rainay, dia i Abrahama izay efa maty? Ny mpaminany koa efa maty, manao Anao ho iza moa Ianao?
54Fa novalian'i Jesoa hoe:
–Raha manome voninahitra ny tenako Aho, dia tsinontsinona ny voninahitro; ny Raiko, Izay lazainareo fa Andriamanitrareo, no manome voninahitra Ahy! 55Saingy tsy nahafantatra Azy ianareo; fa Izaho no mahalala Azy, ary raha milaza ho mahalala Azy Aho, dia ho mpandainga tahaka anareo. Eny, mahalala Azy Aho sady mitandrina ny teniny. 56Heni-karavoana i Abrahama rainareo nanantena hahita ny androko; ary nahita izy ka faly.
57Dia hoy ny Jiosy taminy:
–Tsy mbola dimampolo taona akory Ianao, ka dia hoe nahita Anao i Abrahama?
58Fa novalian'i Jesoa hoe:
–Lazaiko marina dia marina aminareo fa tsy mbola ary i Abrahama, dia «Izaho no Ilay hatrizay ka ho mandrakizay»!
59Tamin'izay dia naka vato hitorahana Azy ny olona; fa i Jesoa kosa niery ka lasa nivoaka ny kianjan'ny tempoly*.