20Fa fony mpanompon'ny fahotana ianareo, dia afaka tamin'ny fifehezan'ny fahamarinana. 21Inona
àry no vokatra azonareo tamin'ireny zavatra nataonareo fahiny ireny?
Mahamenatra anareo izany ankehitriny satria fahafatesana no iafarany. 22Ankehitriny
anefa, natao afaka tamin'ny fahotana ianareo ary tonga
mpanompon'Andriamanitra; ka ny vokatra azonareo dia ny anananareo toetra
masina ary fiaina-maharitra mandrakizay amin'ny farany. 23Satria
fahafatesana no tambin'ny fahotana, dia ny fanomezan'Andriamanitra
maimaimpoana kosa dia fiaina-maharitra mandrakizay ho an'izay ao amin'i
Kristy Jesoa Tompontsika.
samedi 12 avril 2014
Sabotsy 12 Aprily 2014 - Rom 6 : 15 - 23
15Koa ahoana àry? Hanota ve isika satria tsy eo ambany fahefan'ny lalàna* fa eo ambany fahefan'ny fahasoavana? Sanatria izany! 16Tsy
fantatrareo ve fa raha manolo-tena mba ho mpanompo hanaiky tompo
anankiray ianareo, dia manjary mpanompon'io tompo io: na ny fahotana
izay mampirona amin'ny fahafatesana izany, na ny fanekena an'Andriamanitra izay mampirona hanao ny marina? 17Isaorana
Andriamanitra fa mpanompon'ny fahotana ianareo fahiny, ary ankehitriny
kosa dia manaiky am-po tokoa ny fampianarana naroso taminareo. 18Natao afaka tamin'ny fahotana ianareo, ary tonga mpanompon'ny fahamarinana. 19Miteny
araka ny fiheveran'ny besinimaro aho noho ny halemenareo ara-nofo.
Taloha dia nanolotra ny zavatra anisan'ny tenanareo ho mpanompon'ny
fahalotoana sy ny tsy fanarahan-dalàna ianareo, ka tonga olona ratsy
fanahy; toy izany koa ankehitriny, aoka ianareo hanolotra ny zavatra
anisan'ny tenanareo saingy ho mpanompon'ny fahamarinana mba hanananareo
toetra masina.
-
1Miderà ny TOMPO, ry firenena rehetra; Mihobia Azy, ry vahoaka rehetra117.1 Voatsiahy ao amin’ny Rm 15.11 ity and ity.. 2Fa lehibe tokoa ny...
-
7Dia hoy i Natàna tamin’i Davida: –Ianao izany olona izany! Koa izao no lazain’ny TOMPO, Andriamanitr’i Israely: «Izaho no nanosotra anao h...