36Tany Jôpa dia nisy vehivavy mpianatra* atao hoe Tabità (na «Dôrkasy» amin'ny teny grika izany hoe gazela). Be tokoa ny asa soa amam-piantrana vitany. 37Ary
tamin'izany andro izany dia narary izy ka maty. Rehefa avy nampandroina
ny faty, dia napetraka tao amin'ny efitrano ambony rihana. 38Tanàna akaikin'i Jôpa moa i Lida; ka nony henon'ny mpianatra tao Jôpa fa hoe any Lida i Petera, dia nandefa iraka roa lahy ry zareo mba hiangavy azy hoe: «Tongava faingana atỳ aminay.» 39Teo
no ho eo ihany i Petera dia niainga niaraka tamin'ireto iraka. Vao
tonga tao Lida i Petera, dia nentin'ny mpianatra ho any amin'ilay
efitrano ambony rihana. Nanatona an'i Petera avokoa ireo mpitondratena
tao, izay sady nitomany no nampiseho ny akanjo sy fitafiana hafa
nataon'i Dôrkasy ho azy ireo fony fahavelony. 40Namoaka
ny olona rehetra ho any alatrano i Petera, dia nandohalika nivavaka.
Avy eo izy dia nitodika nanatrika ny faty ka niteny hoe:
–Ry Tabità, mitsangàna!
Nahiratr'i Tabità ny masony, ary nahita an'i Petera izy dia niarina. 41Nanolo-tanana azy kosa i Petera ka nampitsangana azy. Rehefa nantsoin'i Petera ny vahoakan'Andriamanitra* tao Jôpa mbamin'ireo mpitondratena, dia Tabità velona soa aman-tsara no natolony azy ireo. 42Tonga fantatr'i Jôpa iray vohitra izany ka olona maro no nino ny Tompo. 43Nitoetra naharitraritra tao Jôpa i Petera, tao an-tranon'ny mpandon-koditra atao hoe Simôna.